Association des Étudiants Solidaires d'Ihorombe-AESI

Association des Étudiants Solidaires d'Ihorombe-AESI ✨GN'ANAK'IHOROMBE MANDRATO FIANARA, HAMPIVOATSY GNY FARITSY BARA✨

Tsara ho fantatra.✨Ho antsika vao Afaka bacc teo ✨
20/08/2026

Tsara ho fantatra.
✨Ho antsika vao Afaka bacc teo ✨

TOURNOI INTER-FEMININE FOOTBALL ANDRAINJATO 2026  IHOROMBE 1-0 TOAMASINA
16/08/2026

TOURNOI INTER-FEMININE FOOTBALL ANDRAINJATO 2026


IHOROMBE 1-0 TOAMASINA

Ho anareo zandry izay magniry handrato fianara ety amin'ny Université de Fianarantsoa dia tsara gny mampahafantatra anar...
16/08/2026

Ho anareo zandry izay magniry handrato fianara ety amin'ny Université de Fianarantsoa dia tsara gny mampahafantatra anareo gny Filière misy ety amin'ny Université de Fianarantsoa mba ahafahana manao gny Safidy tsara.

Eto ahay dia vonona amin'ny fagnampia anareo na amin'ny lafiny abiaby ka aza misalasala.

Anak'Ihorombe mandrato fianara,hampivoatsy gny faritsy bara✍️

TOURNOI INTER-FEMININE FOOTBALL ANDRAINJATO 2026IHOROMBE 🆚 TOAMASINA 🗓️16 AOÛT 2026🕑09 h00🏟️ Terrain foot à 9 Andrainjat...
14/08/2026

TOURNOI INTER-FEMININE FOOTBALL ANDRAINJATO 2026

IHOROMBE 🆚 TOAMASINA

🗓️16 AOÛT 2026
🕑09 h00
🏟️ Terrain foot à 9 Andrainjato

Mevia lako tsika rolahy 🤝🙏

Akory aby!Nivaly moa igny fanandinam-panjakana Baccalauréat.Miarahaba ho anareo nahomby ary mampahery anareo izay tsy na...
12/08/2026

Akory aby!

Nivaly moa igny fanandinam-panjakana Baccalauréat.
Miarahaba ho anareo nahomby ary mampahery anareo izay tsy nahomby.

Manoloana an'izay dia hanomboka gny fikarakaraka gny antontan-taratasy hidirana ety .

Izahay ato aminay ato Association des Étudiants Solidaires d'Ihorombe-AESI dia afaka magnampy anareo zandry amin'ny fikarakarana izay dossier izay ary afaka mampiantrano anareo avao koa.

Ataonay izao mba hagnampia anareo sy gny Ray aman-dReny amin'ny lafiny abiaby.

Aza misalasala miditsy message privé na miantso ny laharana 034.98.683.69
033.90.985.52

 ✨Signe de respect et de reconnaissance envers l'Ainé🙌🫶Soa tsipirano zandry...ndeso mody gny diplôme ✊ 🤞
12/08/2026


Signe de respect et de reconnaissance envers l'Ainé🙌🫶
Soa tsipirano zandry...ndeso mody gny diplôme ✊
🤞

GN'ANAKY GNY MAHAVAGNO RAHA,NOHO GNY TSIPIRANO SY FAGNAMPIANAREO RAY AMAN-DRENY.Tsy hainay ato amin'ny Association des É...
11/08/2026

GN'ANAKY GNY MAHAVAGNO RAHA,NOHO GNY TSIPIRANO SY FAGNAMPIANAREO RAY AMAN-DRENY.

Tsy hainay ato amin'ny Association des Étudiants Solidaires d'Ihorombe gny tsy hagnome fisaora mitafotafo anareo Ray aman-dReny isa-tsokajiny aby tamin'ny fagnampia natolotsinareo anay nahafahanay nagnata'terky an'igny fandraisa gny promotion igny.

Isaora ianao Ramatoa Solombavabahoaka Honorable Clarisse Manjary izay Reny mpiahy gny promotion nagnampy ara-bola gny fikambana.
Ho ela fanapaha amin'ny andraikitsy sahany Ray aman-dReny🙏

Tolora fisaora bevata ianao Lehiben'ny faritsy IHOROMBE Andriamatoa Ramilavonjy Tialy Tsiverihasy tamin'ny fanolora aomby nahafahanay nagnatanteraky an'igny fety igny🙏Eo avao koa anao Directier de Cabinet Andriamatoa Martinoh tamin'ny fagnotrogna anay.
Mana ahay mana anareo mitsinjo sy mahafantatsy gny mahazo anay anaky.
Hitombo voninahitsy Ray aman-dReny🙏

Eo ianao ben'ny tanan'ny ZAZAFOTSY Andriamatoa RABEMANANJARA Martin,fisaora mitafotafa gn'atolotsy anao Ray aman-dReny satria tsy niala anay enao hatramin'izay ka hatramin'izao.
Nanohana na ara-bola na an-kevitsy.
Iraria gny hitomboa voninahitsy Ray aman-dReny.

Ianareo maro izay tsy voatanisa eto aby.
Feno fankasitraha ahay anakinareo tamin'ny nataonareo.Zagnahary hitahy anareo aby.

Mino ahay fa tsy voalohany igny Ary tsy ho farany avao koa satria nareo gny herinay amin'ny ataonay aby🙏.

11/08/2026

Isaora tamin ny Tsipirano gny Zaza🙏🙏🙏
11/08/2026

Isaora tamin ny Tsipirano gny Zaza🙏🙏🙏

Voalohan-teny dia isaora gny Zagnahary atety ao nagnome antsika fahasalama sy hery ary fahafaha tamin'ny fagnatanteraha ...
11/08/2026

Voalohan-teny dia isaora gny Zagnahary atety ao nagnome antsika fahasalama sy hery ary fahafaha tamin'ny fagnatanteraha gny réception de novice 2026 igny.
Eto ahay membres ato @ Association des Étudiants Solidaires d'Ihorombe-AESI dia maneho fisaora sy fankasitraha bevata aminareo Ray aman-dReny teto Fianarantsoa izay tarihin'ny Président ny Oniversite Fianarantsoa sy ianareo Ray aman-dReny an-tanà,eo ianao Ramatoa Solombavabahoaka voafidy tao amin'ny district Ivohibe Honorable Clarisse Manjary izay Reny mpiahy gny promotion , eo koa anao Lehiben'ny Faritra Ihorombe Andriamatoa Ramilavonjy Tialy Tsiverihasy, eo anao Andriamatoa ben'ny tanana voafidy tao Zazafotsy RABEMANJARA Martin izay filoham-boninahitry gny fikambana .
ZAGNAHARY hamaly gny soa nataonareo anay,hitombo voninahitsy sy ho ela fanapaha sahaninareo aby🙏
Misaotsy anareo fikambana rahavavy ety amin'ny Université de Fianarantsoa tamin'ny fagnotrogna🙏eo avao koa nareo avy lavitsy nagnome voninahitsy an'igny fety igny.
Isaora bevata indrindra indrindra isika mpikambana ato amin'ny izay nanao soroka miara-milanja sy tongotra miar-mamindra ka nahafantsika nahatanteraky an'igny fandraisa gny zandrintsika igny.
Miarahaba manokana gny promotion izay voaray amin'ny fomba ofisialy ato amin'ny fikambana.
🫶✨

Address

Ihosy

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Association des Étudiants Solidaires d'Ihorombe-AESI posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Shortcuts

Share