23/08/2026
TENIN’IREO FILOHA
ZO FENO ANANAN’NY OLOMPIRENENA MALAGASY NY HISAFIDY MALALAKA NY LALAMPANORENANA MAHARESY LAHATRA AZY HIFEHY AN’I MADAGASIKARA
Tsy vao izao fa isaky hivoaka krizy politika ny Malagasy dia mipoitra foana ary voatsindry foana ny fitakiana ny fametrahana ho isan’ny safidy atao ny lalampanorenan’ny fanjakana federaly. Hatreto dia nampiasaina ho fanaovana amboletra ny fitsampan-kevim-bahoaka ka nanaovana tian-kano tsy tian-kano Lalampanorena Fanjakanatokana. Lany foana ny ENY ary notsinotsinoavina ny fahambanian’ny taham-pahavitrihana, vokany tsy maharitra dimy amby folo taona akory ny faharetan’ny herin’ilay ENY dia mandalo krizy indray.
Nisafidy nilokaloka fanavaozana ny mpitondra fanjakana misy amin’izao kanefa dia mbola miteraka ady hevitra mafana ny fitakiana « fisafidiananalalampanorenana » amin’ny endriny maromaro misy mitaky etsy sy eroa.
Resy lahatrany fikambanana KMF/CNOE-Fanabeazana olompirenena fa raha tena hamaha ny fototry ny olana politika eto Madagasikara isika dia isany fanapahan-kevitra tsy maintsy raisina ny fanajana ny zo hisafidy ankalalahan’ny olompirenena izay endrika Lalampanorenana Repoblikanina rehetra mipoitra amin’ny dingan’ny fifanakalozan-kevitry ny olompirenena.
Adidy sy andraikitry ny fikambanana izay tsy manohana firehana toa ny KMF/CNOE sy ny teknisianina ny mitaky ny hanajana izany zo fototra ananan’ny olompirenena Malagasy izany ary iantsoana ireo manampahaizana hitondra fanazavana tsy mitanila mahakasika ireo endrimpitondrana (forme de l’Etat) rehetra hitamaneran-tany sy mety ho azo eretreretina ka azo ampiharina eto Madagasikara. Tsy fanaovana izany dia midika ho fanekena ireo hevi-diso afafy etsy sy eroa hanabadoana ny olompirenena tsy mahafehy ny marina mahakasika ireo endrimpitondrana rehetra misy ireo. Manomboka androany dia araho ny pejy fa hitondra fanazavana tsy mitanila mahakasika ny endri-pitondrana misy maneran-tany ka manaja ny fenitra Repoblikanina ny KMF/CNOE amin’ny maha mpanabe olompirenena vanona azy.
Antananarivo, 21 Aogosïra 2026
NAMEARISON Robert, Filohan'ny Federasiona KMF/CNOE-Fanabeazana olompirenena