18/07/2026
🚨🚨Loza ho an'ny fahasalamantsika rehetra ny haromontana! Ndao hiara-hientana hiaro ny aintsika sy ireo biby namantsika (alika sy saka).
👉Miara-miasa ny The Mad Dog Initiative, ny Ministeran'ny Fiompiana, ny Veterinera, ary ny Fondation Brigitte Bardot amin'ny hetsika famosirana faobe.
👉 Natao ho an'ny alika sy saka(lahy na vavy), mirenireny na manan-tompo.
👉100% maimaimpoana ny hetsika
👉Ity hetsika ity dia hetsika FAMOSIRANA ka izay mazoto hamositra ny alika sy sakany sy izay efa voavositra ihany aloha no misitraka ny vaksiny. Ny vaksiny faobe manokana dia fotoana manaraka iarahana amin'ny veterinera eto an-toerana.
📍 Fandaharam-potoana (Jolay 2026):
Alatsinainy 20: CIRAE Moramanga
Talata 21, Alarobia 22: Kianja Manarapenitra Tanamandroso
Alakamisy 23: Tsarafasina (akaiky biraon'ny Fokontany)
Zoma 24: Ambohimadera
🤝 Raiso anjara: Ento ireo alika sy saka mirenireny eny amin'ny faritra misy anao. Andao hampihena ny aretina sy ny fitombon'ny biby mirenireny ao an-tanàna!
❤️
.