Teariake Conservation

Directions

Teariake Conservation Fikambana miaro ny tontolo an-dranomasina sy amorontsiraka amin'ny faritry ny Morombe (LMMA).

⏳FIFIDIANANA KMD SY CCS TEARIAKENotanterahina tamin’ny 20 Jona 2026 ny fifidianana ireo KMD (Komity Mpanatanteraka ny Di...
21/06/2026

⏳FIFIDIANANA KMD SY CCS TEARIAKE

Notanterahina tamin’ny 20 Jona 2026 ny fifidianana ireo KMD (Komity Mpanatanteraka ny Dina) sy CCS (Komity mpanara-maso ifotony / Comité de Contrôle et de Surveillance) tao amin’ireo tanà 07 ato anaty fari-dranomasina Teariake, dia ireto avy izany: Ambohitse, Tsinjorano, Avaradrova, Tsihake, Nosy Tompoy, Nosy Lava ary Andevitse.
📍Isan’ny mpikambana nisoratra anarana hifidy : 1 293
📍Isan’ny mpikambana tonga nifidy : 533

🙏🙏🙏Ny fikambanana Teariake dia maneho fisaorana feno ho an’ny mpikambana rehetra izay nandray anjara tamin’ny fifidianana, na ireo tonga nifidy na ireo tsy afaka nanatrika. Mankasitraka indrindra noho ny fiaraha-mientana sy ny fanohanana rehetra.

FIOFANANA MOMBA NY FITARIHANA, NY FITANTANANA ARY NY FOTO-KEVITRY NY HAITONDRA HO AN’NY KOMITY ATO AMY FIKAMBANANA TEARI...
29/05/2026

FIOFANANA MOMBA NY FITARIHANA, NY FITANTANANA ARY NY FOTO-KEVITRY NY HAITONDRA HO AN’NY KOMITY ATO AMY FIKAMBANANA TEARIAKE

🗓️Tamin’ny Alarobia 27 Mey 2026 no nanatanterahana fiofanana momba ny fitarihana (leadership), ny fitantanana (management) ary ny foto-kevitry ny haitondra (bonne gouvernance) ho an’ireo komity sy mpitarika ato amy Fikambanana Teariake.

🎯Tanjona :
✔️Hahafantatra sy hahatakatra ireo foto-kevitra fototra momba ny fitarihana (leadership) sy ny fitantanana (management).
✔️Hifampizara momba ny toe-tsaina sy fitondran-tena tokony hananan’ny mpitarika mahomby.
✔️Hahafantatra sy hifampizara ireo fitaovana sy teknika ilaina amin’ny fitarihana.
✔️Hanazava sy hahatakatra ireo fitsipika enina (06) momba ny haitondra ao anatin’ny LMMA.

✍Komity sy mpitarika miisa 46 avy amin’ny faritra Teariake no nisitraka ity fiofanana ity. Nandritra ny fiofanana dia nohamafisina ireo fahaiza-manao sy fahalalana ilaina amin’ny fitarihana sy fitantanana mahomby, ary koa ireo foto-kevitra fototra momba ny haitondra tsara.

Ity fiofanana ity dia manampy ireo komity sy mpitarika ary mpikambana ao amin’ny Fikambanana Teariake hanana fitarihana mahomby, fitantanana mangarahara ary fandraisana andraikitra amin’ny fampandrosoana maharitra ny faritra tantaniny.

🙏🙏🙏Amin’izao dia atolotra ny fisaorana manokana ho an’ny Blue Ventures noho ny fanohanana sy fanatanterahana ity fiofanana ity.

🎏FIOFANANA MOMBA NY FAMPIROBOROBOANA NY ORINASA AMBARATONGA VOALOHANY (GERME NIVEAU I)🎏Nanomboka ny 19 ka hatramin’ny 22...
25/05/2026

🎏FIOFANANA MOMBA NY FAMPIROBOROBOANA NY ORINASA AMBARATONGA VOALOHANY (GERME NIVEAU I)🎏

Nanomboka ny 19 ka hatramin’ny 22 Mey 2026 dia notanterahina ny fiofanana momba ny fampiroboroboana ny orinasa ambaratonga voalohany (GERME Niveau I), izay niarahan’ny Blue Ventures nanatanteraka teto Morombe ato anaty faritra Teariake.

Olona miisa 30, izay samy misehatra amin’ny sehatry ny fandraharahana, no nisitraka sy nandray anjara tamin’ity fiofanana ity. Marihina fa andiany fahatelo (3ème vague) amin’ny fanatanterahana ity fiofanana ity no notontosaina.

📝📝Natao indrindra ny fiofanana mba hanamafisana ny fahaiza-mitantana sy hampivelarana ny tetikasan’ireo mpandraharaha, ary hanomezana azy ireo paikady hahafahany manatsara sy mampitombo ny asa fivelomany.

🙏🙏Isaorana manokana ny Blue Ventures tamin’ny fikarakarana sy fanohanana ity fiofanana ity, izay manampy betsaka amin’ny fampandrosoana ny fandraharahana sy ny fanatanterahana ny vinan’ireo mpandraharaha ato anaty faritra Teariake.

Blue Ventures Madagasikara
SambeleLMMA ManjaboakeVelondriake

🤿FANARAHA-MASO NY TOERANA NANAOVANA REZERIVA TSY MAHARITRA HORITA🪸Taorian’ny fanakatonana ny rezerva tsy maharitra ho an...
22/05/2026

🤿FANARAHA-MASO NY TOERANA NANAOVANA REZERIVA TSY MAHARITRA HORITA

🪸Taorian’ny fanakatonana ny rezerva tsy maharitra ho an’ny horita tamin’ny 12 Mey 2026 lasa teo, dia nanatanteraka ny fanaraha-maso voalohany tao amin’ny faritra voakasik’izany ny ekipa Science Team, ny sabotsy 16 Mey 2026 lasa teo, teny Nosy Tompoy.

🪸🐟Natao ity fanaraha-maso ity mba hanombanana ny fahasalaman’ny vatohara sy ny zava-maniry an-dranomasina ao anatin’ilay faritra nanaovana ny rezerva tsy maharitra.🐟

Sambele
LMMA Manjaboake
Velondriake
Blue Ventures Madagasikara

Anio 20 mai 2026 no tafapetraka ao Avaradrova Morombe faritra Teariake ny vatofototry ny birao coopérative ny mpanjono i...
20/05/2026

Anio 20 mai 2026 no tafapetraka ao Avaradrova Morombe faritra Teariake ny vatofototry ny birao coopérative ny mpanjono izay natrehin'ny mpitondra fanjakana, ny avy ao amin'ny fikambanana Teariake ary solontenan'ny mpanjono. Izany dia avy amin'ny fiaraha miasa ny fikambanana Teariake sy ny ONG Blue Ventures noho ny famatsiambola RECOS izay miara miasa amin'ny AFD. Izany no natao mba hanatsarana ny fandraharahana ara_bolan'ireo mpanjono sy hanomezana lanja ny vokatry ny jono.

12/05/2026
TAMBERIN’ANDRAIKITRA MOMBAN’NY VALIN’NY FANANGONANA TAHIRIN-KEVITRA MOMBA NY JONO (HORITA, FIA ARY BIBY AN-DRANOMASINA H...
24/04/2026

TAMBERIN’ANDRAIKITRA MOMBAN’NY VALIN’NY FANANGONANA TAHIRIN-KEVITRA MOMBA NY JONO (HORITA, FIA ARY BIBY AN-DRANOMASINA HAFA) SY NY FAKAN-KEVITRA MOMBA NY FANAOVANA REZERVA TSY MAHARITRA HO AN’NY HORITA AMIN’ITY TAONA ITY.

Nanomboka ny 14 Aprily 2026 ka hatramin’ny 19 Aprily 2026 no nanaovana ny tamberin’andraikitra momba ny valin’ny fanangonana tahirin-kevitra, izay notanterahin’ireo mpanangona antontan-kevitra (data collecteurs).
Nisy ihany koa ny tatitra nataon’ny ekipa siantifika (Science team) momba ireo toerana hanaovana fanarahamaso.
Ankoatra izany, ny mpikambana ao amin’ny fikambanana Teariake dia nanao fakan-kevitra momba ny fametrahana rezerva tsy maharitra ho an’ny horita.

🎯 Tanjona :

📍Hampitombo ny fahaizan’ny mpiandraikitra amin’ny fitantanana ny harena azo.
📍Hahafantarana bebe kokoa ny toetoetry ny harena an-dranomasina.
📍Hanampy ny mpiandraikitra handray fanapahan-kevitra tsara amin’ny fitantanana maharitra ny jono.

Vokatra :
Vonona ny fokonolona ao amin’ny faritra Teariake hanatanteraka rezerva tsy maharitra ho an’ny horita amin’ity taona ity.
Ny fikambanana Teariake dia maneho fisaorana feno ho an’ny fokonolona rehetra ao an-toerana, ary indrindra ireo solontenam-panjakana, noho ny fiaraha-miasa tamin’ny fanatanterahana ny fakan-kevitra.

21/03/2026

FAMBOLEA ALA HONKO ATO ANATY FARITRA TEARIAKE ANDRATOGNO

Tamin'ny 18 Martsa 2026 lasa teo dia notanterahina ny hetsika fambolea ala honko tato amin'ny faritra Teariake Andratogno.Zana honko miisa 9 000 no novolena, ka nandrakotra velaran-tany 3,48 hektara.

🌿🌿Ny ala honko dia manana anjara toerana lehibe eo amin'ny tontolo iainana.Izy ireo dia:
📍Toerana fipetrahan'ny biby sy fanatodizan'ny vorona;
📍Loharanon-tsafako ho an'ny zava mananaina an-dranomasin1;
📍Manampy amin'ny fanadiovana ny rano;
📍Miaro ny tany tsy hokahon'ny ny riaka;
📍Miaro amin'ny fiantraikan'ny fiovaovan'ny toetr'andro.
🎯 Tanjona :
Fanarenana sy fiarovana ny tontolo amoron-tsiraka.
Fanentana ny fokonolona mba hisy fikajiana sy hiaro ny tontolo iainana

Ny fikambana Teariake dia maneho fisaorana feno ho an'ny rehetra izay nandray anjara sy niara niasa tamin'ity hetsika lehibe fambolea honko ity.

Address

Morombe
618

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Teariake Conservation posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Shortcuts

Share