20/08/2025
𝗡𝘆 𝗙𝗔𝗡𝗔𝗠𝗕𝗔𝗥𝗔𝗠-𝗣𝗔𝗡𝗔𝗡𝗔𝗡𝗔:
(𝗗𝗲𝗰𝗹𝗮𝗿𝗮𝘁𝗶𝗼𝗻 𝗱𝗲 𝗽𝗮𝘁𝗿𝗶𝗺𝗼𝗶𝗻𝗲)
Ny mpiasam-panjakana rehetra voalaza ao amin’ireto andininy
manaraka ireto dia tsy maintsy manao fanambaram-pananana sy ny toe-bola
mba hampiroboroboana ny mangarahara eo amin’ny fanatanterahana ny asampanjakana, hiantohana ny fahamarinan’ny mpiasam-bahoaka ary hanamafisana
ny fitokisan’ny vahoaka ny andrim-panjakana isan-tsokajiny,
𝗜𝗿𝗲𝗼 𝗮𝘃𝘆 𝗶𝘇𝘆 𝗶𝗿𝗲𝗼:
👉Ny 𝗺𝗽𝗶𝘁𝘀𝗮𝗿𝗮 rehetra ao amin’ny fitsarana, ara-panjakana na ara-bolampanjakana na toy inona na toy inona laharany sy ny asany;
👉Ny 𝗹𝗲𝗵𝗶𝗯𝗲𝗻’ny 𝗙𝗮𝗿𝗶𝘁𝗮𝗻𝘆, Lehiben’ny fanapahan’ny Faritany isan-tokony,
mpanapaka ny faritra (préfets de région), lehiben’ny 𝗳𝗮𝗿𝗶𝘁𝗿𝗮, lehiben’ny
𝗱𝗶𝘀𝘁𝗿𝗶𝗸𝗮 ary ny 𝗯𝗲𝗻’𝗻𝘆 𝘁𝗮𝗻à𝗻𝗮;
👉Ny 𝗺𝗽𝗶𝗮𝘀𝗮𝗺-𝗽𝗮𝗻𝗷𝗮𝗸𝗮𝗻𝗮 rehetra izay mitana ny asan’ny tompon’andraikitra
ambony mitovy lenta na mihoatra ny Talen’ny 𝗺𝗶𝗻𝗶𝘀𝘁𝗲𝗿𝗮;
👉Ny mpikambana rehetra ao amin’ny 𝗺𝗽𝗶𝗿𝗮𝗳𝗶-𝗱𝗿𝗮𝗵𝗮𝗿𝗮𝗵𝗮𝗺-𝗽𝗮𝗻𝗷𝗮𝗸𝗮𝗻𝗮,
mpanara-maso sy tompon’andrikitra ambony isan-tsokajiny ao amin’ny
fitatanam-panjakana;
👉Ny lehiben’ny fiofanana ara-miaramila manam-boninahitra ao amin’ny
ambaratongam-pifehezana;
👉Ny mpanara-maso rehetra ao amin’ny 𝗜𝗻𝘀𝗽𝗲𝗰𝘁𝗶𝗼𝗻 𝗴é𝗻é𝗿𝗮𝗹𝗲 de l’𝗘𝘁𝗮𝘁,
Inspection Générale ny tafika malagasy sy ny Inspection Générale ny
Zandarimariam-pirenena;
👉Ny olona rehetra miandraikitra ny asan’ny manam-boninahitry ny 𝗽𝗼𝗹𝗶𝘀𝘆
ara-toekarena na ara-pitsarana;
👉Ny olona rehetra manatanteraka ny asan’ny mpiandraikitra sy ny
fanomezan-dalana amin’ny fampiasana ny 𝘃𝗼𝗹𝗮𝗺-𝗽𝗮𝗻𝗷𝗮𝗸𝗮𝗻𝗮;
👉Ny mpitondra ara-tsosialy miandraikitra ny 𝗼𝗿𝗶𝗻𝗮𝘀𝗮𝗺-𝗽𝗮𝗻𝗷𝗮𝗸𝗮𝗻𝗮, orinasa
handraisan’ny fanjakana anjara.
𝗡𝗕: Ny fanambaram-pananana sy ny tombon-tsoa ara-toe-karena dia tsy maintsy
atao ao anatin’ny 𝘁𝗲𝗹𝗼 (3) 𝘃𝗼𝗹𝗮𝗻𝗮 manaraka ny nandraisana ilay asa.Tsy maintsy
havaozina isaky ny 2 taona,rahatoa ka misy fiovana eo amin’ny asam-panjakana
atao na koa raha misy fiovana misongadina eo amin’ny fananana.
𝗙𝗮𝗻𝗮𝘇𝗮𝘃𝗮𝗻𝗮 𝗳𝗲𝗻𝗼: Andininy faha 02 @ lalàna n°2016-020 momba ny ady @ Kolikoly
Mbola Hitohy fa araho ny pejy R.H.I UPRIM Toamasina
ZARAO 🙏
____
Rhi Bianco Toamasina
UPRIM Toamasina
Tetik'asa Tolo-tanana