Brand New Madagascar

Brand New Madagascar Soutenir la population vulnérable à Madagascar : nutrition, santé, éducation, carrière

🎄Hitondra fiadanana ho antsika anie ity Noely ity !Mirary fety sambatra ho antsika rehetra izahay ato amin'ny Brand New ...
25/12/2025

🎄Hitondra fiadanana ho antsika anie ity Noely ity !
Mirary fety sambatra ho antsika rehetra izahay ato amin'ny Brand New Madagascar 🎄

Atelier formation : « Communication non verbale »✅ Rehefa miasa amin’ny sehatra sosialy dia tena zava-dehobe ny fahafant...
16/12/2025

Atelier formation : « Communication non verbale »

✅ Rehefa miasa amin’ny sehatra sosialy dia tena zava-dehobe ny fahafantarana ny olona manoloana, na amin’ny alalan’ny fihetsiny fotsiny aza.

Izany no fiofanana nataon’ireo mpikambana sy mpirotsaka an-tsitrapo ato amin’ny fikambanana ny Alatsinainy 15 desambra.

🎯 Ny tanjona dia ny hahafahana mitazona ny fifantohan’ny olona, ary mampifanaraka ny resaka atao amin’ny fomba fijeriny sy ny fihetsiny.

*****
Ankoatra ny asa sosialy sy fanampiana ireo sahirana, dia vina lehibe ato amin’ny Brand new Madagascar ihany koa ny fivelaran’ireo mpikambana amin’ny alalan’ny fampiofanana sy atrikasa samihafa 👌

07/12/2025

‼️Anisan’ny mpahazo ny olona matetika, indrindra ny vehivavy, ny tsikera na fanaratsiana ny bika aman’endrika eny amin’ny fiaraha-monina eny.

Vao mainka izany niha-nahazo vahana nony niely ny fampiasana ny tambazotran-tserasera.

Fantaro anefa fa anisan’ny herisetra izay tena maharary izany satria misy voka-dratsy lehibe eo amin’ilay olona, ka miteraka fahaketrahana ary mety hampidi-doza mihitsy aza.

🟢 Amin’izao 16 andro hiadiana amin’ny herisetra mifototra amin’ny mahalahy na mahavavy izao dia andao isika hiara-hientana hanafoana ny

Manomboka izao dia andao hanorina fiarahamonina mampiaty, mifanaja ary tsy misy herisetra ✊🏼

𝗙𝗶𝗮𝗿𝗮𝗵𝗮-𝗺𝗼𝗻𝗶𝗻𝗮 𝗺𝗮𝗺𝗽𝗶𝗮𝘁𝘆, 𝗺𝗶𝗳𝗮𝗻𝗮𝗷𝗮, 𝘁𝘀𝘆 𝗺𝗶𝘀𝘆 𝗵𝗲𝗿𝗶𝘀𝗲𝘁𝗿𝗮Miseho amin'ny endrika maro ny herisetra nomerika ety amin'ny tamba...
06/12/2025

𝗙𝗶𝗮𝗿𝗮𝗵𝗮-𝗺𝗼𝗻𝗶𝗻𝗮 𝗺𝗮𝗺𝗽𝗶𝗮𝘁𝘆, 𝗺𝗶𝗳𝗮𝗻𝗮𝗷𝗮, 𝘁𝘀𝘆 𝗺𝗶𝘀𝘆 𝗵𝗲𝗿𝗶𝘀𝗲𝘁𝗿𝗮

Miseho amin'ny endrika maro ny herisetra nomerika ety amin'ny tambazotran-tserasera na any amin'ny hafatra miafina any.
Jereo anie ireto eh! Inona koa ny hafa fantatrareo ?

✅ANDAO HIFANAJA ! Fotoana izao hanovantsika fomba fijery sy fomba fisainana !
❌Aok’izay ny herisetra ara-nomerika atao amin’ny vehivavy !
❌Aok’izay ny herisetra mifototra amin’ny mahalahy na mahavavy !

16 jours d'activisme contre la violence basée sur le genre
pour la violence en ligne

́

05/12/2025

❌ Tsy ny vehivavy rehetra no tia an’ireny
❌ Tsy mamafa ny herisetra ny fitiavana
❌ Raha tsy mandefa dia misaraka

Fihetsika kely, fomba fiteny kely, mety ho tsy misy dikany aminao, nefa mikasika be ny toe-po sy ara-tsaina ho an’ny vehivavy.

🌸 Amin’izao andro iraisam-pirenena ho an’ny mpirotsaka an-tsitrapo izao dia manamafy ny fanentanana amin’ny 16 andro hiadiana amin’ny herisetra mifototra amin’ny mahalahy na mahavavy ireo mpikambana ato amin’ny Brand new Madagascar, izay miompana amin’ny lohahevitra herisetra nomerika atao amin’ny vehivavy amin’ity taona ity.

Ity horonantsary ity dia maneho teny tsotra, heverina matetika fa tsy misy dikany, nefa efa anisan’ny endrika herisetra nomerika ary mitarika ny fanalam-baraka izay matetika mpahazo ny vehivavy ety amin’ny tambazotra sosialy.

« Fiaraha-monina mampiaty, mifanaja, tsy misy herisetra »
Ministère de la Population et des Solidarités de Madagascar UNFPA Madagascar Association Reny Malagasy Mijoro

🟧 𝟭𝟲 𝗝𝗼𝘂𝗿𝘀 𝗱’𝗔𝗰𝘁𝗶𝘃𝗶𝘀𝗺𝗲 𝗰𝗼𝗻𝘁𝗿𝗲 𝗹𝗲𝘀 𝗩𝗕𝗚 – 𝗕𝗿𝗮𝗻𝗱 𝗡𝗲𝘄 𝗠𝗮𝗱𝗮𝗴𝗮𝘀𝗰𝗮𝗿 𝘀’𝗲𝗻𝗴𝗮𝗴𝗲Du 25 novembre au 10 décembre, Madagascar rejoint l...
26/11/2025

🟧 𝟭𝟲 𝗝𝗼𝘂𝗿𝘀 𝗱’𝗔𝗰𝘁𝗶𝘃𝗶𝘀𝗺𝗲 𝗰𝗼𝗻𝘁𝗿𝗲 𝗹𝗲𝘀 𝗩𝗕𝗚 – 𝗕𝗿𝗮𝗻𝗱 𝗡𝗲𝘄 𝗠𝗮𝗱𝗮𝗴𝗮𝘀𝗰𝗮𝗿 𝘀’𝗲𝗻𝗴𝗮𝗴𝗲

Du 25 novembre au 10 décembre, Madagascar rejoint le mouvement mondial des 16 jours d’activisme contre les Violences Basées sur le Genre (VBG), avec le thème international « Unissons-nous pour mettre fin à la violence numérique contre toutes les femmes et filles. »

Au niveau national, la campagne 2025 met en avant le thème 𝗙𝗶𝗮𝗿𝗮𝗵𝗮𝗺𝗼𝗻𝗶𝗻𝗮 𝗺𝗮𝗺𝗽𝗶𝗮𝘁𝘆, 𝗺𝗶𝗳𝗮𝗻𝗮𝗷𝗮, 𝘁𝘀𝘆 𝗺𝗶𝘀𝘆 𝗵𝗲𝗿𝗶𝘀𝗲𝘁𝗿𝗮 (Pour une société inclusive, respectueuse et sans violence.) , un message porté par le Ministère de la population et de la solidarité de Madagascar, mobilisant l’ensemble des 24 régions du pays.

💛 Nos engagements : protéger, éduquer, autonomiser
Pour Brand new Madagascar, dans le programme ARENO, la lutte contre les violences et la promotion des droits humains font partie de notre ADN. À travers ce programme, nous portons ces valeurs au quotidien :

🌼 𝗧𝗢𝗠𝗕𝗢𝗛𝗘𝗥𝗬 – 𝗗𝗿𝗼𝗶𝘁𝘀 𝗲𝘁 𝗮𝘂𝘁𝗼𝗻𝗼𝗺𝗶𝘀𝗮𝘁𝗶𝗼𝗻 𝗱𝗲𝘀 𝗳𝗲𝗺𝗺𝗲𝘀
– Sensibilisation aux violences (y compris numériques)
– Accompagnement des femmes vulnérables et survivantes
– Renforcement de l’estime de soi et des capacités économiques

🌱 𝗟𝗢𝗩𝗔𝗧𝗦𝗔𝗥𝗔 – 𝗘𝗱𝘂𝗰𝗮𝘁𝗶𝗼𝗻 𝗱𝗲𝘀 𝗲𝗻𝗳𝗮𝗻𝘁𝘀 𝗲𝘁 𝗮𝗱𝗼𝗹𝗲𝘀𝗰𝗲𝗻𝘁𝘀
– Prévention des violences physiques, psychologiques et sexuelles
– Éducation aux droits et à la sécurité (à l’école, en ligne, en communauté)
– Divers ateliers

🌿 𝗦𝗔𝗟𝗔𝗠𝗔 – 𝗣𝗿𝗼𝘁𝗲𝗰𝘁𝗶𝗼𝗻 𝗱𝗲𝘀 𝗽𝗲𝗿𝘀𝗼𝗻𝗻𝗲𝘀 𝗮𝗴𝗲𝗲𝘀
– Lutte contre les abus, négligences et discriminations
– Veille communautaire pour repérer et soutenir les personnes isolées
– Promotion du respect intergénérationnel

Nous invitons nos membres, partenaires et sympathisants à se joindre à cette mobilisation nationale et internationale.

Chaque action, chaque partage, chaque mot de soutien peut changer une vie.

Miroso hatrany ny dia ho fanampiana sy fanohanana ireo mpiray tanindrazana mba hanatsara ny fari-piainana sy hanomana ho...
25/11/2025

Miroso hatrany ny dia ho fanampiana sy fanohanana ireo mpiray tanindrazana mba hanatsara ny fari-piainana sy hanomana ho avy mamiratra.

Taorian’ny dinika sy fampiofanana dia efa mirotsaka an-tsehatra ireo mpikambana amin’ny fitetezana tokantrano sy fanadihadihana.

Izany rehetra izany dia iarahana miasa amin’ny fokontany avokoa.

Natomboka amin’ireo beantitra izany ho fanomanana ny hetsika fanaon’ny fokambanana isaky ny faran’ny taona.

́

Extrait de notre team building du 22 novembre à Ambatokely, un village chaleureux où les valeurs malagasy prônent et les...
23/11/2025

Extrait de notre team building du 22 novembre à Ambatokely, un village chaleureux où les valeurs malagasy prônent et les sourires sont toujours au rendez-vous 🌳

Une équipe bien soudée, des jeunes motivés pour le seul objectif d’offrir un nouveau départ aux populations vulnérables de Madagascar.

En avant pour cette nouvelle saison ✊🏼

́

✨Mankasitraka ny Lunety OPTIC tamin'ny fiaraha-miasa ka nahazoan'ny ambin'ireo ankizy ny solomaso sahaza azy ireo.Ity mo...
17/11/2025

✨Mankasitraka ny Lunety OPTIC tamin'ny fiaraha-miasa ka nahazoan'ny ambin'ireo ankizy ny solomaso sahaza azy ireo.

Ity moa dia tao anatin'ny hetsika fizahana maso sy fanolorana solomaso maimaim-poana niarahana tamin'ny Mahita - Paediatric Ophthalmology & Training Project ka efa nahazoan'ny ampahan'ireo ankizy solomaso.

Ny tanjona dia ny hahatomobana tsara ny fianaran'ireo ankizy raisin'ny fikambanana an-tanana ka manana olana ara-pahitana mba hahatratrarany ny tanjona.

Ho anao izay te hanohana ireo ankizy, dia manana ny programme de parrainage izahay, izay hahafahan'ireo rehetra tsara sitrapo mandray an-tanana na mitondra fanampiana ho an'ireo ankizy.

𝑩𝒖𝒊𝒍𝒅𝒊𝒏𝒈 𝒏𝒆𝒘 𝒔𝒕𝒂𝒓𝒕
📧[email protected]
☎️ +261 37 26 949 10

Address

Manakambahiny
Manakambahiny
101

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Brand New Madagascar posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share