Mpanazava Faritany Anôsy

Call Directions Contact the organization

Mpanazava Faritany Anôsy Fikambanana manabe sy manolokolo ankizivavy sy zatovovavy mba ho vavolombelon'i Jesoa Kristy, ho olom-pirenena vanona sy ho andrin'ny fianakaviana.

Mpanazava Eto Madagasikara

✨ Tsaroantsika ambavaka ireo filohantsika Mpanazava Faritany Anôsy izay hamonjy ny fiofanana any Antananarivo manomboka ...
08/10/2026

✨ Tsaroantsika ambavaka ireo filohantsika Mpanazava Faritany Anôsy izay hamonjy ny fiofanana any Antananarivo manomboka anio 8 ka hatramin'ny 11 Oktobra 2026 🙏

🎯 Hiatrika ny fiofanana Filoham-paritany sy ny Filoham-paritany mpanampy ary koa filohan'ny Fanabeazana izy ireo satria zava-dehibe ny fanolorana fandaharam-panabeazana tsara kalitao sy mifanaraka amin'ny vanim-potoana. 😊

Hotahin'i Tompo ianareo filoha Galidia Sitraka Randrembason sy Baotodisoa Meline Robert Gabrielle 🔥




🎯 Fivoriana voalohany ho fanomanana ny taom-panabeazana 2026 - 2027 ✅Zava-dehibe ho an'ny fanabeazana ny ankizivavy eto ...
07/10/2026

🎯 Fivoriana voalohany ho fanomanana ny taom-panabeazana 2026 - 2027 ✅

Zava-dehibe ho an'ny fanabeazana ny ankizivavy eto anivon'ny Mpanazava Faritany Anôsy ny famolavolana fandaharana mamaly ny filana sy mifanaraka amin'ny toe-java-misy ka izany indrindra no ivon'ny fihaonana voalohany teo amin'ny ekipam-paritany ny Sabotsy 03 Oktobra 2026 lasa teo🙏

👉 Nanaovana jery todika ny taom-panabeazana lasa ka nahafahana namoaka ireo tsara tokony ho tohizana sy ny lesoka rehetra mila ialana ary indrindra nandraisana soso-kevitra vaovao hanatsarana ny hoavy ❤️

Nisy ihany koa ny fiaraha-miombom-bavaka ho fametrahana eo ampelatanan'Andriamanitra ny asa fanompoana ary ny fiainam-bondrona tena mamy 🙏🔥




𝗙𝗔𝗡𝗘𝗞𝗘𝗡𝗔 𝗠𝗣𝗜𝗔𝗡𝗗𝗥𝗔𝗜𝗞𝗜𝗧𝗥𝗔 𝘀𝘆 𝗙𝗔𝗡𝗢𝗟𝗢𝗥𝗔𝗡𝗔 𝗧𝗢𝗡𝗜𝗔𝗠-𝗣𝗜𝗩𝗢𝗡𝗗𝗥𝗢𝗡𝗔𝗡𝗔 Manasa an'ise ho tonga maro hiaraka hanome voninahitra an'Andr...
21/09/2026

𝗙𝗔𝗡𝗘𝗞𝗘𝗡𝗔 𝗠𝗣𝗜𝗔𝗡𝗗𝗥𝗔𝗜𝗞𝗜𝗧𝗥𝗔 𝘀𝘆 𝗙𝗔𝗡𝗢𝗟𝗢𝗥𝗔𝗡𝗔 𝗧𝗢𝗡𝗜𝗔𝗠-𝗣𝗜𝗩𝗢𝗡𝗗𝗥𝗢𝗡𝗔𝗡𝗔
Manasa an'ise ho tonga maro hiaraka hanome voninahitra an'Andriamanitra ny:

🗓️Alahady : 27 Septambre 2027
🕢Ora: 9ora maraina
🏠Toerana: FLM Fihaonana

Tsarovy am-bavaka ny fotoana 🙏

📷 Tily Faritany Anôsy

05/09/2026
20/07/2026

« 𝑲𝒐𝒂 𝒍𝒂𝒛𝒂𝒊𝒌𝒐 𝒂𝒎𝒊𝒏𝒂𝒓𝒆𝒐: 𝑵𝒂 𝒊𝒏𝒐𝒏𝒂 𝒏𝒂 𝒊𝒏𝒐𝒏𝒂 𝒕𝒐𝒏𝒐𝒏𝒊𝒏𝒂𝒓𝒆𝒐 𝒂𝒎𝒊𝒏'𝒏𝒚 𝒇𝒊𝒗𝒂𝒗𝒂𝒉𝒂𝒏𝒂 𝒔𝒚 𝒂𝒏𝒈𝒂𝒕𝒂𝒉𝒊𝒏𝒂𝒓𝒆𝒐, 𝒅𝒊𝒂 𝒎𝒊𝒏𝒐𝒂 𝒇𝒂 𝒆𝒇𝒂 𝒏𝒂𝒏𝒅𝒓𝒂𝒚 𝒊𝒂𝒏𝒂𝒓𝒆𝒐, 𝒅𝒊𝒂 𝒉𝒐 𝒂𝒛𝒐𝒏𝒂𝒓𝒆𝒐 𝒊𝒛𝒂𝒏𝒚. » — Marka 11 : 24

Efa mikatroka any amin'ny toeram-panadinana samihafa any izao ireo mpiadina.

Andao apetrak'isika amin'ny Tompo ny andro rehetra izay hiatrehan'izy ireo ny fanadinana.

Ry mpiadina Baccalauréat, efa hitan'i Jesosy ny ezak'ise hatrizay hatramin'izao. Izy homba an'ise tsirairay avy. Mirary soa ✨

Avia re , Tongasoa ny lasy nandrasana ela be Isaorana an’Andriamanitra fa isany mandray anjara amin’ny Fandia Mivela ny ...
14/07/2026

Avia re , Tongasoa ny lasy nandrasana ela be

Isaorana an’Andriamanitra fa isany mandray anjara amin’ny Fandia Mivela ny Faritany Anôsy 🤩

Araho an-tsary ary e :)

Mahatsiaro am-bavaka ho an’ise izay hanala fanadinana BEPC  😇🙏🏻
06/07/2026

Mahatsiaro am-bavaka ho an’ise izay hanala fanadinana BEPC 😇🙏🏻

🌟 Ry mpiadina BEPC 2026,

Efa nianatra tsara ise e ? ☺️
Apetraho amin'ny Tompo ary ny zavatra rehetra, vitao tsara izay anjaran'ise dia avelao Izy hiasa ✨

Fa marina amin'ny teniny mandrakariva Izy hoe : « Ankino amin'i Jehovah ny lalanao, ary matokia Azy, fa hataony tanteraka.» Sal 37 : 5

Vitan'ise io 💪

🎯 Madagasikara madio no tanjona, Faradofay madio no tanjona 🇲🇬👉 Ao anatin'ny hetsika fankalazana ny fahaleovan-tenan'i M...
21/06/2026

🎯 Madagasikara madio no tanjona, Faradofay madio no tanjona 🇲🇬

👉 Ao anatin'ny hetsika fankalazana ny fahaleovan-tenan'i Madagasikara ka nisy ny fanadiovana faobe manerana ny Nosy izay notanterahina omaly 20 Jona 2026 ka tsy diso anjara amin'izany isika eto Faradofay!

✨Teo amin'ny CHRR Amboanato sy ny tsena Agnivorano no nanatanterahina ny fanadiovana izay nandraisan'ny sehatra rehetra anjara ka ny fitaleavam-paritry ny rano sy fidiovana ary fanadiovana no nitarika izany. Tonga niatrika izany ihany koa ny Lehiben'ny Faritra Anôsy sy ny lehiben'ny sampan-draharaham-panjakana maro, ny sehatra tsy miankina, ny firaisamonim-pirenenana ary ny olom-pirenena.

🌟 Fanadiovana sy ny fanaovana zaridaina ary fanamafisana fanentanana no natao ka nandray andraikitra feno amin'ity asa firotsahana lehibe ity ny Mpanazava Faritany Anôsy 🙏❤️



11/06/2026

🔥 𝗔𝗙𝗢 𝟴𝟬 𝗧𝗔𝗢𝗡𝗔 – 𝗠𝗜𝗢𝗠𝗔̀𝗡𝗔 𝗛𝗜𝗟𝗔𝗦𝗬, 𝗠𝗜𝗢𝗠𝗔̀𝗡𝗔 𝗛𝗜𝗥𝗢𝗗𝗢! 🔥

📣 Ny 2 ka hatramin’ny 6 aogositra 2026 any Madiorano Toliara no fotoanantsika.

🏕️ Fiainana an-dasy, rodorodo, fiombonana ary fankalazana an'Andriamanitra no isan'ny hiandry antsika mandritra ireo dimy andro ireo. Koa manentana ny Afo rehetra hiomana sahady amin’ny fisoratana anarana sy ny fandaminana rehetra ilaina.

☘ 𝗙𝗮𝗿𝗮-𝗳𝗶𝘀𝗼𝗿𝗮𝘁𝗮𝗻𝗮 𝗮𝗻𝗮𝗿𝗮𝗻𝗮 : 𝟭𝟬 𝗷𝗼𝗹𝗮𝘆 𝟮𝟬𝟮𝟲 (𝗶𝘀𝗮𝗺-𝗽𝗮𝗿𝗶𝘁𝗮𝗻𝘆)

💻 Ho fanampiana ny fanazavana sy hamaliana ireo fanontaniana mety manitikitika momba ity hetsika lehibe ity, dia hisy fizaram-baovao an-jotra (webinaire) amin’ny Alarobia 17 Jona 2026 amin’ny 6 ora sy sasany hariva (18h30). Manasa ny Afo sy ny Filoha Sampana rehetra izay afaka hanatrika izany fotoana izany. Ity ny rohintsika : https://meet.jit.si/TafatafaMpanazava

Azon'ise vakiana ato kosa ny taratasy ahitana ireo andinindininy rehetra : https://drive.google.com/file/d/1zCnSICuyt83ZnTrIiQg1p8XCeGxCKMEu/view?usp=drive_link

🔥 “Satria Velona aho dia velona koa ianareo.”

✨️ FANEKENA MPIANDRAIKITRA MPANAZAVA SY TILY ✨️     Misaotra an'Andriamanitra lehibe fa tontosa soa aman-tsara anio Alah...
01/06/2026

✨️ FANEKENA MPIANDRAIKITRA MPANAZAVA SY TILY ✨️

Misaotra an'Andriamanitra lehibe fa tontosa soa aman-tsara anio Alahady 31 May 2026 tao amin'ny FJKM Salema Vaovao ny fampanaovana fanekena Mpiandraikitra an'i:
💛 Myna Kanty - Mpiandraikitra Voronkely
🟢 Kirandy Mahintsy(Tily)- Mpiandraikitra Tily Maitso

Mirary soa anareo amin'izao andraikitra lehibe noraisinareo izao ary mahefà be mandrakariva. 🙏

Mankasitraka ny KOPA, ireo Ekipam-paritany Mpanazava sy Tily, ireo Komitim-pivondronana ary ianareo vahiny rehetra tonga nanome voninahitra izany fotoana izany.

Ho an'Andriamanitra Irery ny voninahitra!

" Ataovy mpianatra ny firenena rehetra " Mat28:19b

Address

Tôlagnaro

Telephone

+261346560213

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Mpanazava Faritany Anôsy posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Organization

Send a message to Mpanazava Faritany Anôsy:

Shortcuts

Share