Fisemare Seranan-tsambon'ny Toamasina

Directions

Fisemare Seranan-tsambon'ny Toamasina Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from Fisemare Seranan-tsambon'ny Toamasina, Labor Union, Seranan-tsambo Toamasina, Toamasina.

08/10/2026

Miantso antsika mpikambana FI.SE.MA.RE. rehetra ho tonga eny @ CCI Ivato rahampitso tolakandro @ 13h 00 fara paharatsiny.

Toromarika voaray avy amin'ny tomponandraitra izany.

Misaotra amin'ny fahatsapan'ny rehetra izany.

08/10/2026

🌍✊ 7 OKTOBRA – ANDRO MANERAN-TANY HO AN’NY ASA MENDRIKA

Ny asa mendrika (Travail décent) dia mifototra amin’ireo fenitra OIT maro efa nankatoavin’i Madagasikara, toy ny:

🔹 C087 – Fahalalahan’ny sendika
🔹 C098 – Négociation collective
🔹 C100 – Karama mitovy
🔹 C111 – Fandraràna fanavakavahana
🔹 C122 – Politikan’ny asa
🔹 C155 & C187 – Fahasalamana sy fiarovana amin’ny asa
🔹 C081 – Inspection du travail
🔹 C144 – Dialogue social sy tripartisme

👉 ASA MENDRIKA = Asa misy zo + karama ara-drariny + fiarovana + fiarovana ara-tsosialy + fahafahana miaro ny tombontsoan’ny mpiasa.

✊ “Ny asa mendrika dia zo, fa tsy tombontsoa omena fotsiny.”

🌍 7 OKTOBRA — ANDRO MANERAN-TANY HO AN’NY ASA MENDRIKA

06/10/2026

Miarahaba antsika mpiasa Malagasy sahady tratran'ny Andro manerantany ho an'ny Asa Mendrika, rahampitso 07 Oktobra 2026.

04/10/2026

🇨🇳 Tany Chine, nisy orinasa nampiasa intelligence artificielle (IA) hanao ampahany tamin’ny asan’ny mpiasa iray. Ilay mpiasa, antsoina hoe 𝙕𝙝𝙤𝙪, dia niasa tao amin’ny orinasa teknolojia iray tao 𝐇𝐚𝐧𝐠𝐳𝐡𝐨𝐮.

📌 Rehefa nampidirin’ilay orinasa ny AI dia nahena 40% ny karamany. 😳 Tsy nanaiky ilay fanovana i 𝙕𝙝𝙤𝙪 ka niafara tamin’ny fandroahana azy.

⚖️ Nentin’izy ireo tany amin’ny fitsarana ilay raharaha.

Ary izao no fanapahan-kevitry ny fitsarana:

👉 Tsy ampy irery ny hoe nampiasa AI ny orinasa mba hanamarinana ny fandroahana mpiasa. Nandidy ilay orinasa hanome an’i 𝙕𝙝𝙤𝙪 onitra manodidina ny 𝟑𝟑 𝟑𝟎𝟎 € ny fitsarana.

🔥 Araka izany na dia afaka manolo ampahany amin’ny asa aza ny IA, dia tsy midika ho azy izany fa afaka manapaka karama na mandroaka mpiasa avy hatrany ny orinasa.

🤖 IA afaka manao ny asa… fa iza no miaro ny mpiasa rehefa manomboka maka ny toerany?

📌 Raha mitohy izao fivoaran’ny IA izao, mety ho lasa adihevitra lehibe kokoa maneran-tany ny hoe: “IA ve no misolo olona, sa olona no tokony hianatra hiara-miasa amin’ny IA ?”


/ Un Projet de DreamTeam

04/10/2026

📢 FISEMARE TOAMASINA – TATITRA FIVORIANA

Salama antsika kamarady sy fianakaviamben’ny FISEMARE rehetra! ✊

📅 Asabotsy 03/10/2026
📍 EPP Vatosoa Mangarivotra Atsimo

Isaorana manokana ireo rehetra tonga nanatrika ny fivoriana. Tsiahivina hatrany fa isaky ny Asabotsy voalohan’ny volana dia misy fivoriana FISEMARE eto Toamasina, hifampizarana traikefa sy hifanampiana amin’ireo namana miatrika olana sy tsy rariny eo amin’ny tontolon’ny asa.

Nifampizarana hevitra samihafa ny rehetra, ary napetraka hatrany ny DIALOGUE SOCIAL:
👉 Hevitra no ifaninanana fa tsy olona.
👉 Mitady marimaritra iraisana hatrany isika.

🤝 Fanapahan-kevitra lehibe:
Hikarakara FORMATION SUR LE LEADERSHIP ET LA STRATÉGIE SYNDICALE ny FISEMARE Toamasina, mba hampitomboana ny fahaiza-mitarika sy ny VISIBILITÉ-ntsika.

📢 Noho izany, asaina isika rehetra hanatrika ny fivoriana amin’ny:

📅 Asabotsy 10/10/2026
📍 EPP Vatosoa Mangarivotra Atsimo

Hiaraka handinika ny daty, toerana ary fotoana hanombohana ny fiofanana.

✊ Aoka isika ho samy MPITARIKA!
🤝 Andao hifampitsinjo.
💪 Andao hiaraka hanarina sy hanova ny tontolon’ny asa ho amin’ny tsara kokoa.

Marina fa tsy mora ny ady, fa rehefa MIARAKA ISIKA REHETRA DIA VITA FOANA IO!

ATAMBARO ANGOVO!!! ✊🔥
FISEMARE TOAMASINA

03/10/2026
27/09/2026

🔴 FANAVAOZANA — FANAVAOZANA — FANAVAOZANA! 🔴

25 SEPTAMBRA 2026 — TAONA IRAY NANOMBOKA NY TOLONA.

Taona iray izay, androany, no nandalovan’ny TOLONA nitaky fiovana sy fanavaozana.

Maro ireo sehatra nahitana FANAVAOZANA tao anatin’izay taona iray izay.
✅ Tsara izany.
🙏 Faly ny vahoaka.

Nefa aza adinoina fa VAHOAKA IHANY KOA NY MPIASA!

Noho izany, izahay mpiasa, indrindra ireo miasa eo amin’ny sehatra tsy miankina, dia mampatsiahy amim-panajana ny Fanjakana sy ireo tompon’andraikitra rehetra:

👉 Aoka mba ho tonga hatrany amin’ny tontolon’ny asa ihany koa ny FANAVAOZANA.

📌 Fanatsarana ny fari-piainan’ny mpiasa
📌 Fanajana sy fampiharana ny zon’ny mpiasa
📌 Karama mifanaraka amin’ny zava-misy iainan’ny mpiasa
📌 Fepetra iasana mendrika sy maha-olona
📌 Fampiharana marina ny lalàna mifehy ny asa

Tsy misaraka amin’ny vahoaka ny mpiasa.
Tsy misaraka amin’ny fanavaozana ny tontolon’ny asa.

🇲🇬 Raha tena fanavaozana no tanjona, dia aoka tsy hohadinoina ny MPIASA.

✊ FANAVAOZANA HO AN’NY SEHATRA REHETRA!
✊ FANAVAOZANA HO AN’NY TONTOLON’NY ASA!
✊ FANAVAOZANA HO AN’NY MPIASA!

27/09/2026

AONA TOKOA, RAHA TSY NISY NY FIKAMBANANA SENDIKALY ?

Rehefa hita niparitaka teny amin'ny tambazotra serasera ny olan'ireo mpiasa ao amin'ny ACM sy ny METFP, dia nisy ny nanaratsy ny hetsika natao ka nilaza ny zavatra tsy nolazaina sy nanaratsy ny tolona hoe:
1/ IANAREO SENDIKA X AZA MIJABAKA SAO TRATRA FARANY EO.
FATARO NY ZAVAMISY XX
2/ Tsy hiditra Syndika mandrakizay aho...

IZANY TOKOA VE ??

Raha novakina ny Lalam-panorenana, ny Fifanarahana iraisam-pirenena ary ny Fehezan-dalàna mifehy ny asa , dia ny asa tokony nataony no nataony.

Tadidio fa ny Sendika eo ihany, miaro ny asan'ny mpiasa sy mitondra ny fitarainany ary ny mahasoa azy. Ny taonjao faha-19 no efa nisy ny fikambanana sendikaly, raha tamin'ny 1936 no nitsangana voalohany ny Sendika teto Madagasikara, hatramin'izay ka hatramin'izao dia miasa tsisy congé na permission ny Sendika manerantany.

Ny raharaha ACM sy ny METFP, mitovy fa tsy sahala, raha ny Sendika FI.SE.MA.RE. manokana dia hijanona hitolona ho azy ireo, ka fantaro ihany koa ny zavatra iainan'izy ireo ary mipetraha eo amin'ny toerana misy azy.

FEHINY,
Raha novakina ny Soratra Masina, ay moa ka ny Tompo dia saropiaro amin'ny mpiasa ihany koa, JAKOBA 5:4, LIOKA 10:7 ...

Mankahery ny mpiasan'ny ACM sy ny METFP, fa aleo miasa tanimbary toizay miasa saina.

OLOMBELONA IHANY!

24/09/2026

Kamarady,
Amin'ny lalan'ny fifampiresahana ihany no tsara hamahana ity tranga ity.

Address

Seranan-tsambo Toamasina
Toamasina
501

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Fisemare Seranan-tsambon'ny Toamasina posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Shortcuts

Share

Category