10/07/2026
Manoloana ny firongatry ny tranga fahaverezana, fakana an-keriny na famonoana olompirenena, ankizy, tanora, olon-dehibe, olona manana toetena varira eto Madagasikara
Manoloana ny firongatry ny tranga fahaverezana, fakana an-keriny na famonoana olompirenena, ankizy, tanora, olon-dehibe, olona manana toetena varira, izay mampihorohoro sy mampanahy ny olompirenena amin'izao fotoana izao, dia maneho ny alahelony lalina sy miondrika am-panajana eo anoloan'ireo aina nafoy ny Firaisamonimpirenena. Maneho fiaraha-miory feno amin'ireo ray aman-dreny, fianakaviana ary havana izay namoy olon-tiana na mbola miaina ao anatin'ny tebiteby noho ny fanjavonan'ny havany ihany koa izahay.
Ireo tranga miseho ireo dia fanitsakitsahana ny zo hiaina ampilaminana sy ampitoniaina, ny zo hahazo fiarovana, ny zo hiaina ao anatin'ny fandriampahalemana, ny zo tsy iharan'ny herisetra, ary ny hasin'ny maha-olona, izay samy voarakitry ny lalàna velona sy ireo fifanarahana iraisam-pirenena momba ny zon'olombelona nankatoavin'i Madagasikara. Rehefa manjaka ny tahotra sy ny tsy fandriampahalemana dia voasakana ihany koa ny fahafahan'ny olompirenena mivezivezy, miasa, mianatra ary miaina amim-pahamendrehana ka vao maika hamparefo azy ao anatin’ny fahantrana lalina.
Manoloana izany, dia manameloka amin'ny fomba entitra ireo asa ratsy rehetra manitsakitsaka ny zo hiaina, ny zo hahazo filaminana ary ny hasin'ny maha-olona izahay. Tsy azo ekena ny fitohizan'ny herisetra sy ny heloka bevava izay mampitombo ny tahotra sy ny tsy fandriampahalemana eo amin'ny fiarahamonina ka tokony miara-misalahy ny rehetra hamongorana izany.
Miantso ny fanjakana sy ireo tompon'andraikitra rehetra misahana ny filaminam-bahoaka izahay mba handray andraikitra haingana sy entitra amin'ny fikarohana ireo olona mbola tsy hita, amin'ny famotorana ireo raharaha rehetra, ary amin'ny fisamborana sy fanenjehana ireo tompon'antoka araka ny lalàna. Takianay ihany koa ny hamoahana vaovao sy fanazavana marina, feno ary mangarahara a