31/05/2026
𝐀𝐥𝐚𝐡𝐚𝐝𝐲 31 𝐌𝐚𝐲 2026.
𝐅𝐄𝐓𝐈𝐍'𝐍𝐘 𝐑𝐄𝐍𝐘: 𝐓𝐄𝐑𝐀-𝐁𝐀𝐎 𝐌𝐈𝐈𝐒𝐀 11 𝐍𝐎 𝐍𝐀𝐇𝐀𝐙𝐎 𝐅𝐀𝐍𝐎𝐌𝐄𝐙𝐀𝐍𝐀
Nanolotra rô-patsa ho an'ireo Reny tera-bao teto amin'ny CSB II Sambava Centre sy teto amin'ny CHRR Besopaka ny fiadidian'ny Faritra SAVA niaraka amin'ny Prefektioran'i Sambava sy ny Point focal BNGRC-SAVA, izay nahitana ny fitaovana ampiasain'ny zaza, ronono ary savony, poudre savon.
Nahamafisiny ny , fa :
"Ny dia manankaiky ny vahoaka hatrany, satria fitiavana hombam-pahendrena no fanalahidin'ny fandrosoana.
Ny fiainana tokoa dia mandalo sedra sy fitsapana,fa rehefa mikiry sy mijoro ianao hanampy ny mpiray Tanindrazana dia tsy maintsy tratra ny tanjona.
Amin’izao Fetin’ny Reny izao, dia amin’ny Fo feno fankasitrahana no anolorako firariantsoa ho antsika rehetra.
Mirary Fetin’ny Reny feno hafaliana ary Andriamanitra anie hitahy sy hiaro antsika mandrakariva."
Nanotrona izao hetsika ara-tsosialy izao ny talen'ny Kabinetra ny Faritra SAVA, ny talem-paritry ny fahasalamam-bahoaka SAVA ary ny Médecin Chef hôpital CHRR Besopaka, izay nanamafy ny teny fankasitrahana sy fankatelemana tamin'izao hetsika izao.
🤝L'UNION FAIT LA FORCE 🤝