13/02/2025
Miarahaba antsika rehetra Ekipa teknika manerana ny Nosy, mamerina ny fiarahabana nahatratra ny taona vaovao 2025. Miroso amin'izay isika amin'ny asa, tapitra izay ny fiomanana rehetra.
Indro ny toromarika ho antsika FSFLM rehetra mandritra ny fankalazana ny alahadin'ny FSFLM ny faha 16 febroary ho avy izao.
Araka ny voalaza tao anaty fehi-kevitra sy ny toromarika dia toy izao ny andinindininy:
-Manao fanamiana ara-dalana avokoa ny FSFLM rehetra manerana ny nosy mandritra ny tontolo andro,
-Manao fanentanana ho an'ny fiaraha-monina, ho an'ny fiangonana milaza ny maha zava-dehibe ny fanabeazana kristiana ataontsika ato amin'ny skoto Loterana
"Izay tena mitory an'i Jesosy Kristy amin'ny olombelona rehetra ka mametraka ho laharam-pahamehana ny fiainana isanandro ny soratra masina irery Ihany, mifototra amin'ny finoana, amin'ny alalan'i Jesosy Kristy irery Ihany izay lohalaharana amin'ny fiainan'ny mpikambana rehetra. Hamirapiratra eny rehetra eny ho tena vavolombelon'i Jesosy Kristy, ho olom-pirenena Vanona Ary ho Andrin'ny fianakaviana."
Miaraka manatrika fotoam-pivavahana ny isam-pivondronana, isam-pileovana, ka mihira ny hira "FEON'ANTSIVA".
-Tsy Hadino ny mitondra am-bavaka ho an'ny Fikambanana, ny mpikambana tsirairay ao aminy, ireo mpitantana, ireo mpanabe, ireo mpanohana, ireo beazina....
-Hifampiresahana mialoha amin'ny tompon'andraikitra ao amin'ny fiangonana ny resaka rakitra.
Marihina fa afaka manomboka ny hetsika fanentanana isika ny asabotsy alohan'io araka izay hifandaminana isam-piangonana na isam-pileovana sns rehetra any. Afaka manao karazana expo sns.
Ampitaina sy aparitaka amin'ny isan-tsynoda sy isam-pileovana sy isam-pitandremana misy antsika rehetra any ity filazana ity amin'ny alalantsika ekipa teknika..
NY MPANDRINDRA TEKNIKA NASIONALY.