26/09/2023
"Miakara any an-tendrombohitra, ka makà hazo, ary ataovy ny trano, dia hankasitrahako izany, sady hankalazaina Aho, hoy Jehovah. "Hagay 1 : 8
Misaotra an'i Jesosy fa miroso hatrany ny asa fanavaozana sy fanamboarana ny FLM Toby Nenilava Faradofay .
Tonga nijery sy nanara-maso ny fizotry ny asa ireo mpitarika ny kaomisiona Fanorenana sy ny injeniera teknisiana anio talata faha 26/09/23 tolakandro.
Mitohy ny fanentanana antsika rehetra ny amin'ny fitondrana am-bavaka sy ny fanohanana amin'ny alalan'ny fandraisana anjara na ara-bola na ara-materialy na ara-kevitra.
Tsindriana sy marihina hatrany fa tsy ho an'ny Kristiana ato amin'ny Toby Nenilava irery ihany ity Fiangonana havaozina ity fa ho antsika Kristiana rehetra manerana an'ny Madagasikara sy manerana izao tontolo izao.
SOLI DEO GLORIA.