FLED Région SAVA

Call Directions Contact the organization

FLED Région SAVA Femmes Leaders et Engagées pour le Développement dans la région SAVA

ANDRO IRAISAM-PIRENENA HO AN’NY VEHIVAVY AFRIKANINA (JIFA)Tsy latsa-danja tamin’ny fankalazana ny Andro Iraisam-pirenena...
01/08/2025

ANDRO IRAISAM-PIRENENA HO AN’NY VEHIVAVY AFRIKANINA (JIFA)

Tsy latsa-danja tamin’ny fankalazana ny Andro Iraisam-pirenena ho an’ny Vehivavy Afrikanina ny teto amin’ny Faritra SAVA. Ny loha-hevitra noraisina manokana tamin’ity taona ity dia: « L’élégance à l’Africaine » izay maneho ny hatsaran-tarehy sy ny hasin’ny vehivavy afrikanina amin’ny maha-izy azy, ao anatin’ny soatoavina sy ny kolontsaina manokana aminy.

Nandray anjara mavitrika tamin’ny fikarakarana ity hetsika ity ny fikambanana JCI sy ny ny Femmes Leaders et Engagées pour le Développement (FLED) ato amin’ny Faritra SAVA, teo ambany fiahian-dRamatoa vadin’ny Governoran’ny Faritra SAVA sy Ramatoa Talem-paritry ny Mponina sy ny Firaisankina.

Taorian’ny lanonam-panokafana tamin’ny fomba ofisialy dia nisy ny dinidinika narahin’adihevitra niompana tamin’ny lohahevitra hoe :
« Femmes d’Afrique, femme d’ici : un même combat pour l’autonomie »
(Vehivavy Afrikana, vehivavy eto an-toerana : ady iray ho an’ny fahaleovantena)

Nandritra ireo fifanakalozan-kevitra dia nipoitra mazava fa maro ireo vehivavy sahy mijoro sy efa miezaka manatratra ny fahaleovan-tena indrindra eo amin’ny lafiny ara-toekarena. Na izany aza
mbola maro ihany koa ny sakana atrehina sy ezaka ilaina atao hahatratrarana izany tanjona izany.

Santatra ambavarano ity fankalazana ity. Manomboka eto dia hatao laharam-pahamehana ny fanentanana sy fanohanana ireo vehivavy mba hahavita-tena ara-toekarena, hanatsara ny fari-pahaizana sy ny fahaiza-manaony, ary handray anjara amin’ny fomba feno eo anivon’ny fiaraha-monina.

Ny fandraisan’andraikitry ny vehivavy no antoky ny fiarahamonina mandroso sy mirindra.




Hafatra hoan’ny zatovo vavy
25/11/2024

Hafatra hoan’ny zatovo vavy

Les membres de l’association FLED sont heureuses de féliciter le Docteur Adelaïde VOLAMIARINA pour sa nomination au post...
03/10/2024

Les membres de l’association FLED sont heureuses de féliciter le Docteur Adelaïde VOLAMIARINA pour sa nomination au poste de Directeur Regional de la Santé publique, dans la Région SAVA. Bon vent

Félicitations à notre consoeur   qui vient d’être nommée au poste de Directeur Regional de la population et des solidari...
12/04/2024

Félicitations à notre consoeur qui vient d’être nommée au poste de Directeur Regional de la population et des solidarités.
Bon vent à vous.

Androany zoma faha 22 septembra 2023, no nanatanterahan’ny fikambanana « Femmes Leaders Engagées pour le Développement F...
22/09/2023

Androany zoma faha 22 septembra 2023, no nanatanterahan’ny fikambanana « Femmes Leaders Engagées pour le Développement FLED» ato amin’ny faritra SAVA ny fitsidiana aram-pomba ofisialy tao amin’ny Governora ny Faritra.

Naneo ny fahavononana handray andraikitra sy hampandroso ny Faritra SAVA indrindra indrindra ny vehivavy ary nampahafantatra ireo programan’asa ireo solon-tenan’ny mpikambana izay notarihin'ny filoha Ramatoa RANDRIANANTOANDRO Maea.

Namafisin’ny Governora fa iray lalàna amin’ny tajon’ny Faritra «Faritra SAVA Mandroso, tsy maintsy mandroso hatrany» ny programan’asa ny fikambanana.

Noho izany dia ho hisy hatrik’asa izay ho tanterahin’ny fikambanana miaraka amin’ny Faritra SAVA mba ahafahana mamolavola tahirinkevitra ahitana ny filan’ny vehivavy eny ifotony izay entina mandrafitra fandaharan'asa ho fanatsarana ny fandraisan’ny vehivavy anjara amin’ny fampivoarana ny Faritra.







Ny talata faha 21 janoary lasa teo no nanatanterahana ny AG tao amin'ny espace JOS Sambava centre ny FLED SAVA .Nandritr...
22/02/2023

Ny talata faha 21 janoary lasa teo no nanatanterahana ny AG tao amin'ny espace JOS Sambava centre ny FLED SAVA .
Nandritran'io fotoana io:
👉Nandiniana ireo hetsika ho ataon'ny fikambanana, ho fanamarihana ny 8 Mars ato amin'ny District ny Sambava(Débat radiophonique, Atelier de partage, dépistage du cancer du col de l'utérus)
👉nametrrahana ny fentran'andro hanaterana ny drafitr'asa mandritran'ny taona (PTA) ny sampana tsirairay (31 Mars).
👉nametrahana ireo lamina hampetraka (badge, bulettin,...) sy fitsinjarana andraikitra.
👉 nampatsiahivana ny adidin'ny tsirairay amin'ny maha mpikambana azy sy ireo dingana arahina amin'ny fampidirana mpikambana vaovao.





Ny alarobia faha 15 febroary 2023, tonga nanatanteraka fitsidiana aram-pomba ofisialy teo anivon'ny commune Urbaine Samb...
16/02/2023

Ny alarobia faha 15 febroary 2023, tonga nanatanteraka fitsidiana aram-pomba ofisialy teo anivon'ny commune Urbaine Sambava ny avy ao amin'ny Association FLED (Femmes Leaders Engagées pour le Développement) SAVA, izay notarihin'ny filoha Ramatoa RANDRIANANTOANDRO Maea.
Manana vina hanao hetsika ara-tsosialy ny fikambanana amin'ity taona ity, izay entina hampandrosoana ny faritra SAVA.
Santatra ambava rano ity fa ny magnetsam-be mbola ho avy.
(Photo Commune Urbaine Sambava)

Address

Sambava
208

Telephone

+261325162729

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when FLED Région SAVA posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Organization

Send a message to FLED Région SAVA:

Shortcuts

Share