Page Famami Marovoay Ofisialy

Page Famami Marovoay Ofisialy FAMAMI est une association à but non lucratif fondée par MARINDRY Andry, zanakin'ny Marovoay, souc

31/05/2026

🎀 FETIN'NY RENY 2026
Fetin'ny Reny sambatra ho antsika andriambavilanitra rehetra ato amin'ny FAMAMI. Misaotra amin'ny herinareo sy ny fahavitrihanareo mampisandratra ny fikambanantsika isan'andro. Amin'ny maha vehivavy Filoha mitarika anareo ahy reharehako ny manana anareo izay tena "Andry" mampijoro sy mampiray tokoa.
Ho tsimbinin'ny Mpahary ny fahasalamanareo ary fiadanana ho an'ny tokantranonareo tsirairay avy.
Ny Filohanareo tia anareo.🌹
MAHATEZA Pascalette

05/04/2026
🇲🇬 FANKALAZANA NY TOLOM-PANAFAHANA 29 MARS 2026 MAROVOAY VILLETonga nanotrona ny fahatsiarovana ny faha 79 taona ny Tolo...
29/03/2026

🇲🇬 FANKALAZANA NY TOLOM-PANAFAHANA 29 MARS 2026 MAROVOAY VILLE
Tonga nanotrona ny fahatsiarovana ny faha 79 taona ny Tolom-panafahana tamin'ny 29 mars 1947 ny Filohan'ny FAMAMI tamin'ny anaran'i Atoa Solombavambahoaka MARINDRY Andry.
Nandritra izany fotoana izany no nanolorana fanomezana avy amin'i Atoa Solombavambahoaka, ho an'ireo Be antitra, Ray aman-dreny miisa 200 ho fanajana sy mari-pitiavana ho azy ireo.
Samy ho tahian'Andriamanitra 🙏

Fankalazana ny andron'ny Vehivavy 08 mars 2026
10/03/2026

Fankalazana ny andron'ny Vehivavy 08 mars 2026

💃08 mars 2026 ANDRO IRAISAM-PIRENENA HO AN'NY ZON’NY VEHIVAVY🤝Ny Filohan'ny FAMAMI MAHATEZA Pascalette dia miarahaba ant...
08/03/2026

💃08 mars 2026 ANDRO IRAISAM-PIRENENA HO AN'NY ZON’NY VEHIVAVY

🤝Ny Filohan'ny FAMAMI MAHATEZA Pascalette dia miarahaba antsika Vehivavy rehetra amin'izao andro natokana ampatsiahivina fa ny Vehivavy misitraka ny zony feno dia hery lehibe eo amin’ny fiaraha-monina ary antoky ny fampanandrosoana.
Bonne fête 🌹

🎓 FAMPIOFANANA MAIMAIM-POANA atolotrin'i Atoa Solombavambahoaka MARINDRY Andry miaraka amin'ny FAMAMI sy ny mpampiofana ...
24/02/2026

🎓 FAMPIOFANANA MAIMAIM-POANA atolotrin'i Atoa Solombavambahoaka MARINDRY Andry miaraka amin'ny FAMAMI sy ny mpampiofana mati-hanina avy ao amin'ny Sampam-piofanana ara-teknika sy arak'asa Mahajanga ho fanampiana ny tanora amin'ny famoronana asa izay hatao any
👉 CR ANOSY ny 02 hatr@ 04 Marsa 2026
👉 CR MAROVOAY VILLE ny 02 hatr@ 06 Marsa 2026
Tongava maro ry tanora hisitraka an'izany fampiofanana izany.
OLO MAHAY RAHA TSY VERY MANDEHA

.Faly sy ravo ny fo miarahaba sy mirary soa ho anareo , ho antsika rehetra mbola velon'aina ka nahatratra izao taona vao...
01/01/2026

.
Faly sy ravo ny fo miarahaba sy mirary soa ho anareo , ho antsika rehetra mbola velon'aina ka nahatratra izao taona vaovao 2026 izao.
Ho taona tsara hitondra ny soa sy ny mamy , hivimbina fahasalamana feno , hisakelika fahombiazana sy fanambinana amin'izay rehetra atao , hivatsy fifaliana sy fiadanam-po ho antsika rehetra ity taona vaovao 2026 ity.
Samia soava , ho lavitry ny ratsy sy ny rofy .
Ny Filohan'ny FAMAMI
MAHATEZA Pascalette

🚩CR ANKAZOMBORONA🧸Fizarana kilalao sy vatomamyAmin'izao ankatoky ny Fetin'ny Noely izao dia ny ankizy sahirana lahy sy v...
22/12/2025

🚩CR ANKAZOMBORONA
🧸Fizarana kilalao sy vatomamy
Amin'izao ankatoky ny Fetin'ny Noely izao dia ny ankizy sahirana lahy sy vavy ao amin'ny Kaominina Ambanivohitra Ankazomborona indray no notoloran'ny FAMAMI sy ny Solombavambahoaka MARINDRY Andry, kilalao sy vatomamy mba ho fifaliana ho azy ireo toy ny ankizy rehetra amin'izao fety izao.
Mirary fety sambatra 🎄🧑‍🎄
🐊🐊🐊🐊🐊🐊🐊🐊🐊🐊🐊🐊🐊

🚩 CR ANKAZOMBORONA
🧸 Des moments de joie partagés avec des enfants défavorisés de la CR Ankazomborona en cette période de fête par la FAMAMI et le Député MARINDRY Andry
Bonnes fêtes 🎄🎅

14/12/2025

Fizaram-baovao avy amin'ny namana mpanao Gazety ny RFB.
Mankasitraka hatrany amin'ny fiaraha-miasa 🙏

👨‍👩‍👦FIZARANA KOPIA✅Taorian'ny fandikana ny Didim-pitsarana misolo fahaterahana nivoaka tamin'ny 13.06.2025 tamin'ny bok...
12/12/2025

👨‍👩‍👦FIZARANA KOPIA
✅Taorian'ny fandikana ny Didim-pitsarana misolo fahaterahana nivoaka tamin'ny 13.06.2025 tamin'ny boky mirakitra izany tao amin'ny Kaominina Ambanivohitra Anosinalainolona sy ny Kaominina Ambanivohitra Ambolomoty dia natolotra an'ireo Ray aman-dreny ny kopia hoan'ireo zaza nisitraka izany hetsika izany tamin'ireo Kaominina roa ireo.
Miisa 435 ny kopia nozaraina tamin'izany :
-315 hoan'ny CR Ambolomoty
- 120 hoan'ny CR Anosinalainolona
Mankasitraka hatrany ny Solombavambahoaka MARINDRY Andry sy ny miara misalahy tsy tapaka amin'ny fanantanterahana ny hetsika kopia faobe ataon'ny FAMAMI ato amin'ny Distrikan'ny Marovoay.
🐊🐊🐊🐊🐊🐊🐊🐊🐊🐊🐊🐊🐊

👨‍👩‍👦 REMISE OFFICIELLE DES ACTES DE NAISSANCES
✅ Après la transcription des jugements suppletifs de naissance rendus le 13.06.2025 dans les registres tenus dans les Communes rurales d'Ambolomoty et d'Anosinalainolona, les actes de naissances ont été officiellement remis aux parents des enfants bénéficiaires.
435 actes de naissances ont été officiellement remis dont :
- 315 pour CR Ambolomoty
- 120 pour CR Anosinalainolona
Remerciements à Mr Le Député MARINDRY Andry et tous ceux qui contribuent sans relâche à la réalisation des opérations de jugements suppletifs menées par la FAMAMI dans le District de Marovoay.

Address

Lot 50 R TSIMAHAJAO
Marovoay
416

Opening Hours

Monday 08:00 - 18:00
Tuesday 08:00 - 18:00
Wednesday 08:00 - 18:00
Thursday 08:00 - 18:00
Friday 08:00 - 18:00

Telephone

+261343409834

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Page Famami Marovoay Ofisialy posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Shortcuts

Share