27/10/2023
Siteny Randrianasoloniako tsy manana Idéologie Politique miovaova ny fomba firesaka.Resaka nationalité izay hanenjehany an 'i Andry Rajoelina,nefa ny vadiny siteny vazaha fa lazainy fa nanao asa soa teto Madagasikara ,ny tiany ho lazaina dia hoe na dia vazaha aza ny vadiny dia Tia an'ny Malagasy.Inona moa izany no antony hanenjehany an'i Andry Rajoelina,ity farany dia nanampy ny malagasy na teo aza ny velirano tsy tanteraka.Resaka homme d'État,ny tena homme d'État dia tsy manao fahadisoana izany rehefa mikabary imasom-bahoaka,ary mandinika tsara ny zavatra lazaina.Te ho filoham-pirenena i siteny Randrianasoloniako,ny olona milatsaka ho filoham-pirenena dia manana Projet de société mazava tsara fa tsy miovaova,tahaka ny hoe androany miresaka décentralisation, rahampitso Milaza indray fa ny rano no tena laharam-pahamehana.Efa fantatry i siteny fa raha mandeha ny fifidianana dia ho lany ny kandida laharana faha 3,izay lazainy fa misy halabato nefa izy mifanina ihany,fa tsy miaraka amin'ny ireo kandida 10 izay mitaky fifidianana madio sy eken'ny rehetra ,aiza izany i lazainy fa raha milatsaka ho filoham-pirenena izy dia tsy maintsy lany.Vola hanaovana propagande tsy hambarany mazava tsara hoe avy aiza. Fehiny mila homanina fotoana ela ny hitatana firenena fa tsy hoe manambola sy misy mpamatsy vola dia milaza fa manana vahaolana ho an'i Madagasikara. R. Roimemy