15/09/2022
Ny eto an-tanàna anie Rakoto mahalasa saina e:
1- Milaza tsy an'asa, tsy manam-bola hono kanefa manana MOTO RS (11.000.000 fmg), manana HUAWEI P20 (farany ambany zany 5.000.000 fmg). Raha atambatra ireo dia 16.000.000 fmg, azo ananganana orinasa mpanamboatra yaourt soja manara-penitra raha kely.
2- Manana BAC+5 fa milaza tsy mahita asa, kanefa ilay mpitari-posy iny aza tsy manana CEPE fa azy ny posy entiny. Misy aza nahavita fianarana ambony momba ny "AGRONOMIE", mipetra-potsiny miandry "CONCOURS" hono e kanefa eto tsy vidiana ny rano (orana), malalaka ny tany any ambanivohitra tsy misy mpiasa.
I Ranaivo nefa tsy manana BEPC fa manana KUBOTA 2, sarety 4, omby 20 miasa hoan'ny taniny.
3- 30 taona ialahy mbola ny maman'ialahy ihany no mikarakara ny sakafon'ialahy, mbola izy koa no miantso an'ialahy hisakafo fa ialahy variana milalao "JEUX" eo .
4- Milaza tsy an'asa ialahy kanefa mahavita manao "ADMINISTRATEUR DE GROUP" ao anaty "facebook", rehefa mba lazaina ialahy hoe andehana mitady asa dia lazain'ialahy hoe "TSY TE HO BOTON'OLONA" fa te ho "patron".
5- Rehefa marary ny renin'ialahy, tsy manana homena ialahy kanefa rehefa ilay sipakelin'ialahy mangataka crédit 1.000 ar hanaovana akama dia omen'ialahy 10.000 ar hanaovana "forfait" iray volana.
6- Mahavita miari-tory hanaovana "j'aime" publication ve letsy tsy aleo mifoha maraina mandondona orinasa itadiavana asa. Na maninona moa raha mitady fivarotana iaraha-miasa dia maka "commision de vente" dia ialahy mivarotra ao amin'ny facebook rehefa kamo ihany.
Mitsangàna lesy a, angony ny "DIPLAOMA" dia dondomy ny orinasa rehetra fa tsy maintsy misy mandray an'ialahy ireo ary aza miavona asa izany fa tsy ho hitan'ny olona mihintsy ny traikefan'ialahy raha variana any ialahy.
Rehefa tsy te ho mpiasan'olona, mamorona lesy asa: makà voankazo any ambanivohitra dia amidio ety amin'ny ville, raha menatra ialahy hiloloha na hivarotra amoron-dalana, manamboara trano hazo kely dia lokoy tsara dia eo mivarotra voankazo, mamorona page facebook hoe MIVAROTRA VOANKAZO MADIO (ialahy tia facebook rahateo).
Ohatra fotsiny io ny ahy. Mbola azon'ialahy atao koa ange lesy ny manangana orin'asa misahana ny resaka fako e, afaka mampiasa olona maro ialahy lanjaina amin'ny kilao ny fako dia arak'arak'izay ny vola aloan'ny isatokantrano, azo atao hoe abonnement io. Tsy misy asa ratsy izany letsy a.
Rehefa tsy mahita hevitra ialahy betsaka lesy no azo iresahana, izaho afaka hanoro an'ialahy. Ny hevitra betsaka azo ifampizarana.
Tsy hoe izaho akory no tafita satria mbola miady toa an'ialahy ihany aho fa mba te hifampitarika hoamin'ny fahombiazana fotsiny lesy a.
Atsipy ny teny eny am-pon'ny mahalala