Ho an'i Mahajanga

Ho an'i Mahajanga Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from Ho an'i Mahajanga, Nonprofit Organization, Majunga.

✅Lany nandritra ny fivoriambe, notarihin’ny Filoha mpisolo toerana SOAFILIRA Princia, izay notanterahina teto anivon’ny ...
06/11/2024

✅Lany nandritra ny fivoriambe, notarihin’ny Filoha mpisolo toerana SOAFILIRA Princia, izay notanterahina teto anivon’ny Antenimierampirenena ny talata 05 novambra 2024, ny volavolan-dalàna laharana faha-005/2024, sy ny volavolan-dalàna laharana faha-011/2024.
✅Nanatrika ny fivoriana ny Minisitry ny Asa Vaventy RAFIDISON Richard Theodore sy ny teknisianina ao amin’ny minisiterany ary ny teknisianina avy amin’ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka.
✅Ny volavolan-dalàna voalohany dia mikasika ny « Fly-Over Maki », « projet de loi autorisant la ratification de l’accord de prêt relatif au financement du projet d’aménagement du Fly Over Maki, croisement entre la Route Francophonie et le Boulevard de l’Europe ». Ity famatsiam-bola ity dia mitentina 31,5 tapitrisa dolara amerikana ka ny 28 tapitrisa amin’izany dia avy amin’ny BADEA na Banque Arabe pour le Développement Economique en Afrique. Izy ity dia samihafa amin’ny famatsiam-bolan'ny Fly Over Anosizato izay efa nankatoavina teto anivon’ny Antenimierampirenena ny taona 2022.
✅Ny volavolan-dalàna faharoa kosa dia momba ny ady amin’ny VIH/SIDA. Volavolan-dalàna izay manova sy mameno ny fepetra sasan-tsasany amin’ny Lalàna laharana faha-2005-040 momba ny ady amin’ny VIH/SIDA sy ny fiarovana ny zon’ireo olona miaina miaraka amin’ny VIH/SIDA. Izy ity dia mamindra eo ambany fiahian’ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka ny SE/CNLS (Secrétariat Exécutif du Comité National de Lutte contre le Sida) raha ratsa-mangaikan’ny Fiadidiana ny Repoblika izany teo aloha.

27/09/2024
Ramatoa SOAFILIRA Princia,Filoha lefitry ny Antenimieram-pirenena, Faritany Mahajanga.Mitsoaka eto Mahajanga ny rivo-bao...
27/09/2024

Ramatoa SOAFILIRA Princia,
Filoha lefitry ny Antenimieram-pirenena, Faritany Mahajanga.
Mitsoaka eto Mahajanga ny rivo-baovao amin'ny fomba fanaovana politika ankehitriny. Efa sahy mijoro mandray andraikitra ny tanora, ny vehivavy, ary ireo mpitarika fikambanana. Ndeha ho ataontsika fifaninanana masina ity fifidianana Ben'ny tanàna ity ka anaty fifanajana sy ny fanajana lalàna tanteraka.
Tokana ny tanjona dia i Mahajanga mifankatia,
Mahajanga tsy maintsy mandroso.
Ho an'i Mahajanga

26/09/2024

FIFIDIANANA BEN'NY TANÀNA,
NA DIA MAROLOKO AZA, MAHAJANGA IRAY, MAHAJANGA MIFANKATIA.
HO AN'I MAHAJANGA

Raha tazanina lavitra dia toa tony ny fahita azy, fa rehefa miha manakaiky dia hita ho misafotofoto ny raharaha politika...
24/09/2024

Raha tazanina lavitra dia toa tony ny fahita azy, fa rehefa miha manakaiky dia hita ho misafotofoto ny raharaha politika eto Mahajanga. Na ny mpanohana, na ny mpanohitra na ireo milaza ho hery ampovoany dia samy miezaka miseho kanefa tokana ihany ny tanjona dia ny fampandrosoana maharitra mba hisitrahan'ny vahoaka ny tena filaminana ao anatin'ny fifankatiavana.
Isaorana ny Filoha lefitry ny Antenimieram-pirenena Ramatoa Soafilira Princia izay mijoro mitarika ny rehetra mba hiasa sy hiray hina ho an'i Mahajanga amin'ny maha raiamandreny azy.

Ramatoa Soafilira Princia, Filoha Lefitry ny Antenimierampirenena Faritany Mahajanga dia mankahery sy miombom-po amin'ir...
22/09/2024

Ramatoa Soafilira Princia, Filoha Lefitry ny Antenimierampirenena Faritany Mahajanga dia mankahery sy miombom-po amin'ireo rava fananana noho ny haitrano tao Mananjary. Ary manentana ny rehetra mba hitandrina fa fotoana mahamora ny firehetan'ny afo izao noho ny fiovaovan'ny toetr'andro.
Samia ho tahian'Andriamanitra.

Tanjona sy fanamby lehibe no napetraka ho an'i Mahajanga, dia ny hanova sy hitondra ny tena fampandrosoana maharitra ent...
19/09/2024

Tanjona sy fanamby lehibe no napetraka ho an'i Mahajanga, dia ny hanova sy hitondra ny tena fampandrosoana maharitra entina hamerenana ny lazan'i Mahajanga hatrizay. Vonona ireo kandida Maires izay miara-dia amin'ny fitondrana ho an'i Mahajanga miaraka amin'ny Filoha lefitry ny Antenimieram-pirenena Ramatoa Soafilira Princia izay manana haitarika miavaka ao anatin'ny Fihavanana tanteraka mba ho tombotsoan'ny vahoakan'i Mahajanga tsy misy hanavahana.
Mahajanga tsy maintsy mandroso.

Ny Filoha lefitry ny Antenimieram-pirenena Faritany Mahajanga Ramatoa Soafilira Princia dia maneho fiaraha-miory sy mank...
13/09/2024

Ny Filoha lefitry ny Antenimieram-pirenena Faritany Mahajanga Ramatoa Soafilira Princia dia maneho fiaraha-miory sy mankahery ary mirary fiononana feno ho an'ny ankohonana sy ny fianakaviana noho ny fidiamandrin'ny Loholona Ramanambitana Richard sady Filohan'ny Delegasiona manokana CUA teo aloha, Filohan'ny Fikambanana IFI.
Homba anareo anie Andriamanitra tompon'ny fiononana.

HO AN'I MAHAJANGAMirary taom-pianarana mahafinaritra sy feno fahombiazana ho an'ny mpianatra sy ny raiamandreny malagasy...
10/09/2024

HO AN'I MAHAJANGA
Mirary taom-pianarana mahafinaritra sy feno fahombiazana ho an'ny mpianatra sy ny raiamandreny malagasy rehetra. Singaniko manokana ianareo eto amin'ny Faritany Mahajanga, eo anilanareo mandrakariva izahay mifanohana aminareo satria ny fianarana no lova tsara indrindra.

MAHAJANGA MIFANKATIA TSY MAINTSY MANDROSO.
09/09/2024

MAHAJANGA MIFANKATIA TSY MAINTSY MANDROSO.

HO AN'I MAHAJANGATsy diso safidy ny solombavambahoaka nisafidy an-dRamatoa Soafilira Princia ho Filoha lefitry ny Anteni...
07/09/2024

HO AN'I MAHAJANGA
Tsy diso safidy ny solombavambahoaka nisafidy an-dRamatoa Soafilira Princia ho Filoha lefitry ny Antenimieram-pirenena Faritany Mahajanga satria dia rivotra politika vaovao, fiaraha-monina vaovao anaty firaisana hina tanteraka mba ho an'i Mahajanga. Ary fanamby lehibe napetrany fa tsy maintsy miova Mahajanga ary miasa anatin'ny fitiavana ho an'ny tombontsoam-bahoaka.

Address

Majunga

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Ho an'i Mahajanga posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share