08/03/2023
🇲🇬 🙋🏻♀️🇲🇬Andro iraisam-pirenena ho an'ny fitakiana ny Zon'ny Vehivavy 🇲🇬🙋♀️🇲🇬
Manoloana ny tsy fanajana ny Zon'ny Vehivavy sy ny tovovavy ary ankizivavy, dia resy lahatra izahay fa ny fanomezana ny fizakan-tena ny Vehivavy dia anisan'ny miantoka ny fampandrosoana ny Firenena.
Hamafisinay ny fandraisana andraikitra ho amin'ny fanajana ny Zon'ny Olombelona amin'ny ankapobeny, sy ny fampanjakana ny miralenta ary indrindra ho amin'ny fanajana ny Zon'ny Vehivavy manokana.✊🇲🇬
Miantso antsika rehetra izahay mba hanaiky sy hanaja ny Zon'ny Vehivavy ary hampisitraka azy ireo izany, mba hanana risim-po ka ho sahy hametraka fitorohana raha ohatra ka mahita trangana herisetra na fanitsakitsahana ny Zon'ny Vehivavy. ✊🇲🇬
Ndao hanorina Madagasikara mampanjaka tokoa ny miralenta mba ho foana ny herisetra atao amin'ny Vehivavy, tovovavy sy ny ankizivavy. ✊🇲🇬
🌹🌹🌹🌹🌹🌹🌹🌹🌹🌹🌹🌹