Consortium des Jeunes "Mahery"

Call Directions Contact the organization

Consortium des Jeunes "Mahery" Nous sommes des jeunes bénévoles, volontaires de la ville de Morondava. En action pour la gestion durable des ressources naturelles de la Région.

🌱 FIFANAKALOZANA SY FIARAHA-MIASA HO AN’NY TANORATamin’ny 16–17 Septambra 2026, ny Consortium des Jeunes Mahery dia nana...
22/09/2026

🌱 FIFANAKALOZANA SY FIARAHA-MIASA HO AN’NY TANORA

Tamin’ny 16–17 Septambra 2026, ny Consortium des Jeunes Mahery dia nanatanteraka fifanakalozana tany amin’ny Faritra Atsimo-Andrefana, Toliara, niaraka tamin’ireo tanora sy fikambanana tanora tao an-toerana, anisan’izany ny COJEAA sy ny OBS MADA Atsimo-Andrefana.

Nifantoka tamin’ny andraikitry ny tanora eo amin’ny fiarahamonina sy ny andraikitry ny Fikambanana Sivily (OSC) ny fifanakalozana. Nizara traikefa, hevitra ary fomba fijery samihafa ireo mpandray anjara, indrindra momba ny anjara toerana azon’ny tanora raisina amin’ny fampandrosoana sy ny fiarovana ny tombontsoan’ny fiarahamonina.

Nandritra izany ihany koa dia niara-nandinika sy nametraka ireo fanamby atrehin’ny tanora, ary namaritra ireo làlana sy sehatra azo iaraha-miasa mba hanamafisana ny fiaraha-mientana sy ny fiaraha-miasa eo amin’ireo fikambanana tanora.

🤝 Ny fifanakalozana traikefa no fototry ny fiaraha-miasa matanjaka.
Ny tanora miray hina no hery manosika ny fiovana sy ny fampandrosoana maharitra.
COJEAA

13/08/2026
Consortium des Jeunes "Mahery"
13/08/2026

Consortium des Jeunes "Mahery"

🌿🤝 TEAM BUILDING-N’NY CONSORTIUM DES JEUNES MAHERY 2026 🤝🌿📅 07 Aogositra 2026 | 📍 Manamby – Distrikan’i MahaboAndroany, ...
07/08/2026

🌿🤝 TEAM BUILDING-N’NY CONSORTIUM DES JEUNES MAHERY 2026 🤝🌿

📅 07 Aogositra 2026 | 📍 Manamby – Distrikan’i Mahabo

Androany, ny Consortium des Jeunes Mahery (CJM) dia nanatanteraka andro iray natokana ho an’ny Team Building, izay nifantoka tamin’ny fanamafisana ny firaisankina, ny fifampizarana ary ny fiaraha-miasa. 💪✨

Natao ho fotoana iray hanamafisana ny fifandraisana eo amin’ireo mpikambana ihany koa ity andro ity, ary indrindra ahafahan’ny fikambanana tsirairay ao anatin’ny CJM mizara ny sehatra iasany, ny traikefany ary ny fahaiza-manaony. 🤝💡

🫱🏾 Ireo fifampizarana ireo dia ahafahana mahafantatra bebe kokoa ny fahaiza-manao sy ny tanjaky ny fikambanana tsirairay, mamantatra ireo sehatra ahafahana mifameno ary manamafy hatrany ny fiaraha-miasa sy ny fifamatorana eo anivon’ny CJM.

Tamin’ny alalan’ireo lalao iaraha-manao, fanamby samihafa ary fotoana nifampizarana, dia afaka nifankahalala bebe kokoa ireo mpandray anjara, nanamafy ny fifampitokisana ary nampivelatra bebe kokoa ny toe-tsaina maha-ekipa. ✨

🙏 Fisaorana lehibe ho an’ireo mpikambana rehetra, ireo Birao , ary ny Ekipa Mpanatanteraka noho ny fandraisana anjara mavitrika sy ny fahavononan’izy ireo . ✨✨

Notanterahana teto Morondava anio 28 jona 2026 ny fankalazana nasionaly ny Andro manerantany hoan'ny tontolo iainana, ny...
28/06/2026

Notanterahana teto Morondava anio 28 jona 2026 ny fankalazana nasionaly ny Andro manerantany hoan'ny tontolo iainana, ny Andro Iraisam-pirenena ho an’ny Karazanjavamananaina, ary ny Andro Maneran-tany Hiadiana amin’ny Fihangazanan’ny Tany sy ny Haintany.
Nandray anjara mavitrika tamin’ny fankalazana nasionaly ireo andro lehibe natokana ho an’ny tontolo iainana ny Consortium des Jeunes Mahery Morondava 🌍

Nandray anjara tamin’ny diabe fanentanana sy ireo hetsika samihafa nokarakaraina nandritra ity fankalazana ity ho fanehoana ny fahavononan’ny tanora handray anjara mavitrika amin’ny fiarovana ny tontolo iainana, ny fiarovana ny karazanjavamananaina ary ny fiatrehana ny fiovan’ny toetrandro.

Ny lohahevitra hoe: "Manarina ny tany, miaro ny karazanjavamananaina ary mandray andraikitra manoloana ny fiovan’ny toetrandro: vahaolana eny ifotony hanamafisana ny faharetana", dia manamafy ny anjara toerana lehibe sahanin’ny vondrom-piarahamonina sy ny tanora amin’ny fananganana hoavy maharitra.

Ho an'ny tanora ny fiarovana ny tontolo iainana dia tsy adidy ho an’ny taranaka ankehitriny ihany, fa andraikitra iombonana ho an’ny hoavin’ny taranaka rehetra. Ary amin’ny alalan’ny fanentanana, ny fanabeazana ary ny fandraisana andraikitra eny ifotony no ahafahana mitondra fiovana maharitra.

Mankasitraka ireo mpikarakara sy ireo mpiara-miombon’antoka rehetra tamin’ny fanomezana sehatra ahafahan’ny tanora maneho ny fahavononany sy mandray anjara amin’ny fiarovana ny tontolo iainana.

🌱 Ny tanora anio no mpandrafitra ny hoavin’ny tontolo iainana rahampitso. Andao hiara-hientana ho an’ny Madagasikara maitso sy maharitra!

27/06/2026


27/06/2026

🌎🤗

Akory iaby rolahy🤗, indrindra tsika tanora fa misy raha soa toy. 👋Araraoto gny raha manahaky any zao fa tsy mandalo mate...
17/06/2026

Akory iaby rolahy🤗, indrindra tsika tanora fa misy raha soa toy. 👋
Araraoto gny raha manahaky any zao fa tsy mandalo matetiky. Formation technique d’enquête📝 iaraha aminy DRETFP Menabe
Source : DRETFP Menabe

Address

Morondava
619

Opening Hours

Monday 09:00 - 17:00
Tuesday 09:00 - 17:00
Wednesday 09:00 - 17:00
Thursday 09:00 - 17:00
Friday 09:00 - 17:00

Telephone

+261325895626

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Consortium des Jeunes "Mahery" posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Organization

Send a message to Consortium des Jeunes "Mahery":

Shortcuts

Share