Tily Mangoro Moramanga

Call Directions Website

Tily Mangoro Moramanga Ny Tily dia fanabeazana tanora skoto protestanta zazalahy, sady mamolavola azy handray anjara hanorina tontolo tsara kokoa.

EFA VONONA VE ISE ?Rahampitso ny fotoanatsika/// FIVORIAMBE MPANABE TILY /// 📅 Sabotsy 24 oktobra 2026, tontolo andro🕖 0...
23/10/2026

EFA VONONA VE ISE ?
Rahampitso ny fotoanatsika

/// FIVORIAMBE MPANABE TILY ///
📅 Sabotsy 24 oktobra 2026, tontolo andro
🕖 08:30
📍 Kaominina Ambohibary

Aza adino ny :
📖 Baiboly sy fihirana
🖊️ Fitaovam-panoratanа

🍽️ Misy sakafo atoandro amin'ny vidiny 3000Ar ho an'ny Mpiandraikitra ary 5000Ar ho an'ny Filoha karakarain'ny Faritany.



//// FIVORIAMBE MPANABE TILY SY FANOKAFANA TAOM-PANABEAZANA 2026-2027 ////Ry Beazina, Mpiandraikitra, Tonia, Filoha, Kom...
15/10/2026

//// FIVORIAMBE MPANABE TILY SY FANOKAFANA TAOM-PANABEAZANA 2026-2027 ////

Ry Beazina,
Mpiandraikitra,
Tonia,
Filoha,
Komitim-pivondronana ary Komitim-paritany eto amin’ny Faritany Mangoro Moramanga

Taorian’ny ezaka niarahana nandritra ny taom-panabeazana lasa,

Dia miditra amin’ny taom-panabeazana farany amin’ity telo taona iarahantsika miasa ity isika ankehitriny, dia ny taom-panabeazana 2026–2027.

Koa hiray hina sy hiara-hientana hatrany isika hahatratra ny tanjona iraisana!

Toy izao ny fandaharam-potoana :
FIVORIAMBE MPANABE TILY
📅 Sabotsy 24 oktobra 2026, tontolo andro
🕖 08:30
📍 Kaominina Ambohibary

FANOKAFANA TAOM-PANABEAZANA 2026-2027
📅 Alahady 25 oktobra 2026
🕑 14:30
📍 FJKM Salema Vavolombelona Analalava

Aza adinoina ny :
📖 Baiboly sy fihirana
🖊️ Fitaovam-panoratanа

🍽️ Ny atoandro dia mikarakara Sakafo atoandro ny Faritany amin'ny vidiny 3000Ar ho an'ny Mpiandraikitra ary 5000Ar ho an'ny Filoha.
Ho an'izay avy any amin'ny faritra kosa dia hiantohan'ny Faritany ny sakafo atoandry ny alahady 25 oktobra.

🔥 Tongava maro ary aza avela ho diso anjara ny fivondronan'ise!

🙏 « Ataovy mpianatra ny firenena rehetra » — Matio 28:19b



11/10/2026

Fanokafana ny taom-panabeazana 2026 - 2027, Mpanazava sy Tily eto Madagasikara !
📅 11 Oktobra 2026
📍 Katedraly Santa Laurent Ambohimanoro

11/10/2026

Fanokafana ny taom-panabeazana 2026 - 2027, Mpanazava sy Tily eto Madagasikara !

📅 11 Oktobra 2026
📍 Katedraly Santa Laurent Ambohimanoro

12/09/2026

Tily eto Madagasikara

12/09/2026

Tily Eto Madagasikara

Misaotra an'Andriamanitra lehibe fa Vitasoa ny Lasy Fankalazana 90 taona Sampana Mavo sy Mena izay natao teto Moramanga....
08/08/2026

Misaotra an'Andriamanitra lehibe fa Vitasoa ny Lasy Fankalazana 90 taona Sampana Mavo sy Mena izay natao teto Moramanga.
Tsy adino ihany koa ireo Mpiara miombon'antoka rehetra :
👉 Ianareo Filohan'ny Synodam piangonana tsirairay avy
👉Andriamatoa Gascar Fenosoa ministry ny serasera sy Kolontsaina, Ray mpiahy ny Fankalazana sy ireo mpiara miasa Aminy
👉Ramatoa Ministry ny Mponina sy Firaisankina sy ireo mpiara miasa aminy
👉 Andriamatoa lehiben' ny Etat Major ny Tafika Malagasy sy ireo Mpiara miasa Aminy.
👉Ianareo Médecin Militaire rehetra
👉 Andriamatoa lehiben' ny BNGRC sy ireo mpiara miasa aminy
👉District Moramanga Izay tarihin'i Andriamatoa Chef District
👉 Commune Urbaine Moramanga izay tarihin'i Andriamatoa Ben'ny Tanana
👉 Commune Rurale Ambohibary izay tarihin'i Andriamatoa Ben'ny Tanana
👉👉Andriamatoa lehiben' ny Groupement Ambatondrazaka
👉Andriamatoa Commandant École (ESGN Moramanga)
👉Andriamatoa Commandant de Compagnie Moramanga sy ireo mpiara miasa aminy
👉Andriamatoa Commandant de Brigade Moramanga sy ireo mpiara miasa aminy
👉Andriamatoa Commissaire de Police Moramanga sy ireo mpiara miasa Aminy
👉Andriamatoa Chef D' Établissement ny Maison Centrale Moramanga sy ireo mpiara miasa aminy
👉Ny Talén'ny orinasa Ambatovy sy ireo mpiara miasa Aminy
👉Ny Talén'ny orinasa Fanalamanga sy ireo mpiara miasa aminy
👉Ny Filohan'ny Komity Lehibe sy ireo mpiara miasa aminy
👉Ny Filohan'ny Foibem pikambanana sy ireo ekipa miara Aminy
👉Ny Ekipa Sampana Mavo Nasionaly rehetra sy ny Filohan'ny Lasy Fankalazana
👉Ny Ekipa Sampana Mena Nasionaly rehetra sy ny Filohan'ny Lasy Fankalazana
👉Ny UK Scout izay avy amin'ny firenena Telo samihafa
👉Ny Tompon'ny Tany nanaovana Lasy Fankalazana
👉Ny Filoham Paritany Alaotra Ambatondrazaka sy ny ekipany
👉Ianareo Volontaire rehetra
👉Ny Filohan'ny Komitim Paritany Mangoro Moramanga sy ny ekipany
👉Ny Ekipa Paritany Mangoro Moramanga rehetra
👉Ianareo tapaka sy namana rehetra sy izay mety tsy voatonona eto
Misaotra, misaotra, misaotra 🙏🙏🙏

⏳ TIC TAC ⏳0⃣1⃣ Andro sisa dia hisokatra ny LASY 90 TAONA SAMPANA MAVO sy LASY 90 TAONA SAMPANA MENA⛺️ Miditra an-dasy a...
31/07/2026

⏳ TIC TAC ⏳
0⃣1⃣ Andro sisa dia hisokatra ny LASY 90 TAONA SAMPANA MAVO sy LASY 90 TAONA SAMPANA MENA

⛺️ Miditra an-dasy anio ny mpilasy rehetra,

'Ndeha isika samy hitrotro am-bavaka an’izany lasy izany, sy ireo ekipa mpitarika lasy 🙏

🫶 Mifampitrotro am-bavaka

⏳ TIC TAC ⏳0⃣2⃣ Andro sisa dia hisokatra ny LASY 90 TAONA SAMPANA MAVO sy LASY 90 TAONA SAMPANA MENA'Ndeha isika samy hi...
30/07/2026

⏳ TIC TAC ⏳
0⃣2⃣ Andro sisa dia hisokatra ny LASY 90 TAONA SAMPANA MAVO sy LASY 90 TAONA SAMPANA MENA

'Ndeha isika samy hitrotro am-bavaka an’izany lasy izany, sy ireo ekipa mpitarika lasy efa eny an-toerana amin’izao fotoana izao 🙏

🫶 Mifampitrotro am-bavaka

🇲🇬⚜️ FARITANY MANGORO MORAMANGA🇲🇬⚜️ Taorian'ny antso natao teto anivon'ny Faritany Tily Mangoro Moramanga  dia voafantin...
19/07/2026

🇲🇬⚜️ FARITANY MANGORO MORAMANGA🇲🇬⚜️

Taorian'ny antso natao teto anivon'ny Faritany Tily Mangoro Moramanga dia voafantina ireo hisolo tena ny faritantsika amin'ny fiatrehana ny lasy sy fifanakalozana hiarahana amin'ireo UK Scouts.

⚜️ Reharehan'ny Faritany ianareo, ary faly miarahaba anareo roalahy ny Faritany Tily Mangoro Moramanga ry AMBATSY MASAHY sy BEARA MIFENTY izay voafidy hisolo tena ny faritantsika amin'ny lasy hiarahana amin'ireo UK Scouts.
Tsy voninahitra fotsiny izao, fa iraka lehibe hitondra ny anaran'ny Faritany sy ny soatoavin'ny Skotisma Malagasy.
Mirary soa sy fahombiazana ho anareo. Aoka ianareo hitondra amim-pireharehana fa Tily tsara "Vonona amin'ny fiainana!"

⚡ Mirary fahombiazana ho anareo izahay. Mandehana amim-pahatokiana, ary aoka ianareo ho masoivoho mendrika hatrany.

💥 Arahabaina Miaro Notahiantsoa sy Beara Mifenty Alfredo ! Miray fo aminareo ny Faritany Mangoro Moramanga, ary mivavaka mba hahomby amin'ny iraka iantsorohanareo. 💥

Address

MANGORO MORAMANGA
Moramanga
514

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Tily Mangoro Moramanga posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Shortcuts

Share