Sunrise Center of Madagascar

Sunrise Center of Madagascar The Sunrise Center of Madagascar in Ihosy is dedicated to education, human rights, and healthcare.

The Sunrise Center of Madagascar in Ihosy is a non-profit organization dedicated to the growth, development, and prosperity of the Malagasy people through education, health care, and human rights.

✏️📗🎒 " Nos efforts pour fournir des fournitures scolaires aux enfantsdans le besoin ne sont pas seulement des actes de c...
10/09/2024

✏️📗🎒 " Nos efforts pour fournir des fournitures scolaires aux enfants
dans le besoin ne sont pas seulement des actes de charité; ce sont des actes d'autonomisation.
Nous donnons à ces enfants les outils dont ils ont besoin pour poursuivre leurs rêves, grandir et
devenir les leaders de demain." Ivan Amari

✳️ Am-pifaliana lehibe no nanolorana ireo fitaovam-pianarana hoan'ireo zaza manantena ny hiditra mianatra amin'ny sekoly toy ny zana-bahoana rehetra saingy tsy afaka noho ny fahasahiranana.

✳️ Tsy sanatria mitsetsetra amin'ny tsy fahafahan'ny ray amandrenin'izy ireo mampiana-janaka fa maniry koa izahay atao amin'ny Sunrise Center of Madagascar ny hanampy azy ireo hoavotra. Ny fahantrana dia tsy ara- materialy ihany fa eo koa ny ara-tsaina. Koa raha mianatra ireo zaza ireo ka milofo amin'izany dia efa voadingana ny fahantrana mavesatra indrindra.

✳️ Notolorana fitaovana entina miatrika ny taom-pianarana diavina ity ny zaza miisa 63 amin'ny maternelle ka hatramin'ny kilasy fahatelo. 15 no isan'ny mpianatra haka fanadinam-panjakana amin'ireo. Arahana maso akaiky ny fivoaran'ny fianaran'izy ireo. Ka tsy ho sakana intsony ny tsy fananana harena entina mampiditra mpianatra amin'izao fotoana izao fa ny fifikirana sisa no andrasana amin'izy ireo.

✳️ Ny Sunrise Center of Madagascar dia manao ezaka amin'ny fampiroboroboana ny sehatry ny fampianarana. Hisy ny fametrahana fampiofanana mpampianatra ho fanomezana fanamafisana fahaizamanao amin'ny endrika fanatsarana ny fampianarana. Manantena fahombiazana amin'izany ny SCM amin'ny alalan'ny fiaraha miasa amin'ny mpiara-miombon'antoka ara-panjakana sy tsy miankina.

✳️ Sitraka sy telina no atolotra an'ireo rehetra nifarimbona ho fanatontosna izao fanomezana fitaovam-pianarana hoan'ny zaza sahirana izao:
- Ramatoa Governoran'IHOROMBE
- ny andalam-panjakana isan-tsokajiny eo amin'ny sehatra fampandehanan-draharaha
- ny eo anivon'ny Cisco izay nifanome tanana
- ny mpikambana ao amin'ny FPFE na ny Fédération pour la Promotion Féminine et Enfantine.
- izay rehetra nanampy na akaiky na avy lavitra mba hahatomombana izao hetsika izao.

☀️ Hitondra hoavy mamiratra bebe kokoa hoan'ny taranaka anie zany rehetra izany ka hioty vokatra tsara isika amin'ny fiafaran'ny taom-pianarana manomboka izao.

28/08/2024
Ny Sunrise Center of Madagascar dia manamafy ny fiaraha-miasa amin'ny solombavam-bahoakan'i Madagasikara lany ao Ivohibe...
23/08/2024

Ny Sunrise Center of Madagascar dia manamafy ny fiaraha-miasa amin'ny solombavam-bahoakan'i Madagasikara lany ao Ivohibe, Ramatoa Clarisse MANJARY sy ny Governoran'ny Faritra Ihorombe Ramatoa RATOTONDRASOA Annie Franckline.

Manana fanantenana izahay fa hampisy fampandrosoana bebe kokoa ao amin'ny faritra ny fiarahantsika misalahy ho amin'izany.

Ny Sunrise Center of Madagascar dia maneho ny fankasitrahana feno amin'izany vina fiaraha-miasa izany.

💥✅Fahombiazana no amintinana ny hetsika JIFA 2024 teto Ihosy ny andron’ny alarobia 21 aogositra lasa teo. Andiany voloha...
23/08/2024

💥✅Fahombiazana no amintinana ny hetsika JIFA 2024 teto Ihosy ny andron’ny alarobia 21 aogositra lasa teo. Andiany volohany izao. Teo amin’ny tokotaniben’ny Résidence misy ny Governora no nanatontosana izany.

💠Nosantarina tamin’ny carnaval nanomboka teny amin’ny Stationnement ny fotoana. Nitohy tamin’ny kabary nifandimbiasana izany rehefa tonga teo amin’ny La Résidence. Nisy ny fitsidihana an’ireo tranoheva izay nanehoana ny vokatra sy ny fisian’ireo mpandraharaha tantsaha sy an-tanandehibe ao Ihosy sy ny manodidina. Nafinaritra ny fiaraha-misakafo izay narahana fanapahana ny mofomamy. Ary dia nofaranana tamin'ny dinidinika sy tapapatak'ahitra teo amin'ny tokontanibe ny fiarahana, fotoana izay nizarana ireo fampahafantarana sy tetik'ady entina manatsara ny fandraharahan'ny vehivavy.

💠 " Mametraka orintsatoka hisitrahan'ny vehivavy ary mandeha mafimafy kokoa", izany no lohahevitra novoizina maneran-tany tamin'ity indray mitoraka ity. Koa hita taratra teto fa manana mpandraharaha vehivavy efa mihetsika sy vonona ny handroso Ihorombe ka fanoitra afaka manampy amin'izany ny fisian'ireo ivontoerana toy ny banky sy ny mpampindram-bola.

💠Hita nandritra izao fotoana izao ny ezaka efa misy amin'ny famokarana entana vidiana ivelan'ny faritra ka isan'izany ny ketchup, ny menaka, ny kojakoja fikarakarana bika sy hatsaran'ny vehivavy sy ny hafa tsy voatanisa. Nisongadina ihany koa ny vokatra nasehon'ireo vehivavy tantsaha izay misy manohana ara-piofanana sy teknika amin'ny alalan'ny Tranoben'ny Tantsaha.

💠Mahafaly ny mahita an'ireo rehetra afaka nifanankalo hevitra nandritra io fotoana io. Mahavelom-bolo ny fahavitrihan'ireo mpanatrika afaka nifampiresaka mivantana tamin'ny Solombavam-bahoakan'i Madagasikara lany tao Ivohibe, fa indrindra ny tafa nifanaovan'izy ireo tamin'ny Ramatoa Governoran'ny faritra Ihorombe izay nampiantrano sy niaraka nanomana izao hetsika izao. Nahafam-po ny fiarahana misalaha tamin'ny Fitaleava-paritry ny Fambolena sy Fiompiana sy ny Fitaleava-paritry ny Mponina sy ny Firaisan-kina tamin'ny fanatanterahana izao hetsika izao. Ankatoviana ihany koa ny fifarimbonan'ireo mpiara-miombon'antoka izay nanome tohana an'izao hetsika izao dia ny Fandaharanasa Defis izany sy ny orinasa BNI. Tsy hadino ireo fikambanana sy mpiasan'ny rafi-panjakana rehetra izay nanao ny fampandehanan-draharaha rehetra manodidina ny hetsika.

💠Hoan'ny Sunrise Center of Madagasikara dia tratra ny tanjona ho fanetsehana ireo vondron-kery ara- toekarena sahanin'ny vehivavy eto Ihosy mba ho fiarovana ny zon'izy ireo handraharaha. Hitombo hatrany anie ny tahan'izy ireo amin'ny sehatry ny fihariana harena ka ho tratra ny mira lenta amin'izany lafiny izany. Santatra am-bavarano ny JIFA 2024 ka hitohy hatrany ny fiaraha- miasa amin'ireo mpiaramiombon'antoka ara-panjakana sy tsy miankina.

🤝🙏🙏Fisaorana sy fankatelemana no atolotra hoantsika rehetra nandray anjara. Mankasitraka indrindra tompoko.

💠  Andro iraisam-pirenena hoan'ny vehivavy afrikana, hanamarika izany amin'ny alalan'ny hetsika lehibe ny Sunrise Center...
18/08/2024

💠 Andro iraisam-pirenena hoan'ny vehivavy afrikana, hanamarika izany amin'ny alalan'ny hetsika lehibe ny Sunrise Center miaraka amin'ireo Rafi-panjakana ao Ihosy izay tarihin'ny Governoran'ny Faritra. Miara miasa feno amin'izany ny fitaleava-paritry ny Mponina sy ny Firaisan-kina, ny fitaleava-paritry ny Fambolena sy ny Fiompiana, ny Defis ary ny BNI ao an-toerana. Eo amin'ny tokotaniben'ny Résidence no hanaovana ny hetsika ny datin'ny 21 aogositra ho avy izao.

💠 Handrisika ny famelomam-po sy ny fandraharahana ataon'ny vehivavy ny tanjona araky ny lohahevitra iraisam-pirenena manao hoe : Mametraka orintsatoka hisitrahan'ny vehivavy ary mandeha mafimafy kokoa.

💠 Hisy ny carnaval, ny conférence, ny fampirantiana ary ny fifanankalozana mandritra io fotoana io.

💠 Koa manasa antsika rehetra fikambanana mba ho tonga hanatrika sy hifanotrona.

✳️ Mandray anjara amin'ny hetsika JIFA eto Ihosy ihany koa ny Sunrise Center of Madagascar.
16/08/2024

✳️ Mandray anjara amin'ny hetsika JIFA eto Ihosy ihany koa ny Sunrise Center of Madagascar.

JIFA . Ihosy, 31 Jolay 2024. ✳️ Nanamarika ny andro iraisam-pirenena hoan'ny vehivavy afrikana ny Sunrise Center of Mada...
01/08/2024

JIFA . Ihosy, 31 Jolay 2024.
✳️ Nanamarika ny andro iraisam-pirenena hoan'ny vehivavy afrikana ny Sunrise Center of Madagascar miaraka amin'ny Fitaleava-paritry Mponina sy ny fiahiana ara-tsosialy ary ny fampiroboroboana ny Vehivavy sy ny Fitaleava-paritry ny Fambolena sy Fiompiana.

✳️ Ny andron'ny fankalazana dia nisy ny fandaharana notontosaina tao amin'ny Radio Katolika ao an-toerana. Fa ny ivon'ny fanamarihana kosa dia hotontosaina ny datin'ny 21 Aogositra ho avy izao.

✳️Lohahevitra nonoizina amin'ity taona ity ny voazava amin'ny teny frantsay hoe " investir en faveur des femmes, accélérer le rythme". Hisy ny hetsika hotanterahina manodidina izany sy aorian'ny fankalazana amin'ny fomba manetriketrika.

✳️ Nisongadina tao anaty fandaharana ny zava misy iainan'ny vehivavy eto ihorombe ka notsoahina tao ny vina toy ny fanampiana azy ireo amin'ny fanamboarana kara-panondro, ny fanofanana sy famatsiana azy ireo amin'ny asa fandraharana madinika sy salasalany.

✳️ Ny Sunrise Center Madagascar dia manohana ny fiarovana ny Zon'ny Vehivavy amin'ny alalan'ny hetsika toy izao.

Fanabeazana sy fiarovana ny zon'ny ankizy: 📍 Tontosa ny herinandro lasa teo ny hetsika fanentanana momba ny fiarovana ny...
12/03/2024

Fanabeazana sy fiarovana ny zon'ny ankizy:

📍 Tontosa ny herinandro lasa teo ny hetsika fanentanana momba ny fiarovana ny zon'ny ankizy izay niarahana tamin'ny polisim-pirenena. Tonga nitarika izany fotoana izany ny lehiben'ny fikambanana eo anivon'ny Sunrise Center of Madagascar izay tompon'antoka amin'izao hetsika izao.

📍 Lohahevitra novoizina tamin'izany ny ady amin'ny herisetra mianjady amin'ireo ankizy.

📍 Toeram-pianarana 2 no nisitraka ny hetsika fanentanana dia ny Lycée Privé Saint Pierre Chanel ihosy izany ary LpNyA(Vola Ny Andry Dina).

📍 Isan'ny vina imasoan'ny Sunrise Center of Madagascar ny fiarovana ny zon'olombelona. Mandray anjara amin'ny fanetsehana momba izany ny ekipa rehetra ao Ihosy.

📍 Isaorana ny fiaraha miasa amin'ny Polisim-pirenena izay niaraka nisalaha tamin'izao hetsika izao.

🚺Tsarà Andron'ny Zon'ny Vehivavy!🚺Ny sivilizasiona dia efa 50.000 taona lasa izay, ary nandritra izany tantara izany, ny...
08/03/2024

🚺Tsarà Andron'ny Zon'ny Vehivavy!

🚺Ny sivilizasiona dia efa 50.000 taona lasa izay, ary nandritra izany tantara izany, ny zon'ny vehivavy dia natao tsinontsinona, nesorina tsy araka ny tokony ho izy, ary noferana tsy amin'antony.

🚺 Ny vehivavy no hazondamosina sy fon'ny sivilizasiona misy antsika ary isan'andro dia tsy maintsy mahatsiaro azy ireo isika, tsy amin'ny alalan'ny tenintsika ihany fa amin'ny ataontsika ihany koa.

🚺 Vao haingana i Frantsa no nanao ny fanalan-jaza ho zon'ny lalàm-panorenana. Raha ny zon'ny vehivavy rehetra no resahina dia tsy tokony hiantehitra amin'ny tapa-taratasy isika raha ny fahitan'ny saina azy nandritra ny 50.000 taona mahery.

🚺Ny Sunrise Center dia mahatakatra an'io saina mahazatra io ary miasa tsy tapaka amin'ity saina mahazatra ity. Ary mbola hitohy hatramin'ny Repoblikan'i Kalos izay hitoeran'ny vehivavy eo amin'ny toerany satria inona ny vatan'olombelona tsy misy ny fony sy ny hazondamosiny.

Ivan Amari
CEO Sunrise Center of Madagascar

📎🗒️  Vina fahatelo eo amin'ny iraka iantsorohan'ny Sunrise Center of Madagascar ny fanohanana ny vehivavy mahakasika ny ...
26/02/2024

📎🗒️ Vina fahatelo eo amin'ny iraka iantsorohan'ny Sunrise Center of Madagascar ny fanohanana ny vehivavy mahakasika ny zony. Miseho amin'ny endrika maro izany fa ny lafiny fiofanana entina manamafy fahaiza-manao sy mampitombo fifandraisana amin'ny mpisehatra hafa no natrehana tany toliara ny herinandron'ny 19 febroary lasa teo.

📎🗒️Arak'izany dia nandray anjara tamin'ny fiofanana momba ny Fiovan'ny toetrandro, ny fananan-tany sy ny Vehivavy ny Sunrise Center of Madagascar (SCM) ny datin'ny 21 ka hatramin'ny 23 febroary lasa teo. Ny SIF na ny Sehatra Iombonana hoan'ny Fananantany no nikarakara ny fiofanana. Mpanao Gazety avy amin'ny tapany atsimon'i Madagasikara no nisitraka ny ireo famelabelarana.Teboka maro no nampitaina fa indrindra ny mahakasika ny sata sy lalana mifehy ny fananantany eto Madagasikara.

📎🗒️ Araraotra na opportunité hoan'ny SCM izany fotoana izany ho fanatevenana ny fahalalana sy traikefa ananan'ny mpikambana nanatrika. Fa ambonin'izay dia misokatra amin'ny mpisehatra matihanina ny fiaraha-miasa mba ho fanatsarana ny asa ifotony. Tanjona amin'izany ny fahazoana fahombiazana eo anivon'ireo mponina mila mahalala bebe kokoa ny momba ireo zony amin'ny sehatry ny fananantany.

📎🗒️ Isaorana ireo rehetra nanao izay nahatontosa izany fiofanana izany sy nahafahana nifampizara nandritra io fotoana io.

Fahasalamana hoan'ny rehetra.💊🌡️Handray anjara amin'ny fampihenana ireo trangan'aretina  tazomoka eto ihosy ny Sunrise C...
06/02/2024

Fahasalamana hoan'ny rehetra.
💊🌡️Handray anjara amin'ny fampihenana ireo trangan'aretina tazomoka eto ihosy ny Sunrise Center of Madagascar.

👉 Tao anaty fanadihadihana no nahafantarana fa isan'ny faritra andrefesana tahan'ny tazomoka ambony i Ihorombe. Izany dia amafisin'ny fanaovana dokotera tena ka mampihena ny asan'ny fanafody mahazatra amin'ny vatan'ireo olona marary.

✔️ Manoloana izany dia nametraka sahan'asa tanterahina ao anaty enimbolana ny Sunrise Center of Madagascar mba ho fanohanana ny ezaka efa tanterahin'ny mpisehatra ara-panjakana sy eo anivon'ny fiarahamonim-pirenena.

✔️ Ankoatr'ireo hetsika fanomezana lay misy ody moka sy ireo fanolorana fanafody dia hanatanteraka famendrahana ranom-panafody amin'ny trano fonenana izay voafantina ny fikambanana.

✔️ Hampitaina amin'ny fotoana mampety azy ny fampiharana izany miaraka amin'ireo mpiara-miombon'antoka isan-tsokajiny.

🌞 Sunrise Center of Madagascar, hoan'ny hoavy mamiratra kokoa.

✔️ Hanomboka amin'ity volana febroary ity ireo asa fanohanana ny fampianarana sy fanatsarana ny kalitaon'izany eo amin'n...
06/02/2024

✔️ Hanomboka amin'ity volana febroary ity ireo asa fanohanana ny fampianarana sy fanatsarana ny kalitaon'izany eo amin'ny sekoly iasan'ny Sunrise Center of Madagascar.
✔️ Hisy ny fanamafisana ny fahaiza-manaon'ireo mpampianatra efa am-perinasa.
✔️ Miandalana ihany koa ny fanamafisana ny ady amin'ny habadoana.
🌞Hoan'ny hoavy mamiratra kokoa.

Address

Ihosy

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Sunrise Center of Madagascar posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Organization

Send a message to Sunrise Center of Madagascar:

Shortcuts

Share