19/07/2026
ALAHADY 19 JOLAY 2026
ALAHADY FAHA-16 mandavantaona — A "MAHANDRY ANDRIAMANITRA ARY MAMINDRA FO"
Fifampizarana toriteny voaray.
Entanin'ny fiangonana isika anio handinika bebe kokoa hatrany ny fiarahantsika amin'Andriamanitra, amin'ny fanoharana nataon'i Jesoa mahakasika ny atao hoe voa nafafy.
Voa tsara no nafafy nefa rehefa maniry ny voa dia misy voa ratsy ihany koa mitranga.
Amin'ny maha olombelona, indraindray isika mahita tompon'andraikitra tsy manao tsara ny andraikiny na misy zavatra tsy mandeha dia taitaitra te hanongotra avy hatrany.
Ny tany hamafazana dia izao tontolo izao.
Ny voa tsara dia ny zanaky ny fanjakana izany hoe zanak'Andriamanitra.
Ny voa ratsy dia ny zanak'ilay ratsy.
Ny mpamafy ny voa ratsy dia ny demony.
Ny mpamafy ny voa tsara dia ny Zanak'olona izany hoe i Jesoa Kristy.
Ny mpijinja dia ny Anjely.
Ny fotoam-pijinjana dia ny fahataperan'izao tontolo izao.
Ny atao hoe voa ratsy dia izay mandray ny teny nefa tsy miaina azy, tsy manaraka azy araka ny sitrapon'Andriamanitra fa manaraka ny ataony araka ny sitrapony ihany, manetsi-tadiny, manampina ny sofiny, mety niezaka nanao dingana ihany saingy tsy nahatratra hatramin'ny farany.
Tsy tokony hongotana avy hatrany anefa fa ilana faharetana.
Manana faharetrana Andriamanitra satria manana fanantenana Izy hoe mbola hiova isika.
Misy koa anefa ny mievi-tena hoe mivavaka, fa rahampitso miova ny finoantsika, ary izany no tena ratsy.
Entanin'ny Fiangonana ary isika isan'andro mba hanaraka an'Andriamanitra izay mpamindra fo amintsika.
Andriamanitra nahary izao tontolo izao ihany no hany Andriamanitra tokana ka Izy no tokony hifotorantsika sy hitondra antsika amin'ny lalan-tokana dia ny Fanjakany. Tsy afaka ny hiditra amin'ny fanjakany isika raha tsy izy no mitantana antsika.
Ny Fanahy Masina no manampy antsika isan'andro, mampahafantatra ny tokony hatao hiainana ny maha Kristianina.
Meteza àry hotarihin'ny Fanahy Masina sy ovainy mba hanatanterahintsika ny sitrapon'Andriamanitra ka hampandeferantsika ny sitrapontsika.
RP RANDRIAMAMPANDRY Louis Wagner, Vikera Jeneraly, Arsidiosezin'Antananarivo.
Visite Pastorale EKAR Distrika Misionera Manjakandriana