Plateforme TAFAVORI

Directions

Plateforme TAFAVORI "Se réunir pour bâtir" 🤗🤝

Une plate-forme indépendante des associations des jeunes Boeny.

18/08/2026

Connexion illimitée ato des Jeunes
Mpianatra? Mpiasa? Olon-tsotra?

Ao anaty vidéo ny hafatra

Fandraisana anjara :
- 3h : 500 Ar
- 1 journée : 1000 Ar
Abonnement
- 1 semaine : 3000 Ar
- 1 mois : 10 000 Ar

Toerana Espace des Jeunes, anatin’ny lakoron'ny Jeunesse et Sports.

Mandeha foana connexion tsika na mihidy trano.

Efa misy ordinateur azo ampiasaina koa ao.

Natao izao mba ho fifampitsinjovatsika.

"Se réunir pour bâtir"

Fanadiovana Petite Plage.Fiaraha-miasa teo amin’ny Plateforme TAFAVORI tamin’ny alalan’ireo fikambanana mivondrona ao am...
17/08/2026

Fanadiovana Petite Plage.

Fiaraha-miasa teo amin’ny Plateforme TAFAVORI tamin’ny alalan’ireo fikambanana mivondrona ao aminy sy STAR Madagascar ary ny Commune Urbaine de Mahajanga.

Ho hitatsika ny mety ho tohin'ny Fiaraha-miasa ho fitehirizantsika ny fahadioavan'ny tanàna io amin’alalan’ny Tetika Kopakelatra izay novolavolain'ny STAR Madagascar.

Anio Alatsinainy 17 aogositra 2026.

Bôjo. Tonga dia Manoràta anarana amin’ny numéro ireo.
10/08/2026

Bôjo.
Tonga dia Manoràta anarana amin’ny numéro ireo.

Fikaonandoham-pirenena ho an’ny tanora Hatao any Antananarivo ny 29 ka hatramin’ny 31 jolay sy 01 aogositra 2026, ao ami...
28/07/2026

Fikaonandoham-pirenena ho an’ny tanora

Hatao any Antananarivo ny 29 ka hatramin’ny 31 jolay sy 01 aogositra 2026, ao amin'ny CCI Ivato.

Mandray anjara mavitrika amin’izany ny Plateforme TAFAVORI raha izao sary hitantsika izao.

'Ndao mba hirary soa ireo namatsika hisolontena antsika.

Andro Manera-tany ho an’ny Fahaiza-manaon'ny Tanora.Rahampitso alarobia 29 jolay ao amin’ny Akory Aly Mangarivotra Mahaj...
28/07/2026

Andro Manera-tany ho an’ny Fahaiza-manaon'ny Tanora.

Rahampitso alarobia 29 jolay ao amin’ny Akory Aly Mangarivotra Mahajanga isika, manomboka 8:30 maraina.

Jereo ao amin’ny commentaires ireo programme amin'ity herinandro ity.

Maimaim-poana avokoa ny hetsika.

Zarao amin’ny namana.

24/07/2026

𝐒𝐈𝐄𝐅 𝟐𝟎𝟐𝟔 | 𝐀𝐅𝐈𝐒𝐘 𝐎𝐅𝐈𝐒𝐈𝐀𝐋𝐘 – TOGO 🇹🇬

Hatao ny 31 Jolay sy 1 Aogositra 2026 ao amin’ny Oniversiten’i Lomé (Togo) ny SIEF 2026, mitondra ny lohahevitra hoe:

« Ny risika eo amin’ny fandraharahana ao anatin’ny tontolo afrikanina »

Hetsika mandritra ny roa andro izy ity, ahafahana mifanakalo traikefa, mahazo aingam-panahy ary manokatra fahafahana vaovao, ho fanomezam-boninahitra ireo vehivavy afrikanina mamorona, manavao ary mitondra fiovana.

🇲🇬 Misolo tena an’i Madagasikara amin’ity fifaninanana ity i Raharisoa Nadine Clara amin’ny alalan’ny tetikasa Fambolena Saonjo, tetikasa miady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo sady mamorona asa.

🙏 Andao hanohana azy amin’ny alalan’ny latsa-bato (vote) an-tserasera!

💰 1 000 Ar monja isaky ny vote, ary azo atao imbetsaka ny mifidy.

Ahoana ny fomba hanaovana vote?

➡️ Midira amin’ity rohy ity ary araho ny toromarika: https://zekin.me/sief2026/SIEF69

Na koa,

➡️ Alefaso mivantana ny fanohananao amin’ity laharana ity, izay ampiasaina hanaovana ny vote: 032 89 037 56 (Raharisoa Nadine Clara)

🇲🇬 Reharehan’i Boeny sy Madagasikara iray manontolo izy. Andao hiara-hanohana azy hahazo fandresena.

📹 Ao anatin’ilay horonan-tsary no ahitana ny hafatra rehetra.

📢 Zarao amin’ny hafa ity antso fanohanana ity mba hahafahan’ny maro mandray anjara sy manampy ity mahery fo malagasy ity.

SIEF 2026 – Miara-manorina Afrika iray mandray anjara sy mitovy zo ho an’ny rehetra.

🔗 Pejy Facebook-n’i Raharisoa Nadine Clara : https://www.facebook.com/nadineclara.raharisoa

Yas Togo no mpanohana ofisialy ny SIEF 2026.

Andro Manerantany ho an’ny Fahaiza-manaon'ny Tanora.Mitohy ny fampiofanana ireo tanora.Tanora mpitarika ve ianao?,Tanora...
24/07/2026

Andro Manerantany ho an’ny Fahaiza-manaon'ny Tanora.

Mitohy ny fampiofanana ireo tanora.

Tanora mpitarika ve ianao?,
Tanora tia maneho hevitra imasom-bahoaka,
Tanora te ahafehy momban'ny fanentanana,
Ny tanora rehetra mihitsy no hasaina.

Ity manaraka ity dia izay rehetra momban'ny fandrindrana lanonana, fahaiza-mandrindra teny, ny momban'ny arofenitra no hozaraina.

Ny Faritra Boeny no handray an-tanana ity fampiofanana manaraka ity.

Toerana : Salle de Réunion, eny Bloc Administratif, Région Boeny.
Daty : 27 jolay 2026 izao amin’ny 08 ora maraina sy 28 jolay 2026 amin’ny 02 ora tolak'andro.

Maimaim-poana fa tsy maintsy misoratra anarana mialoha amin’ny (SMS) : 0322468449 na 0340797399.

Mifampilazà ary aparitao ho hitan'ny hafa.

Tanora? Fikambanan'ny tanora?Kara itako ambiance Dimanche io🤗Mitondrà maillot de bain fa sady manadio no manalazy tsika ...
16/07/2026

Tanora? Fikambanan'ny tanora?

Kara itako ambiance Dimanche io🤗

Mitondrà maillot de bain fa sady manadio no manalazy tsika miaraka amin’ny raiamandreny amin’ny tanàna eto.

Mentionné-o namanao tia raha kara ty basy!!!

🚀 Ny fahaiza-manao anio no manorina an'i Madagasikara rahampitso!Ho fankalazana ny Andro Maneran-tany ho an'ny Fahaiza-m...
16/07/2026

🚀 Ny fahaiza-manao anio no manorina an'i Madagasikara rahampitso!

Ho fankalazana ny Andro Maneran-tany ho an'ny Fahaiza-manaon'ny Tanora 2026, manasa anao izahay hanatrika andiana hetsika natao hanamafisana ny fahaiza-manao, hampiroboroboana ny fanavaozana ary hanohanana ny fizakan-tenan'ny tanora.

Hisy kaonferansa, adihevitra, masterclass ary fiofanana azo ampiharina, iarahana amin'ireo matihanina sy manampahaizana, hifantoka amin'ny fampitomboana ny fahafahana hahazo asa, ny fandraharahana, ny fitarihana ary ny fandraisana andraikitra eo amin'ny fiarahamonina.

Na mpianatra ianao, na vao nahavita fianarana, na mpandraharaha, na tanora te hivoatra, dia fotoana iray tsy tokony ho diso ity hanamafisana ny fahaiza-manaonao, hanitarana ny tambajotrao ary hanatanterahana ny vinao.

Ny fampiasam-bola amin'ny fahaiza-manaon'ny tanora dia fampiasam-bola ho an'ny hoavin'i Madagasikara.

Maimaim-poana izy jiaby io.

-o ao amin’ny tianao iny🤗

📅 15 ka hatramin'ny 31 Jolay 2026

📍 Toerana:
• CCI Mahajanga
• Akory Haly
• Salle de Conférence Région
• Espace des Jeunes
• EAM
• American Corner Mahajanga (ACM)

Tongava maro ary aza adino ity fotoana lehibe ity!

11/07/2026

Ialana tsiny fa nohon'ny fandaminana dia ahemotra ilay fotoana saika hivoriana momban'ny JIJ anio à 15h

Address

Amborovy
Majunga

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Plateforme TAFAVORI posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Shortcuts

Share