30/03/2022
VAOVAO MIKASIKA NY MPANDRAHARA (PAT SOUS CONTRAT LOCAL) ATO AMIN’NY ONIVERSITEN’ITOAMASINA
Izahay Mpandraharaha (Personnel Administratif et Technique sous contrat local) miisa 106 ato amin’ny Oniversiten’i Toamasina dia mangataka aminareo tompon’andraikitra rehetra (Minisitra, Praiminisitra, ary Filoham-pirenena Andry Nirina Rajoelina) :
• Ny fandraisana anay ho mpiasa raikitra (EFA) amin’ny Fanjakana
• Ny fandoavana ny karamanay 13 volana
Izahay 106 dia mpiasa manana fifanarahana arak’asa mazava tsara ato amin’ny Oniversiten’i Toamasina. Ary efa in-droa izahay no nanao Sonia ny taratasy fifanarahana; izany hoe mialoha izao contrat CDI anananay izao dia efa nandalo “contrat d’essai”, “CDD” izahay. Amin’ny ankapobeny dia saika nandalo ireo dingana ireo daholo ny mpandraharaha tato amin’ny Oniversite vao lasa mpiasa raikitra amin’ny Fanjakana foibe (ECD, ELD, EFA, Fonctionnaire…). Ary ny Ministera mpiahy hatrany no nanome ny teti-bola natokana hanefana ny karaman’ny mpiasa rehetra tsy ankanavaka. Niasa tsy nisy olana ary nandray karama ara-dalàna izahay tao anatin’ny fotoana lava.
Taty afara anefa dia tapaka ny teti-bola natokana hanefana ny karama ho an’ny “PAT sous contrat local” ary tsy izay ihany fa teo koa ny fahatapahan’ny “indemnité de technicité” izay nampitokona ny mpiasan’i Oniversite rehetra teto Madagasikara. Marihina fa efa voavaha tanteraka ny olana mikasika ny “indemnité de technicité” amin’izao. Fa ny mikasika anay kosa dia mbola tsy nisy resaka mihitsy.
Koa vaky taraina izahay izay miasa mafy toy ny mpiasa rehetra ato amin’i Oniversite nefa tsy mandray karama. Vao teraka ny olana dia niezaka izahay nanatona ireo tompon’andraikitra isan-tokony (Université, MESupRES, Primature, Présidence de la République) sy ireo ambaratongam-pahefana isan-karazany mba hitady ny vahaolana fa mbola tsy nahitana akony izany rehetra izany hatramin’izao.
Manoloana ny fiakaran’ny vidim-piainana ankehitriny dia very fanahy mbola velona izahay manana izao olana izao satria efa tsy hita intsony ny vola hividianana ny sakafo ho hanin’ny vady aman-janaka, ny handoavana ny hofan-trano, ny sarampianaran’ny zaza, sy ireo vesatra ara-bola misy eo amin’ny fainanay andavanandro. Fanampin’izay dia mbola mandrahona anay koa ny banky satria tsy voaloa intsony ny trosanay izay efaina tsikelikely amin’ny karama raisinay isam-bolana, araka ny fifanarahana.
Efa niandry iray taona mahery, eto izahay dia mangataka am-pitoniana aminareo tompon’andraikitra mba hamaha haingana dia haingana ny olanay fa mafy ny manjo anay, ary tsy irinay velively ny hisian’ny korontana ato amin’ny Oniversite maminay. Koa jereo sy vonjeo izahay Mr Le Président Andry Nirina Rajoelina fa ianao no vahaolana.
Misaotra tompoko!