07/05/2026
Tompokolahy sy Tompokovavy !
Variana mioloholo irery eo ambony Seva ry lahy irony Ambolo ampitan-kady , tamana irery eo ambony vatolampy re roy irony Sopanga andrefan-tanàna ,fa isika VOAHARY KANTON'AMBOHITSAINA ( MPIOFANA SY TAKALO) kosa tsy mba Varijo an'ivon-drano ka rebika irery tsy mitafa !
🔴TAKALOBE NENTIN-DRAZANA + VELAKEVITRA MAMPANDROSO !
Mpisorona : MBOLA NAMANA , Mpikabary,Mpanoratra , Mpampianatra, Andrerezin'ny Kabary !
Loha -hevitra 👉 KABARY SY KANTO MANANDRATRA NY SOATOAVINA MALAGASY 💯
✔️Andro : ALAROBIA 13 MAI 2026
✔️Toerana : SALLE D'ÉTUDE FMSA ANKATSO
✔️Ora : @02 ora hatramin'ny 04 ora hariva
Afaka Tonga daholo n'iza n'iza ,na avy aiza na avy aiza !!
SARA-KASINA : 5000 Ar Olona ivelany
SARA-KASINA : 2000 Ar ekipa Voahary kanton'Ambohitsaina
Tongava maro,entano ny ekipa !
NB : Hisy Hainteny ho zaraina amin'io,hisy ihany koa fampiratina boky