12/02/2026
📢📢 *𝙁𝙄𝙁𝘼𝙉𝙄𝙉𝘼𝙉𝘼𝙉𝘼 𝙏𝙀𝙏𝙄𝙆𝘼𝙎𝘼 𝙋𝙋𝙀𝙅 (𝙋𝙧𝙤𝙜𝙧𝙖𝙢𝙢𝙚 𝙙𝙚 𝙋𝙧𝙤𝙢𝙤𝙩𝙞𝙤𝙣 𝙙𝙚 𝙡'𝙀𝙣𝙩𝙧𝙚𝙥𝙧𝙚𝙣𝙚𝙪𝙧𝙞𝙖𝙩 𝙙𝙚𝙨 𝙅𝙚𝙪𝙣𝙚𝙨) 𝙩𝙖𝙤𝙣𝙖 2026* 📢📢
📍📍 Fifaninanana tetikasa karakarain'ny Ministeran'ny Tanora sy ny Fanatanjahan-tena miaraka amin'ny CONFEJES amin'ny alalan'ny fandaharan'asa PPEJ
✅*Ireo iantefany :* tanora lahy sy vavy, *18 hatramin'ny 35 taona (35 taona amin'ny 31 desambra 2026 farafahatarany)* manana tetikasa manavao (innovant) amin'ny anaran'ny tenany manokana na amin'ny anaran'ny fikambanana, ka efa nahazo *fiofanana mikasika ny fandraharahana.*
✅ *Sehatr'asa :* fambolena sy fiompiana, fambolena sy fanodinana sakafo, hay tao ara-kajy mirindra, sehatry ny lamba, fitantanana ny tontolo ianana. Omena laharam-pahamehana ny tetikasa atolotry ny vehivavy.
✅ *Famatsiam-bola azo angatahana :* hatramin'ny 23 000 000 Ariary
✅ *Fifantenana ny tetikasa :* ireo *tetikasa 10 mendrika* indrindra voafantina eto antoerana dia handalo fifantenana farany eo anivon'ny CONFEJES.
✅ *Fanolorana ny tetikasa :* ny tetikasa dia arafitra anaty drafitrasam-pihariana (plan d'affaires) izay mifanaraka amin'ny lasitra PPEJ ka atao amin'ny fiteny frantsay ary mampiasa ny mari-bola Ariary. Misy koa ireo antontan-taratasy ampiarahana aminy (jereo ny lisitra ao amin'ny pejy faran'ny drafitrasam-pihariana lasitra).
📌📌 *Fametrahana ny antontan-taratasy :* alefa mailaka amin'ny [email protected] rehefa nahazo fankatoavana (visa) teo anivon'ny Fitaleavam-paritra misahana ny Tanora sy ny Fanatanjahan-tena (DRJS), na ny Delegasiona misahana ny Tanora sy ny Fanatanjahan-tena (DélJS) na ny Maison des Jeunes any amin'ny toerana na faritra hanatanterahana ny tetikasa.
⁉️*Rohy hangalana ny drafitrasam-pihariana lasitra PPEJ :* https://www.mjs.gov.mg/fifaninanana-tetikasa-ppej-2026/
⏳ *Daty fandefasana ny antontan-taratasy :* 1️⃣9️⃣ aprily 2️⃣0️⃣2️⃣6️⃣ farafahatarany.
📞 *Filan-kevitra :* manantona ny DRJS, na DelJS, na ny Maison des Jeunes any amin'ny faritra misy anao na miantso ny laharana 034 01 479 01- 034 93 108 69