26/09/2024
Atoa LAHY Nomendrazana Bien Aimé no kandida avy amin'ny Fikambanana Gomabe ho an'ny Commune Bekoratsaka Mampikony.
Tovolahy vao herotrerony nefa manana vina matotra sy mazava ary hentitra entina anarenana ny Kaominina misy azy izy.
Hetahetam-bahoaka no niantso azy ka namaly izany am-panetren-tena ny tenany. Manohana azy tsy misy fepetra ny Fikambanana Gomabe Sofia.