25/08/2026
Faly sy mirehareha ny fianakavian'ny YES-TaFiTa miarahaba an'i Jean Espérant Andriamanantena, izay tafiditra ho mpianatra ho mpitsara ⚖️!
Mpikambana ato amin'ny YES - Tafita nanomboka tamin'ny 2023, Jean Espérant dia anisan'ireo tanora zandriny indrindra ato anatin'ny fikambanana, saingy efa naneho hatrany ny fahavononany handray andraikitra. Amin'ny maha-Responsable des Ressources Humaines azy dia nandray anjara tamin'ny fampandrosoana sy ny fiainan'ny fikambanana izy, sady nizara ny fotoanany sy ny heriny ho an'ny hafa.
Anio, dingana vaovao indray no atrehiny. Dingana mitaky fahalalana, fahitsiana, fahamatorana ary indrindra fahamarinana sy fahaleovantena.
🙏 Jean Espérant, mirary soa sy mankahery anao izahay amin'izao lalana vaovao izao.
Enga anie ny fahalalana azonao, ny traikefa niainanao tato amintsika, ary ireo soatoavina niorenanao hatramin'izay, hanampy anao ho mpitsara mijoro amin'ny fahamarinana, manaja ny zon'ny tsirairay ary manompo ny rariny.
Aoka ny toerana vaovao halehanao tsy hampanadino anao ny toerana niavianao, fa vao mainka hanamafy ny fanompoana ataonao ho an'ny hafa 🇲🇬.
Ny fianakavian'ny YES-TaFiTa dia mirary fahombiazana sy hery ho anao amin'ity dingana lehibe ity.
Arahabaina, tso-drano amin'ny adidy miandry anao.
Ho an'ny rariny. Ho an'ny fahamarinana. Ho an'ny vahoaka 🇲🇬❤️.
"We stand up for what is right."