Insertion Professionnelle des Jeunes

Insertion Professionnelle des Jeunes Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from Insertion Professionnelle des Jeunes, Toamasina.

Un programme dédié au développement des jeunes prêts à construire leur avenir professionnel, basé sur :
👉 La maîtrise des outils numériques ;
👉 L'accès à l'emploi et à l'entrepreneuriat ;
👉 La responsabilité sociale et environnementale.

03/05/2026
Tsara ho fantatra 💡
30/04/2026

Tsara ho fantatra 💡

‼️🚨 ZON'NY MPIASA: NY ZAVATRA REHETRA TOKONY HO FANTATRAO MOMBA NY FIALANA AMIN'NY ASA (DÉMISSION) ARAKA NY LALÀNA VAOVAO 2024 🚨

Maro amintsika no te hiova asa mba hitady fivoarana, na koa voatery hiala noho ny antony manokana. Zava-dehibe anefa ny mahafantatra ny lalàna, indrindra fa ilay Code du Travail vaovao (Loi n° 2024-014 tamin'ny 14 aogositra 2024), mba hiarovanao ny zonao ary tsy hanaovanao hadisoana mety hiteraka fatiantoka.

1️⃣ Ny Fepetra fototra sy ny Fomba fanaovana azy (Procédure de Démission)

Ny démission dia fanapahan-kevitra noraisinao irery, an-tsitrapo, ary tsy nisy nanery (volonté claire et non équivoque). Tsy azo atao ny miala fahatany na mandao ny toeram-piasana fotsiny tsy misy fampilazana (ilay antsoina hoe abandon de poste).

=> Notification Écrite (Taratasy fampilazana): Araka ny Andininy faha-41 amin'ny lalàna vaovao, dia tsy maintsy manao taratasy an-tsoratra ianao milaza ny fialanao ary manazava ny antony (motifs).

=> Remise en main propre contre décharge: Ny fomba tsara indrindra dia ny manao ilay taratasy ho dika roa (en double exemplaire). Omenao ny mpampiasa ny iray, ary asainao asiany sonia sy daty ny dika faharoa ho porofo fa voarainy ilay izy. Azo atao koa ny mandefa azy amin'ny alalan'ny paositra (lettre recommandée).

=> Passation de service: Hamafisin'ny Andininy faha-43 amin'ny lalàna vaovao fa tsy maintsy manao "passation" (fampitana ny asa aman-andraikitra amin'izay olona handimby anao na amin'ny mpampiasa) ianao vao tena mahazo miala tanteraka. Raha tsy manao izany ianao dia mety hiharan'ny sazy na fandoavana onitra.

> 💡 Ohatra azo tsapain-tanana: Nahita asa vaovao karamaina tsara kokoa i Rakoto. Tsy tonga dia tsy mipoitra intsony any am-piasana izy ny ampitso, fa manoratra "lettre de démission" tsara. Entiny any amin'ny Directeur des Ressources Humaines (DRH) ilay izy, asainy manao sonia (décharge) ny DRH mba ho porofo, ary mampianatra izay olona handimby azy izy alohan'ny hialany.

2️⃣ Ny Fe-potoana fampandrenesana (Le Préavis de Démission)

Rehefa mametra-pialana ianao dia tsy midika izany fa afaka mody avy hatrany. Misy fotoana tokony hiasanao aloha vao tena miala, izany no atao hoe Préavis.

=> Ny fiasan'ny Préavis: Fotoana ahafahan'ny mpampiasa mitady olona hisolo anao izy ity. Ny halavany dia miankina amin'ny sokajin'asanao sy ny faharetanao tao amin'ny orinasa (matetika 1 volana na mihoatra, voafaritry ny contrat na ny convention collective). Manomboka ny fanisana ny andro vantany vao voarain'ny mpampiasa ilay "lettre de démission".

=> Dispense de préavis: Raha tianao ny hiala avy hatrany dia afaka mangataka famotsorana amin'io fe-potoana io ianao. Anjaran'ny mpampiasa anefa ny manaiky na mandà izany.

=> Démission sauvage (Tsy fanajana ny préavis): Raha manapa-kevitra ny tsy hanao ilay préavis ianao nefa tsy nahazo alalana, dia azon'ny mpampiasa atao ny mitory anao sy mitaky onitra antsoina hoe indemnité compensatrice de préavis.

=> Temps de liberté: Mandritra io fotoanan'ny préavis io, dia manana zo hahazo fotoana malalaka ianao hitadiavana asa hafa (matetika indray andro isan-kerinandro), ary tsy tapahina ny karamanao amin'io andro io.

> 💡 Ohatra azo tsapain-tanana: Nametra-pialana i Soa ary 1 volana ny préavis-ny. Mitohy mandeha miasa foana izy mandritra io 1 volana io ary mbola mandray karama. Mahazo tsy mivory izy isaky ny zoma mba handeha hanao "entretien" any amin'ny orinasa hafa, ary tsy sahin'ny mpampiasa tapahina ny karamany amin'ireo zoma ireo.

3️⃣ Ny Zon'ny Mpiasa sy ny Vola Raisina (Solde de tout compte)

Na dia ianao aza no nanapa-kevitra ny hiala, dia mbola manana zo feno ianao amin'ny zavatra efa nisasaranao:

=> Solde de tout compte: Tsy maintsy aloa aminao ny karama farany rehetra mandra-pahatongan'ny andro farany niasanao. Ny lalàna (Art 43) dia milaza fa ny mpampiasa dia tsy maintsy manome an'io vantany vao mifarana ny asanao (dès la cessation de travail).

=> Indemnité compensatrice de congés payés: Raha mbola manana andro fialan-tsasatra (congé) tsy nampiasaina ianao (eo amin'ny 2,5 andro isam-bolana ny salany eto Madagasikara), dia tsy maintsy avadika vola ireo andro ireo ka omena anao.

=> Certificat de travail: Tsy maintsy omen'ny mpampiasa anao ity taratasy ity ho porofo fa tena niasa tao ianao. Misoratra ao ny daty nidiranao, ny daty nivoahanao, ary ny andraikitra notazoninao.

⛔ Marihina tsara (Ce que le démissionnaire ne perçoit PAS): Satria ianao no nisafidy ny hiala, dia TSY manana zo hahazo ilay antsoina hoe Indemnité de licenciement ianao. Ny olona voaroaka ihany no mahazo an'io.

4️⃣ Ireo Tranga Manokana sy miavaka tsara ho fantatra

Misy tranga vitsivitsy tena mila fitandremana ary nisy fanovana/fanamafisana tamin'ny alalan'ny Loi 2024-014:

=> Raha miasa amin'ny CDD (Contrat à Durée Déterminée) ianao: Sarotra kokoa ny miala raha mbola tsy mifarana ny contrat CDD-nao. Tsy afaka miala fahatany ianao raha tsy hoe misy fifanarahana iarahanareo manaiky (accord commun), na raha nanao fahadisoana lehibe ilay mpampiasa (faute grave de l'employeur). Raha miala tsy amin'antony ianao dia mety ho voatery handoa onitra any amin'ny mpampiasa.

=> Raha voatery niala ianao noho ny ditran'ny mpampiasa (La "Rupture Indirecte" na Démission forcée): Ahoana raha nametra-pialana ianao satria ny mpampiasa anao no tena nanao tsinontsinona? (Ohatra: tsy mety manome karama efa am-bolana maro, mampijaly na manao "harcèlement", tsy manaja ny fifanarahana). Amin'ity tranga ity, ny Loi 2024-014 dia miaro anao tanteraka. Lazaina fa rupture indirecte io tranga io. Na dia ianao aza no nanome ilay "lettre de démission", dia heverin'ny lalàna ho toy ny "fandroahana tsy ara-drariny" (licenciement abusif) ilay izy. Noho izany, dia azonao atao ny mitaraina any amin'ny Inspection du Travail mba hitaky ny fanonerana rehetra (dommages-intérêts).

> 💡 Ohatra azo tsapain-tanana amin'ny Rupture Indirecte: I Bema dia efa telo volana tsy nandray karama, ary tevatevain'ny lehibeny foana. Tsy tantiny intsony dia nanoratra "lettre de démission" izy. Satria anefa nisy fahadisoana mavesatra nataon'ny orinasa, dia mandeha any amin'ny Inspection du Travail i Bema. Hitan'ny Fanjakana fa noterena an-kolaka (démission forcée) izy, ka tsy maintsy mandoa onitra be (indemnité de licenciement sy dommages-intérêts) amin'i Bema ilay mpampiasa na dia "démission" aza no nitranga.

fans
✍️©️ Code de droit Malagasy

𝑷𝑬𝑱𝒀 𝑴𝑰 𝑹𝑨𝑫𝑶

30/04/2026
Rester connecté car on vous prépare quelque chose de ouf d'ici peu 😉Suivez le mouvement 🔥🔥🔥
30/04/2026

Rester connecté car on vous prépare quelque chose de ouf d'ici peu 😉
Suivez le mouvement 🔥🔥🔥

27/04/2026
✨NOUVEAU PROGRAMME POUR LES JEUNES✨Nous lançons un programme dédié au développement des jeunes pour préparer une nouvell...
27/04/2026

✨NOUVEAU PROGRAMME POUR LES JEUNES✨

Nous lançons un programme dédié au développement des jeunes pour préparer une nouvelle génération des leaders et d'acteurs du changement.

👉 Compétences numériques
👉 Accès aux métiers et à l'entrepreneuriat
👉 Responsabilité sociale et environnementale

Objectif : former des jeunes compétents, engagés et prêts à construire leur avenir professionnel 💼

🔥 Rejoignez le mouvement et construisons l'avenir 🔥

Suivez la page pour plus de détails 🫡


Address

Toamasina
501

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Insertion Professionnelle des Jeunes posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share