24/04/2026
TAMBERIN’ANDRAIKITRA MOMBAN’NY VALIN’NY FANANGONANA TAHIRIN-KEVITRA MOMBA NY JONO (HORITA, FIA ARY BIBY AN-DRANOMASINA HAFA) SY NY FAKAN-KEVITRA MOMBA NY FANAOVANA REZERVA TSY MAHARITRA HO AN’NY HORITA AMIN’ITY TAONA ITY.
Nanomboka ny 14 Aprily 2026 ka hatramin’ny 19 Aprily 2026 no nanaovana ny tamberin’andraikitra momba ny valin’ny fanangonana tahirin-kevitra, izay notanterahin’ireo mpanangona antontan-kevitra (data collecteurs).
Nisy ihany koa ny tatitra nataon’ny ekipa siantifika (Science team) momba ireo toerana hanaovana fanarahamaso.
Ankoatra izany, ny mpikambana ao amin’ny fikambanana Teariake dia nanao fakan-kevitra momba ny fametrahana rezerva tsy maharitra ho an’ny horita.
🎯 Tanjona :
📍Hampitombo ny fahaizan’ny mpiandraikitra amin’ny fitantanana ny harena azo.
📍Hahafantarana bebe kokoa ny toetoetry ny harena an-dranomasina.
📍Hanampy ny mpiandraikitra handray fanapahan-kevitra tsara amin’ny fitantanana maharitra ny jono.
Vokatra :
Vonona ny fokonolona ao amin’ny faritra Teariake hanatanteraka rezerva tsy maharitra ho an’ny horita amin’ity taona ity.
Ny fikambanana Teariake dia maneho fisaorana feno ho an’ny fokonolona rehetra ao an-toerana, ary indrindra ireo solontenam-panjakana, noho ny fiaraha-miasa tamin’ny fanatanterahana ny fakan-kevitra.