04/08/2026
🙏🙏🙏Raha misy manome kingà miteny oe misaotra tompoko🙏🙏🙏🙏 io fomba fiteny io no entiko hiarabana antsika rehetra
Vita iny ny pot de contact MAFAMI 2025-2026 ka tsy hay ny tsy hisaotra antsika rehetra nanao soroka miara-milanja sy tongotra miara-mamindra nahavita iny !
👉 Isaorana ny Ray aman-dreny rehetra tsy ankanavaka tamin'ny fanampiana rehetra na fitaovana na ara-bola , tsy ho voavalinay ny vitanareo fa enga ne nareo ho toloran-jafiafy tehana , hitombo voninahitra atrany eo amin'ny tany amamonina
👉Isaorana ihany koa ireo zoky tato am MAFAMI izay teo fôna tsy nanadino anay zandry aty aorina ka hoy izahay oe tongava amin'ny ambony sy mazaho izay irina ary misondrota grade amin'ny ze toerana misy anareo tsirairay avy ianareo
👉Isika mpianatra rehetra nitoto naha fotsy nahandro naha masaka iny fety iny enga ne ny fifankatiavatsika toy ny vary sy saro antsaha tsy mifanary antanana tsy mifandao ary enga ne isika mba samy havita ny fianarany avy ka ho rearean'ny RAD sy ny fianakaviana
Izay no azo ambara fa de misaotra antsika rehetra 🙏🙏🙏🙏🙏🙏🙏🙏🙏🙏