Union des Jeunes pour le Développement Rural-UJDR-

Union des Jeunes pour le Développement Rural-UJDR- 💪 Fiarahamonina - Tontoloiainana - Toe-karena 💪

🌀 FAMPITANDREMANA RIVO-DOZA – GEZANI 🌀Araka ny vaovao ofisialy, manakaiky ny morontsiraka atsinanan’i Madagasikara ny ri...
09/02/2026

🌀 FAMPITANDREMANA RIVO-DOZA – GEZANI 🌀

Araka ny vaovao ofisialy, manakaiky ny morontsiraka atsinanan’i Madagasikara ny rivo-doza GEZANI, ary mety hiditra eo anelanelan’i Mananara – Vatomandry.
⚠️ Ilaina ny miomana dieny izao.

✅ ZAVATRA TOKONY HATAO
✔️ Araho akaiky ny vaovao avy amin’ny Météo Madagascar sy BNGRC
✔️ Amboary sy afatory mafy ny tafo, varavarana, ary varavarankely
✔️ Esory na afatory ny zavatra mety hoentin’ny rivotra
✔️ Tehirizo mialoha ny rano fisotro, sakafo maina, fanafody, jiro, pile
✔️ Fantaro ny toerana fialofana azo antoka
✔️ Ataovy vonona ny finday sy ny chargeur

❌ ZAVATRA TSY TOKONY HATAO
🚫 Aza mivoaka mandritra ny rivo-doza
🚫 Aza miampita rano mikoriana
🚫 Aza manakaiky hazo lehibe sy andrin-jiro
🚫 Aza mino tsaho amin’ny tambajotra sosialy
🚫 Aza miverina amin’ny trano simba raha tsy voamarina fa azo antoka

🤝 Mifampitsinjo, mifampitandrina.
Ny fiomanana dieny izao no fiarovana ny aina rahampitso.
📣 Zaraina ity hafatra ity mba hahatratra ny rehetra.

FANDRAISANA ANDRAIKITRA HO AN’I IMORONANy fandrosoan’ny tanàna iray dia tsy miankina amin’ny mpitondra irery, fa miainga...
30/01/2026

FANDRAISANA ANDRAIKITRA HO AN’I IMORONA

Ny fandrosoan’ny tanàna iray dia tsy miankina amin’ny mpitondra irery, fa miainga amin’ny fandraisan’andraikitry ny vahoaka, indrindra ny tanora.

Ato anatin’ny UJDR, mino izahay fa ny fiovana tena maharitra dia avy amin’ny asa, ny fahendrena ary ny firaisankina.
👉 Tsy miteny betsaka, fa miasa.
👉 Tsy miandry foana, fa mandray andraikitra.
👉 Tsy manimba, fa manangana.

Ho an’i Imorona, isika tanora no fanalahidin’ny hoavy.
Andao hiara-hisalahy, hiara-hisaina, ary hiara-hiasa ho amin’ny fampandrosoana iombonana.

UJDR — Tanora mifoha, tanàna miarina. 🌱✨

Tontosa soamantsara ny formation pratique momba ny fanaovana pépinière, notanterahina teto anatin’ny fikambanana UJDR 🌱D...
23/12/2025

Tontosa soamantsara ny formation pratique momba ny fanaovana pépinière, notanterahina teto anatin’ny fikambanana UJDR 🌱
Dingana iray manan-danja amin’ny fanamafisana ny fahaiza-manaon’ny tanora sy ny fanorenana fambolena maharitra ho an’ny ho avy.
UJDR, miasa anio — manomana ny ampitso.

Tontosa androany ny fitsidihan’ireo mpanohana vahiny ny projet Club Environnemental ato anatin’ny UJDR( des Jeunes pour ...
01/12/2025

Tontosa androany ny fitsidihan’ireo mpanohana vahiny ny projet Club Environnemental ato anatin’ny UJDR( des Jeunes pour le Développement Rural IMORONA). Natambatra ny tanora sy ny fiaraha-miasa ka tanteraka ny fanadiovana ny tanàna sy ny amoron-dranomasina. Ary nifaranana tamin'ny alalan'ny fiaraha-misakafo izay hetsika izany — Imorona, mandroso amin’ny asa, maitso amin’ny fo.

IRETO ARY NY SARY NANAMARIKA IZANY

18/11/2025
17/11/2025

UJDR😊

RAHA LIANA IANAO NA IHANY HANOME SOSO-KEVITRA DIA MANDRAY ANAO IZAHAY😊☺️
15/11/2025

RAHA LIANA IANAO NA IHANY HANOME SOSO-KEVITRA DIA MANDRAY ANAO IZAHAY😊☺️

Address

Mananara Avaratra
511

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Union des Jeunes pour le Développement Rural-UJDR- posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Organization

Send a message to Union des Jeunes pour le Développement Rural-UJDR-:

Shortcuts

Share