20/05/2026
🔴 FIKAONANDOHAN’NY TANORA NOTANTERAHINA TAO AMIN’NY KAOMININA TOLIARA RENIVOHITRA NY 16 sy 17 MEY 2025
✅ Nanatrika sy nandray anjara mavitrika tamin’ity fikaonandohan’ny tanora ity ny fikambanana Arinosy Communication Toliara , izay nitondra sy nampita ny feon’ny tanora manoloana ireo fanamby sy olana maro atrehin’izy ireo andavanandro.
🔸 Nandritra izany no nanamafisan’ny fikambanana ny antso avo ho an’ny fitondram-panjakana mba hijery akaiky ny zava-misy iainan’ny tanora, sady nanolorany sosokevitra sy vahaolana azo tsapain-tanana ho fanatsarana ny hoavin’ny tanora sy ny fiarahamonina.
Anisany vahaolana naroso hoany tanora nandritra ny Fikaonan-doha ho any Tanora ireto manaraka ireto:
1️⃣ Fanatsarana ny rafitram- panabeazana anisany fandaharam-pianarana sy ny fanofanana arak’asa ho mifanaraka amin’ny filàn’ny tsena ny asa sy ny zava-misy eto an-toerana.
2️⃣ Fanamorana ny fahafahan’ny tanora misitraka sy mahazo asa ary famatsiam-bola amin'ny taha zanabola ambany 3% hananganana tetikasa na fandraharahana ka mandritra dimy taona fanagana orinasa tsy mandoa hetra.
3️⃣ Fanamafisana ny fandraisan’anjaran’ny tanora amin’ny fanapahan-kevitra sy ny raharaham-pirenena eny anivon’ny kaominina sy ny fanjakana foibe ka hananganana ny antenimiera ny tanora na parlement des jeunes mba ahafahany tanora mitondra ny feony.
4️⃣ Fampiroboroboana ny fandriampahalemana sy ny ady amin’ny zava-mahadomelina, herisetra ary ny tsy fandriampahalemana mianjady amin’ny tanora.
5️⃣ Fanohanana ny sehatry ny kolontsaina, fanatanjahantena ary ny fanabeazana nomerika ho fampivelarana ny talentan’ny tanora sy fanamafisana ny fahaiza-manao ananany.
🇲🇬 “Ny fampandrosoana tena izy dia miainga amin’ny fanajana ny maha-izy antsika Malagasy sy ny fampandraisana andraikitra ny olom-pirenena rehetra.”
🇲🇬 Ho an’ny tanora, ho an’ny fampandrosoana ary ho an’ny hoavy tsaratsara kokoa.
Groupe Arinosy Communication Madagascar
ARINOSY COMMUNICATION MADAGASCAR
Tovo Bernard
Brizard Durrell
Alain Coutiti