CRFAR Menabe

Directions

CRFAR Menabe Conseil RΓ©gional de la Formation Agricole et Rural Menabe

12/08/2026

π— π—œπ—¦π—’π—žπ—”π—§π—₯𝗔 𝗑𝗬 π—™π—œπ—™π—”π—‘π—œπ—‘π—”π—‘π—”π—‘π—” π—›π—œπ——π—œπ—§π—₯𝗔 𝗧𝗔𝗒𝗑𝗔 π—©π—’π—”π—Ÿπ—’π—›π—”π—‘π—¬ 𝗔𝗒 π—”π— π—œπ—‘'𝗑𝗬 𝗖𝗔𝗙𝗣𝗔

✍️Misokatra ho antsika tanora lahy sy vavy, πŸπŸ– 𝐭𝐚𝐨𝐧𝐚 𝐀𝐚 𝐑𝐚𝐭𝐫𝐚𝐦𝐒𝐧'𝐧𝐲 πŸπŸ‘ 𝐭𝐚𝐨𝐧𝐚: ny fifaninanana hidirana taona voalohany ao amin'ny CAFPA (Centre d'Appui et de Formation Professionnelle Agricole).

πŸ—“οΈDaty farany fandraisana ny antontan-taratasy: 𝟐𝟏 π€π¨π π¨π¬π’π­π«πš πŸπŸŽπŸπŸ” amin'ny πŸŽπŸ’ 𝐨𝐫𝐚 πŸ‘πŸŽ 𝐦𝐒𝐧𝐒𝐭𝐫𝐚, eny amin'ny CAFPA na koa eny amin'ny biraon'ny Fitaleavam-paritry ny Fambolena sy ny Fahaleovantena ara-tsakafo (DRASA MENABE). Ho an'ireo izay any amin'ny Distrika, dia afaka aterina eny amin'ny biraon'ny CirASA.

π€π§π­π¨π§π­πš-𝐭𝐚𝐫𝐚𝐭𝐚𝐬𝐲 𝐒π₯𝐚𝐒𝐧𝐚:
πŸ”ΈTaratasy fangatahana an-tsoratra (01) alefa amin'ny Talen'ny CAFPA araka ny modely etsy ambany ary tsy maintsy voafaritra mazava ao ny anaran'ny CAFPA angatahana hiofanana sy ny laharana finday ahazoana ny mpiadina;
πŸ”ΈTaratasy (01) manamarina ny fahavitΓ na farafahakeliny ny kilasy fahatelo ambaratonga faharoa (3Γ¨me);
πŸ”ΈTaratasy fanamarinam-ponenana latsakin'ny telo volana (01);
πŸ”ΈDika mitovy ny kara-panondrompirenena voamarina (01) na fanamarinam-pahaterahana latsakin'ny iray (01) taona;
πŸ”ΈTaratasy manambara fahavononana amin'ny teny Malagasy.

➑Ho an'i Menabe manokana:
- Any Antsirabe ny ivontoeram-piofanana ho an'ireo mpianatra avy ao amin'ny Distrikan'i Morondava, Mahabo, Miandrivazo ary Manja.
- Any Maintirano kosa ho an'ireo mpianatra avy ao amin'ny Distrikan'i Belo amoron'i Tsiribihina.

Nifarana androany ny " prΓ©- incubation" an' ireo tanora miisa 44 (2e cohorte) raha ho an' ny faritra Menabe teto amin' n...
20/03/2026

Nifarana androany ny " prΓ©- incubation" an' ireo tanora miisa 44 (2e cohorte) raha ho an' ny faritra Menabe teto amin' ny Centre FOFAFA,
nofaranana tamin' ny fizarana attestation de fin de formation izany, fiaraha miasa amin' ny PROGRES

Bonne et heureuse annΓ©e Γ  tous
03/01/2026

Bonne et heureuse annΓ©e Γ  tous

Address

Morondava
619

Opening Hours

Monday 09:00 - 17:00
Tuesday 09:00 - 17:00
Wednesday 09:00 - 17:00
Thursday 09:00 - 17:00
Friday 09:00 - 17:00

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when CRFAR Menabe posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Shortcuts

Share