KFIM BOENY

KFIM BOENY Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from KFIM BOENY, Nonprofit Organization, Majunga.

Vahoaka aloha, mankasitraka Président
12/06/2026

Vahoaka aloha, mankasitraka Président

FITSIDIHANA ARAKA ASA AN'I GABON 🇬🇦 NIHAONA NY FILOHA ROA TONTA  FILOHA COLONEL MICHAEL RANDRIANIRIANA SY FILOHA GABON B...
06/06/2026

FITSIDIHANA ARAKA ASA AN'I GABON 🇬🇦 NIHAONA NY FILOHA ROA TONTA FILOHA COLONEL MICHAEL RANDRIANIRIANA SY FILOHA GABON BRICE CLOTAIRE OLIGUI NGUEMA.

Nifantoka tamin’ny fanamafisana ny fiaraha-miasa ara-toekarena, ara-teknika ary ara-diplomatika eo amin’i Madagasikara sy Gabon ny dinika.

Nohamafisin’ny roa tonta ny finiavana hiara-hiasa amin’ireo sehatra stratejika toy ny harena voajanahary, indostria, fanofanana ary fampandrosoana maharitra, ho tombontsoan’ny vahoaka roa tonta.

Naneho ny fanohanany an’i Madagasikara sy ny faniriany hanamafy ny fifandraisana ara-pirahalahiana sy ara-diplomatika ihany koa ny Filoham-pirenena gabonais.

Fiaraha-miasa matanjaka, fifampitokisana lalina ary vina iraisana ho an’ny fampandrosoana maharitra. 🇲🇬🇬🇦

Madagasikara mivoatra sy mandroso ary vahoaka Malagasy miala @ fahantrana no tanjona

NANOME BAIKO NY MPIATNDRO FILAMINA NY FILOHAM-PANJAKANA I COLONEL MICHAEL RANDRIANIRIANA AMIN’NY TOKONY HANAVOTANA NY ZA...
03/06/2026

NANOME BAIKO NY MPIATNDRO FILAMINA NY FILOHAM-PANJAKANA I COLONEL MICHAEL RANDRIANIRIANA AMIN’NY TOKONY HANAVOTANA NY ZAZA VARIRA NISY NAKA ANKERINY TAO ANKAVIA KOMININA BEMAVO DISITRIKAN'I BEROROHA

Araka ny vaovao voaray farany, dia velona soa aman-tsara ilay zaza, izay tena vaovao mampitony ny fon’ny rehetra sy mampiverina fanantenana.

Fisaorana lehibe no atolotro ny fokonolona, ny Zandarimariam-pirenena ary ireo rehetra nandray anjara tamin’ny fikarohana sy fanenjehana, ka nahafahana nahita ilay zaza very tao Ankavia, Kaominina Bemavo, Distrikan’i Beroroha.

Maneho ny hafaliako sy ny fankasitrahako ny firaisankina nasehon’ny mponina sy ny herim-po nasehon’ireo mpitandro filaminana aho. Porofon’izany fa rehefa miray hina ny vahoaka sy ny fanjakana dia azo resena ny olana sedraina.

Ny ain’ny zaza dia sarobidy. Ny fiarovana ny ankizy dia adidin’ny rehetra.

02/06/2026
Ampy izay ny fanaovana habibiana @ ireo Malagasy namana
01/06/2026

Ampy izay ny fanaovana habibiana @ ireo Malagasy namana

Ampy izay!
Basy Eky zalahy e!

Ry tompon'andraikitra mpiaro ny zon'olombelona.
Ry tompon'andraikitry ny minisiteran'ny mponina.
Ry tompon'andraikitry ny fitandrona ny filaminana.
Ry tompon'andraikitry ny Fitsarana.
Raiso ny andraikitra fa efa loza mihatra amin'ny maha olona izao miseho izao.

Tsy ampy ny kabary sy fitserana fa fandraisana andraikitra feno no andrasan'ny vahoaka aminareo, indrindra fa ny ray aman-drenin'ireo zaza ireo.

Ny dia miray fo sy mijoro eo anilan'ireo olona manana toetena Varira, ary maneho ny fahavononany fa hanolo-tanana amin'ny fomba rehetra hamahana io olana io.

31/05/2026
Ireo sariny mpikambana ato @ KFIM BOENY nisongadina t@ fandalovan'i PRRM colonel Mickaël eto Mahajanga. Ary tena manohan...
30/05/2026

Ireo sariny mpikambana ato @ KFIM BOENY nisongadina t@ fandalovan'i PRRM colonel Mickaël eto Mahajanga.

Ary tena manohana ny fitondrana Fanavaozana izao ny KFIM BOENY.

Koa mihomana ianareo any @ district ato @ Faritra Boeny fa hanomboka tsy ho ela ny fametrahana biraon'ny KFIM @ district.

Tongasoa Mr le Président 🙏KFIM BOENY manotrona ny fahatongavan'ny filohan'ny fanavaozana Kolonely RANDRIANIRINA Michael ...
25/05/2026

Tongasoa Mr le Président 🙏

KFIM BOENY manotrona ny fahatongavan'ny filohan'ny fanavaozana Kolonely RANDRIANIRINA Michael eto Mahajanga.

KFIM Ofisialy
Vahoakan'ny Mahajanga Miray officiel
Vahoakany Mahajanga Miray

🇲🇬 PRRM TAO @ DISTRIKAN'NY FANDRIANA,OMALY SABOTSY 23 MAI 2026 :MANGATAKA NY HAMOAHANA NY ANARAN'NY  ENTREPRISE NAMBOATR...
24/05/2026

🇲🇬 PRRM TAO @ DISTRIKAN'NY FANDRIANA,OMALY SABOTSY 23 MAI 2026 :

MANGATAKA NY HAMOAHANA NY ANARAN'NY ENTREPRISE NAMBOATRA NY LALANA ANTSIRABE IZAY EFA SIMBA SAHADY NY FILOHA NY FANAVAOZANA.

📢 Hentitra ny Filohan'ny Fanavaozana Col.Mickael Randrianirina nandritrin'ny kabariny teo Andidy Ambohimirary Sud io maraina io,fa ilainy ho fantatra maika ny Entreprise sy ny Ingénieur de Contrôle nanao ny lalana miditra Antsirabe izay vao vita io,fa efa ahitana fahasimbana sahady. " Goudron nararaka ambony fasika angamba ..." hoy izy mahita ny fahapotehana sahady . Io asa io izay fifanarahana tamin'ny fitondrana teo aloha.

📢 Mahakasika ny RN41 : Voalaza nandritrin'ny kabary io maraina io hatrany,fa ilaina atao peta-drindrina ho hitany rehetra ny tetibidy ny asa.Indrindra ny anaran'ny Ingénieur de contrôle,hisorohana ny kolikoly sy ny fanaovana asa tandrevaka.

🔴 Nohamafisiny fa hentitra ny Fanjakana ankehitriny mahakasika ny fanaovana foto-drafitrasa mpanjakana,tsy hiverenan'ny lesoka teo aloha intsony.

Address

Majunga
401

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when KFIM BOENY posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share