12/06/2026
FARITRA ATSINANANA : NATAO NY FAKAN-KEVITRA REZIONALY MOMBA NY POLITIKA NASIONALIN’NY FANATANJAHANTENA
📅 Zoma 12 Jona 2026
📍 Toamasina
▶️ Notanterahina teto amin’ny Faritra Atsinanana ny fakan-kevitra rezionaly momba ny Politika Nasionalin’ny Fanatanjahantena (PNS), izay nokarakarain’ny Ministeran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena. Tanjona tamin’izany ny hanangonana ireo soso-kevitra sy hevitra avy amin’ireo mpisehatra ara-panatanjahantena eny ifotony, mba hanatsarana sy hampandrosoana ny tontolon’ny fanatanjahantena eto Madagasikara.
✅ Nandray anjara mavitrika tamin’ity atrikasa ity ireo solontena avy amin’ny taranja fanatanjahantena samihafa eto amin’ny Faritra Atsinanana, anisan’izany ny avy amin’ny Atsinanana Rugby, izay nitondra ny fomba fijeriny sy ireo fanamby sedrain’ny taranja rugby, indrindra mikasika ny fotodrafitrasa ara-panatanjahantena sy ny fampandrosoana ny tanora mpilalao.
➡️ Nifantoka tamin’ireo lohahevitra stratejika momba ny fampandrosoana ny fanatanjahantena ny dinika, ka nanome sehatra ireo mpandray anjara hanehoana ny zava-misy sy ny vahaolana azo entina manatsara ny sehatra eo amin’ny faritra sy ny firenena.
🎯 Manantena ny Atsinanana Rugby fa ho raisina an-tanana ireo tolo-kevitra naroso, mba hahafahana mampandroso bebe kokoa ny rugby sy ny fanatanjahantena amin’ny ankapobeny eto amin’ny Faritra Atsinanana.