Mpanazava Faritany Anôsy

Mpanazava Faritany Anôsy Fikambanana manabe sy manolokolo ankizivavy sy zatovovavy mba ho vavolombelon'i Jesoa Kristy, ho olom-pirenena vanona sy ho andrin'ny fianakaviana.

Mpanazava Eto Madagasikara

20/07/2026

« 𝑲𝒐𝒂 𝒍𝒂𝒛𝒂𝒊𝒌𝒐 𝒂𝒎𝒊𝒏𝒂𝒓𝒆𝒐: 𝑵𝒂 𝒊𝒏𝒐𝒏𝒂 𝒏𝒂 𝒊𝒏𝒐𝒏𝒂 𝒕𝒐𝒏𝒐𝒏𝒊𝒏𝒂𝒓𝒆𝒐 𝒂𝒎𝒊𝒏'𝒏𝒚 𝒇𝒊𝒗𝒂𝒗𝒂𝒉𝒂𝒏𝒂 𝒔𝒚 𝒂𝒏𝒈𝒂𝒕𝒂𝒉𝒊𝒏𝒂𝒓𝒆𝒐, 𝒅𝒊𝒂 𝒎𝒊𝒏𝒐𝒂 𝒇𝒂 𝒆𝒇𝒂 𝒏𝒂𝒏𝒅𝒓𝒂𝒚 𝒊𝒂𝒏𝒂𝒓𝒆𝒐, 𝒅𝒊𝒂 𝒉𝒐 𝒂𝒛𝒐𝒏𝒂𝒓𝒆𝒐 𝒊𝒛𝒂𝒏𝒚. » — Marka 11 : 24

Efa mikatroka any amin'ny toeram-panadinana samihafa any izao ireo mpiadina.

Andao apetrak'isika amin'ny Tompo ny andro rehetra izay hiatrehan'izy ireo ny fanadinana.

Ry mpiadina Baccalauréat, efa hitan'i Jesosy ny ezak'ise hatrizay hatramin'izao. Izy homba an'ise tsirairay avy. Mirary soa ✨

Avia re , Tongasoa ny lasy nandrasana ela be Isaorana an’Andriamanitra fa isany mandray anjara amin’ny Fandia Mivela ny ...
14/07/2026

Avia re , Tongasoa ny lasy nandrasana ela be

Isaorana an’Andriamanitra fa isany mandray anjara amin’ny Fandia Mivela ny Faritany Anôsy 🤩

Araho an-tsary ary e :)

Mahatsiaro am-bavaka ho an’ise izay hanala fanadinana BEPC  😇🙏🏻
06/07/2026

Mahatsiaro am-bavaka ho an’ise izay hanala fanadinana BEPC 😇🙏🏻

🌟 Ry mpiadina BEPC 2026,

Efa nianatra tsara ise e ? ☺️
Apetraho amin'ny Tompo ary ny zavatra rehetra, vitao tsara izay anjaran'ise dia avelao Izy hiasa ✨

Fa marina amin'ny teniny mandrakariva Izy hoe : « Ankino amin'i Jehovah ny lalanao, ary matokia Azy, fa hataony tanteraka.» Sal 37 : 5

Vitan'ise io 💪

🎯 Madagasikara madio no tanjona, Faradofay madio no tanjona 🇲🇬👉 Ao anatin'ny hetsika fankalazana ny fahaleovan-tenan'i M...
21/06/2026

🎯 Madagasikara madio no tanjona, Faradofay madio no tanjona 🇲🇬

👉 Ao anatin'ny hetsika fankalazana ny fahaleovan-tenan'i Madagasikara ka nisy ny fanadiovana faobe manerana ny Nosy izay notanterahina omaly 20 Jona 2026 ka tsy diso anjara amin'izany isika eto Faradofay!

✨Teo amin'ny CHRR Amboanato sy ny tsena Agnivorano no nanatanterahina ny fanadiovana izay nandraisan'ny sehatra rehetra anjara ka ny fitaleavam-paritry ny rano sy fidiovana ary fanadiovana no nitarika izany. Tonga niatrika izany ihany koa ny Lehiben'ny Faritra Anôsy sy ny lehiben'ny sampan-draharaham-panjakana maro, ny sehatra tsy miankina, ny firaisamonim-pirenenana ary ny olom-pirenena.

🌟 Fanadiovana sy ny fanaovana zaridaina ary fanamafisana fanentanana no natao ka nandray andraikitra feno amin'ity asa firotsahana lehibe ity ny Mpanazava Faritany Anôsy 🙏❤️



11/06/2026

🔥 𝗔𝗙𝗢 𝟴𝟬 𝗧𝗔𝗢𝗡𝗔 – 𝗠𝗜𝗢𝗠𝗔̀𝗡𝗔 𝗛𝗜𝗟𝗔𝗦𝗬, 𝗠𝗜𝗢𝗠𝗔̀𝗡𝗔 𝗛𝗜𝗥𝗢𝗗𝗢! 🔥

📣 Ny 2 ka hatramin’ny 6 aogositra 2026 any Madiorano Toliara no fotoanantsika.

🏕️ Fiainana an-dasy, rodorodo, fiombonana ary fankalazana an'Andriamanitra no isan'ny hiandry antsika mandritra ireo dimy andro ireo. Koa manentana ny Afo rehetra hiomana sahady amin’ny fisoratana anarana sy ny fandaminana rehetra ilaina.

☘ 𝗙𝗮𝗿𝗮-𝗳𝗶𝘀𝗼𝗿𝗮𝘁𝗮𝗻𝗮 𝗮𝗻𝗮𝗿𝗮𝗻𝗮 : 𝟭𝟬 𝗷𝗼𝗹𝗮𝘆 𝟮𝟬𝟮𝟲 (𝗶𝘀𝗮𝗺-𝗽𝗮𝗿𝗶𝘁𝗮𝗻𝘆)

💻 Ho fanampiana ny fanazavana sy hamaliana ireo fanontaniana mety manitikitika momba ity hetsika lehibe ity, dia hisy fizaram-baovao an-jotra (webinaire) amin’ny Alarobia 17 Jona 2026 amin’ny 6 ora sy sasany hariva (18h30). Manasa ny Afo sy ny Filoha Sampana rehetra izay afaka hanatrika izany fotoana izany. Ity ny rohintsika : https://meet.jit.si/TafatafaMpanazava

Azon'ise vakiana ato kosa ny taratasy ahitana ireo andinindininy rehetra : https://drive.google.com/file/d/1zCnSICuyt83ZnTrIiQg1p8XCeGxCKMEu/view?usp=drive_link

🔥 “Satria Velona aho dia velona koa ianareo.”

✨️ FANEKENA MPIANDRAIKITRA MPANAZAVA SY TILY ✨️     Misaotra an'Andriamanitra lehibe fa tontosa soa aman-tsara anio Alah...
01/06/2026

✨️ FANEKENA MPIANDRAIKITRA MPANAZAVA SY TILY ✨️

Misaotra an'Andriamanitra lehibe fa tontosa soa aman-tsara anio Alahady 31 May 2026 tao amin'ny FJKM Salema Vaovao ny fampanaovana fanekena Mpiandraikitra an'i:
💛 Myna Kanty - Mpiandraikitra Voronkely
🟢 Kirandy Mahintsy(Tily)- Mpiandraikitra Tily Maitso

Mirary soa anareo amin'izao andraikitra lehibe noraisinareo izao ary mahefà be mandrakariva. 🙏

Mankasitraka ny KOPA, ireo Ekipam-paritany Mpanazava sy Tily, ireo Komitim-pivondronana ary ianareo vahiny rehetra tonga nanome voninahitra izany fotoana izany.

Ho an'Andriamanitra Irery ny voninahitra!

" Ataovy mpianatra ny firenena rehetra " Mat28:19b

🙏 FANEKENA MPIANDRAIKITRA MPANAZAVA SY TILY 🙏Ny Fivondronana Salema Vaovao dia faly manasa antsika aby hanotrona ny foto...
25/05/2026

🙏 FANEKENA MPIANDRAIKITRA MPANAZAVA SY TILY 🙏

Ny Fivondronana Salema Vaovao dia faly manasa antsika aby hanotrona ny fotoam-bavaka izay hanaovana ny fanekena ireo mpiandraikitra Mpanazava sy Tily 🌟

📅 Alahady 31 May 2026
⏰ Amin’ny 08 ora Sy sasany maraina
⛪ Ao amin’ny Fiangonana Salema Vaovao

✨ “Aoka hirehetra ny jironareo”📖 Lioka 12:35
✨ “Ataovy mpianatra ny firenena rehetra”📖 Matio 28:19b

Tongava ary hanohana sy hiaraka hivavaka e🙏

🙏✨ Voninahitra ho an’Andriamanitra lehibe fa tontosa soa aman-tsara ny Sabotsy  faha-23 May ny fankalazaña ny Herinandro...
25/05/2026

🙏✨ Voninahitra ho an’Andriamanitra lehibe fa tontosa soa aman-tsara ny Sabotsy faha-23 May ny fankalazaña ny Herinandron’ny Mpanazava teto amin’ny Faritany Anôsy 💚💛
Tena hita fa nianoka fotoana ny rehetra ,na ireo beazina izany na ireo nasaina 😍✨

Anisan’ny lohahevim-panabeazaña namafisina tao anatin’izany :
📱 Ny fikirakirana ny tambazotra an-tserasera am-pahamendrehana “Surf Smart”
💙 Ny ady amin’ny vohoka aloha loatra
🎤 Ary ny “Zaha Talenta” ho an’ireo beazina sy mpiandraikitra

✨ “Viavy mahefa, miaina am-pitia, mamela marika” ✨

🙏 Isaoraña manokana ny avy ao amin’ny Fitaleavam-Paritry Ny Fahasalamam-Bahoaka Anosy fa nitondra fanentanaña mahakasika ny ady amin’ny vohoka aloha loatra 👏💙

🙏 Isaoraña ihany koa ny avy ao amin’ny TLM izay nampita hafatra sy fanabeazaña tamin’ny alalan’ny marionnette 🎭✨

Mankasitraka antsika rehetra izay namaly ny antso Sy ireo rehetra izay nikarakara ny fotoana 🤩🤩




23/05/2026

✨🙏 Misaotsy an' Andriamanitra lehibe tsika riaha fa vita tandroany gny fankalaza gny herignandron'ny gny Mpanazava teto amy faritany Anôsy.

Agnisan'ny lohahevitsy nagnabeaza nagnahiva sahan'asa tandroany gny mahakasiky gny Aly amy gny
Vohoky aloha loatsy, ka no tsy afaky hanao tandroany dra itihoky araho ato agnatin'ity horognan-tsary tihoky ze raha nisy tao.

Isora ry zareo ao amy gny LTM ninday an'izay tamy gny Marionnette😇🙌

Dra samia miaro-tegna aby tsika riaha, mianara soa aheky.👍👌





Akory iaby riaha Ato no tafatafa izay iarahana amin’ny Mpanazava Eto Madagasikara oooo☺️
23/05/2026

Akory iaby riaha

Ato no tafatafa izay iarahana amin’ny Mpanazava Eto Madagasikara oooo☺️

✨ Andro faha 6 amin'ny herinandron'ny Mpanazava ny androany : Mpanazava mahay mifandray aho✨

💁‍♀️ 𝗔𝗻𝗱𝗮𝗼 𝗵𝗶𝗳𝗮𝗻𝗱𝗿𝗮𝘆 𝗿𝗮𝗵𝗮𝗺𝗽𝗶𝘁𝘀𝗼 𝘀𝗮𝗯𝗼𝘁𝘀𝘆 !!! Ahoana raha mba asiantsika tafatafan'ny Mpanazava manerana an'i Madagasikara? ☘ Andao hampiasaintsika ny teknolojia hampiray antsika, na mifanalavitra aza. 🤗

Na avy any Atsimo ise, na Avaratra, na Atsinanana, na Andrefana, eny fa na dia any am-pitan-dranomasina aza; na Voronkely, na Filoha, na Mpiandraikitra sns... dia Mpanazava iray isika 💙

👉 Firy izao ny namana Mpanazava fantatr'ise ivelan’ny fivondronanareo?
Antsoy izy ireo hiaraka amintsika rahampitso hifampizara manodidina karazana lohahevitra maro.

👉 𝗦𝗮𝗯𝗼𝘁𝘀𝘆 𝟮𝟯 𝗺𝗮𝘆 𝗮𝗺𝗶𝗻'𝗻𝘆 𝟲 𝗼𝗿𝗮 𝗵𝗮𝗿𝗶𝘃𝗮 𝗮𝗼 𝗮𝗺𝗶𝗻'𝗻𝘆 𝘁𝗮𝗳𝗮𝘁𝗮𝗳𝗮 𝗮𝗻-𝗷𝗼𝘁𝗿𝗮 𝗮𝗺𝗶𝗻'𝗶𝘁𝘆 𝗿𝗼𝗵𝘆 𝗶𝘁𝘆 : https://meet.jit.si/TafatafaMpanazava

🌍 Kolontsaina sy fiizina Mpanazava
🌟 Nofinofy sy tanjona
🎶 Hira sy fanentanana
📰 Vaovao sy zava-misy
🛡️ Fiarovana sy zon’ny ankizivavy

💬 Safidio dieny izao àry izay lohahevitra mety amin'ise 😇 Andao hifampizara, hifankahery ary hamela marika amin’ny alalan’ny fifandraisana tsara sy mahasoa.

Address

Tôlagnaro

Telephone

+261346560213

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Mpanazava Faritany Anôsy posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Organization

Send a message to Mpanazava Faritany Anôsy:

Shortcuts

Share