04/01/2026
Taona vaovao izao👋
Fiaingana vaovao ihany koa❌🎊
Mbola tsy niverin-dalana izahay tanora mpikambana fa mbola vonona hanohy ny ezaka ho fampandrosoana ny firenena🙏sy ny Tanànatsika🇲🇬
Akanga maro anefa hono ts vakin'amboa ka mila anaoizahay hanampy anay hanatanteraka ireo hetsika maro isan-karazany🤞fampiofanana,fampianarana,asa sosialy,sns ...🫵🇲🇬
Entana zaraina hono mora zaka,ka raha izaho sy ianao ary isika miaraka no miaraka mitondra ny anjara biriky hoamin'ny fampandrosoana ny Tanànantsika dia ho lasa lavitra isika sy ireo taranantsika🫵🙏
Tongava ary manampy ny ekipa,midira ho membre fa maro ny zavatra hifampizarantsika ao🙏
Mila anao izahay ry tanora,mila anao ny firenena🫵
Ndao fa fotoana izao,hanampy ireo zandritsika,hanampy ireo tanora,ireo RADtsika,ireo mpamboly,mpiompy,sns...🙏🤞
2026 dia taon'ny asa fa tsy taonan'ny fijerena fotsiny,taona fandraisana andraikitra🙏
Ho anao 🫵
Ho ahy🤞
Hoan'ny taranako✍️
Hoan'ny fireneko🇲🇬
Ndao ary tsika handray andraikitra,🙏🙏hanatanteraka asa,hampianatra,hampiofana,ary hanampy....🤞🙏❤️
Tongava mifampiresaka sy mifampizara hevitra amin'ireo mpikambana maro be efa vonona ao✍️🇲🇬
Mandefasa hafatra miafina (MP)fa fotoana izao❤️🙏
It's time❌🛑