Minimal Irrigation Project - Madagascar

Directions Website Contact the organization

Minimal Irrigation Project - Madagascar Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from Minimal Irrigation Project - Madagascar, Non-Governmental Organization (NGO), Ecovillage Mahavariana, Talata-Volonondry.

Un projet de recherche, partenariat entre le Farming & Technology for Africa, la Mention ABC de l'Ecole Supérieure des Sciences Agronomiques, les paysans du FM3A.org et Aqua Alimenta

20/10/2026

Arahabaina ireo mpandresy tamin’ny fifaninanana Tsinjorano!👏🎉

Fiarahabana feno ho anareo nahazo fandresena tamin’ity fifaninanana nokarakarain’ny Minisiteran'ny Fambolena sy ny Fahaleovantena ara-tsakafo , FTA - Farming & Technology for Africa , ny Minimal Irrigation Project - Madagascar (MIP) sy ny Tranoben'ny Tantsaha Mpamokatra ary ny Mention Agroécologie, Biodiversité et Changement Climatique
Enga anie izao traikefa izao hamporisika antsika rehetra hanohy hitady sy hampihatra fomba fanondrahana mitsitsy rano.

🌱 Andao hitsitsy rano, hitsimbina ny tontolo iainana ary hiara hampandroso ny fambolena maharitra!

💧🌱 Félicitations aux gagnants du concours Tsinjorano !

👏 Le Minimal Irrigation Project (MIP) félicite chaleureusement les gagnants du concours Tsinjorano Tsinjorano, une initiative qui met à l’honneur les solutions et les pratiques permettant d’économiser l’eau en agriculture.

💧 Ensemble, préservons chaque goutte d’eau pour une agriculture plus durable !

13 OKTOBRA 2026 | FIKAROHANA SY FANAPARIAHANA MIARAKA AMIN'NY TANTSAHA ARY HO AN'NY TANTSAHA Tamin'ny 13 Oktobra 2026, d...
20/10/2026

13 OKTOBRA 2026 | FIKAROHANA SY FANAPARIAHANA MIARAKA AMIN'NY TANTSAHA ARY HO AN'NY TANTSAHA
Tamin'ny 13 Oktobra 2026, dia notanterahina ny fihaonana nifantoka tamin'ny fikarohana sy ny fanapariahana ara-pambolena miaraka amin'ny tantsaha ary ho an'ny tantsaha.
🤝 Ity hetsika ity dia fotoana iray nifampizarana traikefa sy fahalalana teo amin'ireo tantsaha mpikambana sy mpandray anjara amin'ny fikarohana miaraka amin'ny MIP , solontenan'ny Ministera, ireo rafitra sy tetikasa mpiara-miasa ary ny mpampianatra sy ny mpianatra eo anivon’ny anjerimanontolo momba ny hai-tao ara-pamokarana.
🌾 Nandritra ny fihaonana dia nasongadina ny fikarohana natao teny an-kianja, ny voka-pikarohana azo, ary ny maha-zava-dehibe ny fampifandraisana ny fikarohana amin'ny zava-misy sy ny filàn'ny tantsaha mba tena hisy fiantraikany amin’ny fanatsarana ny sehatra fambolena
🌱 Ny tanjona dia ny hanamafy hatrany ny fifanakalozana sy ny fiaraha-miasa eo amin'ireo mpisehatra rehetra eo amin'ny sehatry ny fambolena, mba hampiroboroboana ny fikarohana sy ny fampiharana ireo teknika mifanaraka amin'ny zava-misy eny an-tsaha.
Mankasitraka ireo tantsaha nandray anjara, ny Ministeran'ny fambolena sy ny fahaleovan-tena ara-tsakafo, ary ireo mpiara-miombon'antoka rehetra, ireo mpampianatra sy ny mpianatra rehetra nandray anjara tamin'ity hetsika ity.

--------------------------------------------//-----------------------

🌱 13 OCTOBRE 2026 | RECHERCHE ET VULGARISATION AVEC ET POUR LES PAYSANS
Le 13 octobre 2026 s’est tenue une rencontre consacrée à la recherche et à la vulgarisation avec et pour les paysans.
🤝 Cet événement a été l’occasion de partager des expériences et des connaissances entre les paysans membres et les participants aux activités de recherche menées avec le Minimal Irrigation Project (MIP), les représentants du ministère, les structures et projets partenaires, ainsi que les enseignants et les étudiants universitaires spécialisés dans les sciences agronomiques.
🌾 Au cours de cette rencontre, les recherches menées sur le terrain et les résultats obtenus ont été présentés. Les échanges ont également mis en évidence l’importance de rapprocher la recherche des réalités et des besoins des paysans, afin qu’elle contribue concrètement à l’amélioration du secteur agricole.
🌱 L’objectif est de renforcer les échanges et la collaboration entre l’ensemble des acteurs du secteur agricole, de promouvoir la recherche et de favoriser l’application de techniques adaptées aux réalités du terrain.
🙏 Nous remercions chaleureusement les paysans participants, le Ministère de l’Agriculture et de la Souveraineté alimentaire , l’ensemble de nos partenaires, ainsi que tous les enseignants et étudiants ayant pris part à cet événement.





Faly izahay nihaona sy nifampizara tamin'ireo mpiara-miasa, tantsaha, mpisehatra amin'ny fambolena ary mpitsidika rehetr...
15/09/2026

Faly izahay nihaona sy nifampizara tamin'ireo mpiara-miasa, tantsaha, mpisehatra amin'ny fambolena ary mpitsidika rehetra nandritra ny Foire Internationale de l’Agriculture (FIA) 2026.
🙏 Misaotra anareo rehetra tonga nitsidika ny tranohevan'ny Minimal Irrigation Project (MIP), nifampiresaka taminay ary nahaliana anareo ny asa natolotray.
🤝 Misokatra hatrany ny fiaraha-miasa amin'ireo mpiara-miasa sy tantsaha.
Ho an'izay manana tetikasa na filàna manokana, ny MIP dia afaka mandray ireo asa mikasika ny :
👉🏻Analyse de sol
👉🏻Imagerie drone multispectrale
👉🏻Fanajariana ny tany
Misaotra tamin'ny fahatokisana sy ny fahalianana nasehonareo. 🤝🌱 Vonona hatrany ny MIP hiara-hiasa aminareo!
------------------------------------------------------------------//-----------------------------------------------------------
Nous sommes heureux d’avoir rencontré et échangé avec nos partenaires, producteurs, acteurs du secteur agricole et visiteurs durant la Foire Internationale de l’Agriculture (FIA) 2026.

🙏 Merci à toutes celles et ceux qui sont venus visiter le stand du Minimal Irrigation Project (MIP), échanger avec notre équipe et découvrir nos activités et services.

🤝 La collaboration reste ouverte avec nos partenaires et les producteurs.
Pour vos projets et vos besoins, le MIP propose des services dans les domaines suivants :
👉🏻 Analyse de sol
👉🏻 Imagerie drone multispectrale
👉🏻Aménagement du terrain
Merci pour votre confiance et votre intérêt. 🤝🌱 Le MIP reste ouvert à de nouvelles collaborations !



🌱 FIA 2026 | JOUR 1 — Le MIP est au rendez-vous !📍 C’est parti pour la première journée du FIA 2026 !Le Minimal Irrigati...
10/09/2026

🌱 FIA 2026 | JOUR 1 — Le MIP est au rendez-vous !

📍 C’est parti pour la première journée du FIA 2026 !

Le Minimal Irrigation Project (MIP) participe à cette grande rencontre dédiée à l’agriculture, à l’innovation et au développement du secteur agricole à Madagascar.

💧🌾 À travers notre participation, nous vous faisons découvrir nos approches et solutions autour de l’irrigation minimale, de la digitalisation de l’agriculture, de l’agroécologie et de la recherche au service des producteurs.

🤝 Venez échanger avec notre équipe, découvrir nos innovations et en apprendre davantage sur les solutions développées pour accompagner les agriculteurs face aux défis actuels.

98-99

👉 Rendez-vous au FIA pour rencontrer le MIP !








📍 Retrouvez-nous au stand du MIP au CCI Ivato.📢 Le Minimal Irrigation Project (MIP) sera présent à la 8ᵉ édition de la F...
09/09/2026

📍 Retrouvez-nous au stand du MIP au CCI Ivato.
📢 Le Minimal Irrigation Project (MIP) sera présent à la 8ᵉ édition de la Foire Internationale de l’Agriculture, de l’Élevage et de la Pêche (FIA 2026) !

📅 Du 10 au 13 septembre 2026
📍 CCI Ivato

👉 Venez découvrir, échanger et partager avec nous autour des solutions pour une agriculture productive et durable à Madagascar !
Rendez-vous au CCI Ivato ! 🌱🇲🇬

📣 Fanairana  : Manana iray volana isika hanatanterahana ity, amin'ny fotoana lehibe hiarahana amin'ny  Irrigation projec...
02/09/2026

📣 Fanairana : Manana iray volana isika hanatanterahana ity, amin'ny fotoana lehibe hiarahana amin'ny Irrigation project moa ny fanolorana ny loka lehibe ho an'ireo izay sahaza izany

Manentana antsika hisoratra anarana

🚨 FARANY !
📅 Daty farany amin’ny fanomezana : 30 Septambra 2026

Tantsaha, mpamorona, teknisianina…
Ny vahaolanao amin’ny fanondrahana mahomby, mitahiry rano ary eo an-toerana dia afaka manova ny zava-misy eto Madagasikara !

💧 Fitantanana tsara ny rano = famokarana mitohy + fahafahana mahavelona tena

🌾 Fifaninanana Tsinjorano – Fanondrahana mahomby sy mitahiry rano

✅ Maimaimpoana
✅ Misokatra ho an’ny rehetra
✅ Toerana manodidina ny 0,1–2 ha
✅ Ny faritra rehetra

👉 Skanéo ny kaody QR na midira ao amin’ny tsinjorano.mg ary alefaso ny vahaolanao ankehitriny !

Mpiara-miasa :
MiASA • Tranoben’ny Tantsaha Mpamokatra • ABC • Aqua Alimenta • FTA

🚨 DERNIÈRE LIGNE DROITE !
📅 Date limite de soumission : 30 septembre 2026

Paysans, innovateurs, techniciens…
Votre solution d’irrigation intelligente, économique et locale peut changer la donne pour Madagascar !

💧 Bonne gestion de l’eau = production continue + autosuffisance alimentaire

🌾 Concours Tsinjorano – Irrigation efficiente et économe

✅ Gratuit
✅ Ouvert à tous
✅ Exploitations/terrain 0,1 à 2 ha
✅ Toutes les régions

👉 Scannez le QR code ou allez sur tsinjorano.mg et soumettez votre solution dès maintenant !

Partenaires :
MiASA • Tranoben’ny Tantsaha Mpamokatra • ABC • Aqua Alimenta • FTA

'ny_Tantsaha_Mpamokatra

📊 Inona avy ireo teknika tsara nandraisana lesona sy nokarohina elaela Kely izay ?Ato amin’ity tabilao famerenana ny tek...
14/08/2026

📊 Inona avy ireo teknika tsara nandraisana lesona sy nokarohina elaela Kely izay ?
Ato amin’ity tabilao famerenana ny teknika sy vokatra ity dia atambatra ireo voka-pikarohana azo tamin’ny voly samihafa izay natao andrana

Ny tanjonay: hampita teknika tsotra, azo ampiharina ary mifanaraka amin’ny zava-misy eny an-tsaha, mba hanampiana ny tantsaha hampitombo ny vokatra sady hitsitsy rano sy hampihena ny fandaniana.
🌾 Ny fikarohana dia lasa vahaolana rehefa zaraina sy ampiharina eny an-tsaha.
📌 Araho hatrany ny pejy Minimal Irrigation Project hahafantaranao ireo voka-pikarohana sy torohevitra azo ampiharina ho an’ny fambolena maharitra💬 Araka ny hevitrao, iza amin’ireo teknika ireo no tena mahaliana anao?

📊 Quelles sont les techniques que nous avons pu tester et étudier plus en profondeur ces derniers temps ?
Dans ce tableau récapitulatif des techniques et des résultats, nous présentons les résultats des recherches obtenus sur différentes cultures qui ont fait l’objet d’expérimentations.
🎯 Notre objectif : partager des techniques simples, applicables et adaptées aux réalités du terrain, afin d’aider les agriculteurs à augmenter leur rendement tout en économisant l’eau et en réduisant les dépenses.
🌾 La recherche devient une solution lorsqu’elle est partagée et mise en pratique sur le terrain.
📌 Suivez la page Minimal Irrigation Project pour découvrir nos résultats de recherche et des conseils pratiques en faveur d’une agriculture durable.
💬 Selon vous, laquelle de ces techniques vous semble la plus intéressante ?






🔬 FIKAROHANA AN-DALANAMitovy ve ny fahombiazan'ny Oya rehetra amin'ny fitahirizana sy fitsitsiana rano?Io no iray amin'i...
06/08/2026

🔬 FIKAROHANA AN-DALANA
Mitovy ve ny fahombiazan'ny Oya rehetra amin'ny fitahirizana sy fitsitsiana rano?
Io no iray amin'ireo fanontaniana ezahin'ny Minimal Irrigation Project (MIP) valiana ihany koa amin'izao fotoana izao.

Ao amin'ny toeram-pikarohana dia andramana sy ampitahaina ireo Oya vita amin'ny akora samihafa, mba hahitana hoe iza no:

💧 Mahavita mitsitsy rano indrindra.
🌱 Mahavita mitazona ny hamandoan'ny tany ela kokoa.
🥬 Mahasoa indrindra amin'ny fitomboan'ny voly.

Mandritra ny fikarohana dia refesina sy arahina akaiky:
✅ Ny habetsahan'ny rano avoakan'ny Oya.
✅ Ny hamandoan'ny tany manodidina azy.
✅ Ny rano lanin'ny voly.
✅ Ny fitomboan'ny salady, izay voly ataonay eo aminy amin'izao

🎯 Ny tanjona dia ny hahitana karazana Oya mora amboarina, mahomby ary mety amin'ny tantsaha eto Madagasikara.
📢 Mbola mitohy ny fikarohana...

👉 Hozarainay eto amin'ny pejy tsikelikely ny fizotry ny fikarohana

👀 Araho hatrany ny pejy Minimal Irrigation Project (MIP) mba tsy ho tara amin'ireo vokatra vaovao.

📍 Liana hahita mivantana ity fikarohana ity ve ianao?
Tongava mitsidika ny toeram-pikarohanay ary jereo akaiky ireo teknolojia fitsitsiana rano andrana eny an-tsaha.
🤝 Faly izahay mandray anao sy mizara ireo traikefa
📩 Aza misalasala mifandray aminay raha te handamina fitsidihana.

---------------
🔬 RECHERCHE EN COURS
Toutes les jarres d'irrigation (Oya) ont-elles la même efficacité pour économiser l'eau ?
C'est la question à laquelle le Minimal Irrigation Project (MIP) cherche actuellement à répondre.

Minimal Irrigation Project compare plusieurs types d'Oya fabriqués avec différentes compositions de matériaux, afin d'identifier celui qui offre les meilleures performances.

Au cours de cette recherche, nous évaluons notamment :
💧 La quantité d'eau diffusée par chaque Oya.
🌱 Le niveau d'humidité du sol autour des jarres.
🥬 La consommation d'eau des cultures.
📏 La croissance de la laitue

🎯 L'objectif est d'identifier une Oya efficace, durable, peu coûteuse et facilement reproductible par les agriculteurs malgaches.

📢 La recherche est actuellement en cours.
👉 Les différentes étapes et les observations seront publiés progressivement sur notre page.
👨‍🌾 Envie de voir les Oya en fonctionnement ?
Venez visiter notre parcelle de recherche et découvrez comment différentes technologies d'irrigation minimale sont évaluées dans des conditions réelles.
💧 Une occasion d'échanger avec notre équipe et de découvrir des solutions innovantes pour économiser l'eau.
📍 N'hésitez pas à nous contacter pour organiser une visite !





VALIM-PIKAROHANA 2🌱 Inona no tena antony mahatonga ny ravina poireaux ho maina ? Io no iray amin'ireo fanontaniana napet...
28/07/2026

VALIM-PIKAROHANA 2

🌱 Inona no tena antony mahatonga ny ravina poireaux ho maina ?

Io no iray amin'ireo fanontaniana napetraky ny tantsaha, ka novalian'ny fikarohana nataon'ny Minimal Irrigation Project (MIP) tao Ambalamahasoa, niaraka tamin'ireo tantsaha mpiara-miombon'antoka.

🔬 Nandritra ny fikarohana dia nodinihina ireo antony mety mahatonga ny fahamainan'ny ravina (dessèchement foliaire), indrindra ny fiantraikan'ny bibikely sy ny aretina, ary notsapaina ihany koa ireo teknika hiarovana ny voly.

🔬 Taorian'ny fikarohana dia hita fa :
✅ Ny bibikely (Thrips sy Teignes) no isan'ireo antony lehibe mahatonga ny fahasimban'ny ravina sy ny fihenan'ny vokatra.
✅ Hita ihany koa fa ny fiarovana ara-potoana amin'ny fampiasana B-NIMO na vahaolana Neem, miaraka amin'ny fikarakarana tsara ny voly, dia nahazo vokatra tsara indrindra.

👉 Izany teknika izany dia :
🌿 Mampihena fahamainan'ny ravina izay miteraka ny fahasimbany.
🌿 Mampihena ny fihanaky ny bibikely sy ny aretina.
🌿 Manampy ny poireaux hitombo salama sy matanjaka.
🌿 Manatsara ny kalitaon'ny vokatra.
🌿 Mampitombo ny vokatra azo.

📌 Manoro hevitra ihany koa ny fikarohana mba :
✔️ Hanomana tsara ny tany alohan'ny fambolena.
✔️ Hampiasa zezika organika efa masaka tsara.
✔️ Hanaja ny elanelam-pambolena 25 sm × 15 sm.
✔️ Hanondraka indray mandeha isaky ny telo andro, arakaraka ny toetry ny tany.
✔️ Hanara-maso tsy tapaka ny fisian'ny bibikely sy ny soritr'aretina.
✔️ Hanala sy handoro avy hatrany ireo ravina marary mba hisorohana ny fiparitahan'ny aretina.
✔️ Hampihatra fiarovana ara-potoana amin'ny B-NIMO na fanafody azo avy amin'ny Neem (voandelaka am-bazaha) , indrindra amin'ny dingana voalohan'ny fisehon'ny bibikely.

🎯 Ireo torohevitra ireo dia vokatry ny fikarohana natao teny an-tsaha, mba hanomezana teknika tsotra, mahomby ary mora ampiharina ho an'ny tantsaha

RÉSULTAT DE RECHERCHE N°2

🌱 Quelle est la principale cause du dessèchement des feuilles du poireau?

C'est l'une des questions que se posaient les agriculteurs. Le Minimal Irrigation Project (MIP) y a répondu grâce à une recherche menée à Ambalamahasoa, en collaboration avec les producteurs partenaires.

🔬 Au cours de cette étude, les chercheurs ont identifié les principaux facteurs responsables du dessèchement foliaire, en particulier les ravageurs et les maladies, tout en évaluant différentes méthodes de protection de la culture.
🔬 Les résultats de la recherche montrent que :
✅ Les thrips et les teignes figurent parmi les principaux ravageurs responsables des dégâts sur les feuilles et de la diminution du rendement.
✅ L'étude a également démontré qu'une protection préventive à l'aide de B-NIMO ou d'une solution à base de Neem, associée à de bonnes pratiques culturales, permet d'obtenir les meilleurs résultats.

👉 Cette technique permet de :
🌿 Réduire les dégâts causés aux feuilles.
🌿 Limiter les attaques de ravageurs et le développement des maladies.
🌿 Favoriser une croissance saine et vigoureuse des poireau
🌿 Améliorer la qualité de la récolte.
🌿 Augmenter le rendement de la culture.

📌 L'étude recommande également de :

✔️ Bien préparer le sol avant la plantation.
✔️ Utiliser une fumure organique bien décomposée.
✔️ Respecter un espacement de plantation de 25 cm × 15 cm.
✔️ Irriguer une fois tous les trois jours, selon l'état du sol.
✔️ Surveiller régulièrement la présence des ravageurs et des symptômes de maladies.
✔️ Éliminer et brûler immédiatement les feuilles malades afin de limiter la propagation des maladies.
✔️ Appliquer une protection préventive avec B-NIMO ou une solution à base de Neem, dès les premiers signes de présence des ravageurs.

🎯 Ces recommandations sont issues d'une recherche réalisée directement sur le terrain afin de proposer aux agriculteurs des techniques simples, efficaces et adaptées à leurs conditions de production.

Address

Ecovillage Mahavariana
Talata-Volonondry
103

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Minimal Irrigation Project - Madagascar posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Organization

Send a message to Minimal Irrigation Project - Madagascar:

Shortcuts

Share