06/08/2026
🔬 FIKAROHANA AN-DALANA
Mitovy ve ny fahombiazan'ny Oya rehetra amin'ny fitahirizana sy fitsitsiana rano?
Io no iray amin'ireo fanontaniana ezahin'ny Minimal Irrigation Project (MIP) valiana ihany koa amin'izao fotoana izao.
Ao amin'ny toeram-pikarohana dia andramana sy ampitahaina ireo Oya vita amin'ny akora samihafa, mba hahitana hoe iza no:
💧 Mahavita mitsitsy rano indrindra.
🌱 Mahavita mitazona ny hamandoan'ny tany ela kokoa.
🥬 Mahasoa indrindra amin'ny fitomboan'ny voly.
Mandritra ny fikarohana dia refesina sy arahina akaiky:
✅ Ny habetsahan'ny rano avoakan'ny Oya.
✅ Ny hamandoan'ny tany manodidina azy.
✅ Ny rano lanin'ny voly.
✅ Ny fitomboan'ny salady, izay voly ataonay eo aminy amin'izao
🎯 Ny tanjona dia ny hahitana karazana Oya mora amboarina, mahomby ary mety amin'ny tantsaha eto Madagasikara.
📢 Mbola mitohy ny fikarohana...
👉 Hozarainay eto amin'ny pejy tsikelikely ny fizotry ny fikarohana
👀 Araho hatrany ny pejy Minimal Irrigation Project (MIP) mba tsy ho tara amin'ireo vokatra vaovao.
📍 Liana hahita mivantana ity fikarohana ity ve ianao?
Tongava mitsidika ny toeram-pikarohanay ary jereo akaiky ireo teknolojia fitsitsiana rano andrana eny an-tsaha.
🤝 Faly izahay mandray anao sy mizara ireo traikefa
📩 Aza misalasala mifandray aminay raha te handamina fitsidihana.
---------------
🔬 RECHERCHE EN COURS
Toutes les jarres d'irrigation (Oya) ont-elles la même efficacité pour économiser l'eau ?
C'est la question à laquelle le Minimal Irrigation Project (MIP) cherche actuellement à répondre.
Minimal Irrigation Project compare plusieurs types d'Oya fabriqués avec différentes compositions de matériaux, afin d'identifier celui qui offre les meilleures performances.
Au cours de cette recherche, nous évaluons notamment :
💧 La quantité d'eau diffusée par chaque Oya.
🌱 Le niveau d'humidité du sol autour des jarres.
🥬 La consommation d'eau des cultures.
📏 La croissance de la laitue
🎯 L'objectif est d'identifier une Oya efficace, durable, peu coûteuse et facilement reproductible par les agriculteurs malgaches.
📢 La recherche est actuellement en cours.
👉 Les différentes étapes et les observations seront publiés progressivement sur notre page.
👨🌾 Envie de voir les Oya en fonctionnement ?
Venez visiter notre parcelle de recherche et découvrez comment différentes technologies d'irrigation minimale sont évaluées dans des conditions réelles.
💧 Une occasion d'échanger avec notre équipe et de découvrir des solutions innovantes pour économiser l'eau.
📍 N'hésitez pas à nous contacter pour organiser une visite !