29/10/2022
Iza moa ilay hoe Soavinandriana Mandroso Ofisialy ? Inona ny hoe Soavinandriana Mandroso?
Soavinandriana Mandroso dia fikambanana niforona ny taona 2020, nitsangana ara-dalàna ny taona 2022 , fikambanana mifantoka manokana sy betsaka amin'ny fampivoarana sy fampandrosoana ny mponina sy tanànan'i Soavinandrina. Amin'ny lafiny maro ,misehatra amin'ny lafiny kolontsaina , fampianarana, sosialy, fanatanjahantena, fialamboly sy ny maro samihafa izay antoka sy fototrin'ny fampandrosoana.
Omena lanja manokana amin'izany ny fampandraisana andraikitra ny tanora izay ho avy ny tanana sy ny firenena .
Fikambanana tsimialonjafy, mandray ireo izay manana fahavonona feno ho amin'ny fampivoarana sy ny fifanampiana ary ny firaisan-kina.
Manana vina sy tanjona mazava izay ho velabelarina amin'ny mpikambana rehetra amin'ny fihaonana Voalohany atsy ho atsy .
☺️ Ka ho an'izay maniry handray handraikitra sy hifanolotanana amin'izany dia raisina antanandroa ,ary asaina hitsidika ny pejy
pejy izarana ny vaovao sy hifandraisana amin'ireo tompon'andraikitra .