01/08/2025
ANDRO IRAISAM-PIRENENA HO AN’NY VEHIVAVY AFRIKANINA (JIFA)
Tsy latsa-danja tamin’ny fankalazana ny Andro Iraisam-pirenena ho an’ny Vehivavy Afrikanina ny teto amin’ny Faritra SAVA. Ny loha-hevitra noraisina manokana tamin’ity taona ity dia: « L’élégance à l’Africaine » izay maneho ny hatsaran-tarehy sy ny hasin’ny vehivavy afrikanina amin’ny maha-izy azy, ao anatin’ny soatoavina sy ny kolontsaina manokana aminy.
Nandray anjara mavitrika tamin’ny fikarakarana ity hetsika ity ny fikambanana JCI sy ny ny Femmes Leaders et Engagées pour le Développement (FLED) ato amin’ny Faritra SAVA, teo ambany fiahian-dRamatoa vadin’ny Governoran’ny Faritra SAVA sy Ramatoa Talem-paritry ny Mponina sy ny Firaisankina.
Taorian’ny lanonam-panokafana tamin’ny fomba ofisialy dia nisy ny dinidinika narahin’adihevitra niompana tamin’ny lohahevitra hoe :
« Femmes d’Afrique, femme d’ici : un même combat pour l’autonomie »
(Vehivavy Afrikana, vehivavy eto an-toerana : ady iray ho an’ny fahaleovantena)
Nandritra ireo fifanakalozan-kevitra dia nipoitra mazava fa maro ireo vehivavy sahy mijoro sy efa miezaka manatratra ny fahaleovan-tena indrindra eo amin’ny lafiny ara-toekarena. Na izany aza
mbola maro ihany koa ny sakana atrehina sy ezaka ilaina atao hahatratrarana izany tanjona izany.
Santatra ambavarano ity fankalazana ity. Manomboka eto dia hatao laharam-pahamehana ny fanentanana sy fanohanana ireo vehivavy mba hahavita-tena ara-toekarena, hanatsara ny fari-pahaizana sy ny fahaiza-manaony, ary handray anjara amin’ny fomba feno eo anivon’ny fiaraha-monina.
Ny fandraisan’andraikitry ny vehivavy no antoky ny fiarahamonina mandroso sy mirindra.