Akanin'ny Famonjena

Akanin'ny Famonjena Centre d'accueil et d'éducation GRATUITS pour les enfants oprhelins/défavorisés sis à Manakara, Région Fitovinagny, Madagascar.

22/10/2025

La joie des enfants en ouvrant les cadeaux surprises.
Encore merci aux généreux donateurs.

Noely ny fiainanaTonga tampoka tsy nampilaza Ramatoa Talem-paritry ny Mponiny sy ny Firaisankina Fito Vinany nizara kila...
22/10/2025

Noely ny fiainana

Tonga tampoka tsy nampilaza Ramatoa Talem-paritry ny Mponiny sy ny Firaisankina Fito Vinany nizara kilalao ho an’ireto ankizy ny andron’ny 20 Oktobra 2025.

Feno hafaliana ny ankizy rehetra teo am-panokafana ny anjarany tsirairay avy. Nisy ny nahazo papoety, baolina, kapa, kiraro, fiarakely, sns.

Tena tsy nampoizina fa nahafinaritra! Misaotra Mama Noely nizara hafaliana.

Ho fanamarihana ny tsingerintaona faha 73 nahaterahan’i Mama Nirina ny andron’ny 20 Oktobra 2025, dia nisy ny fiaraha-mi...
21/10/2025

Ho fanamarihana ny tsingerintaona faha 73 nahaterahan’i Mama Nirina ny andron’ny 20 Oktobra 2025, dia nisy ny fiaraha-misakafo tamin’ireo Komity Mpitantana, ireo Mpanabe ary ny Mpitarika ny FRAM eto amin’ny Sekoly Taratry ny Famonjena, ny mpikambana ao amin’ny fikambanana Vavolombelon’ny Famonjen’Andriamanitra, ary ireo havana aman-tsakaiza.

Tonga nanome voninahitra an’izany fotoana izany i Mompera William izay isaorana manokana.

Notontosaina ny Alatsinainy 20 Oktobra 2025 ny Sorona Masina fanokafana ny taom-pianarana 2025-2026 ho an’ny Sekoly Tara...
21/10/2025

Notontosaina ny Alatsinainy 20 Oktobra 2025 ny Sorona Masina fanokafana ny taom-pianarana 2025-2026 ho an’ny Sekoly Taratry ny Famonjena.

Natolotra ihany koa ny Sorona Masina mba ho fahatsiarovana ny faha 73 taona nahaterahan’i Mama Nirina. Izy izay mpanorina, mpiahy ary mpamatsy ny Sekoly ary nametraka fa MAIMAIMPOANA ny fampianarana eo amin’izany Sekoly izany.

Nitarika ny fotoana i Mompera William izay nanambara fa niangarana manokana ny mpianatra eto amin’ny Sekoly izay tsy misy saram-pianarana ka tokony hahay hanararaotra izany mba tsy hanenina any aorina.

19/09/2025

Address

Ambokala Ex Bâtiment EC-ACM
Manakara
316

Telephone

+261341342252

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Akanin'ny Famonjena posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share