06/06/2026
FIKAONANDOHAM-PARITRY NY TANORA FITOVINAGNY
Nifarana ny Zoma 05 Jona 2026 ny Fikaonandoham-paritry ny Tanora Fitovinagny, izay notanterahina teto Manakara ny 04 sy 05 Jona 2026.
Nandray anjara tamin’izany ireo solontenan’ny tanora avy amin’ireo distrika telo ato anatin’ny faritra. Lohahevitra maro no nodinihina sy nifanakalozan-kevitra, ka nahafahan’ny tanora naneho ny heviny sy nizara ireo olana sy fanamby sedrainy.
Tamin’ny famaranana ny fikaonandoha dia naseho ireo hevitra sy soso-kevitra voaangona nandritra ny dinika, teo anatrehan’ireo tompon’andraikitra, olom-boatendry ary olom-boafidy eto an-toerana.
Nofaranana tamin’ny fomba ofisialy ny hetsika ka notarihin’Andriamatoa Lehiben’ny Faritra Fitovinagny.
DRJS Fitovinagny