Association des Étudiants ISTE, Université de Fianarantsoa

Association des Étudiants ISTE, Université de Fianarantsoa Page officiel de l'Association des Etudiants de l'ISTE Fianarantsoa-AEISTE

📍 VOYAGE D’ÉTUDE – ISTE 202610 Aogositra 2026Nanainga hihazo an’i Ranohira androany ny mpianatra Taona faharoa ao amin’n...
10/08/2026

📍 VOYAGE D’ÉTUDE – ISTE 2026
10 Aogositra 2026
Nanainga hihazo an’i Ranohira androany ny mpianatra Taona faharoa ao amin’ny Mention Technologie des Géosciences Appliquées (TGA).
Mandritra ity voyage d’étude ity dia hanatanteraka fitsirihana sy fandinihana ireo harena ankibon’ny tany any amin’ny faritra Atsimon’i Madagasikara ireo mpianatra, ho fanamafisana ny fahalalana sy ny traikefa azo tamin’ny fampianarana an-dakilasy.
🎓 Fianarana an-tsehatra, traikefa ary fahalalana no fototry ny dia, ho fanomanana ireo mpianatra amin’ny tontolon’ny asa sy ny fikarohana ara-jeolojika.
✨ Mirary dia soa sy fahombiazana ho an’ny mpianatra rehetra amin’ity voyage d’étude ity!

Tetiandro hizarana ny vatsim-pianarana volana faha 5 .L1 ka hatramin'ny M1 .
10/08/2026

Tetiandro hizarana ny vatsim-pianarana volana faha 5 .
L1 ka hatramin'ny M1 .

👉LITTLE MISS & MISTER NASIONALY ANTANANARIVO  2026👈  antsika rehetra.√Araka ny efa nampahafantarina antsika dia misy mpi...
07/08/2026

👉LITTLE MISS & MISTER NASIONALY ANTANANARIVO 2026👈

antsika rehetra.
√Araka ny efa nampahafantarina antsika dia misy mpianatra ato amin'ny ISTE mandray anjara amin'ny Little Miss & Mister Nasionaly 2026, izay tanterahina any Antananarivo.
Efa nigadona tany Antananarivo ny 31 Jolay 2026 ireo solontena 03 avy amin'ny Faritra Matsiatra Ambony, ka anisan'izany i FINOANA, mpianatra L2 Tourism Management – ISTE.

-PIFANINANANA:
• 09 Aogositra 2026 – Quart de Finale
• 16 Aogositra 2026 – Demi-finale
• 22 Aogositra 2026 – Finale

ALEFA FINOANA!
ALEFA MATSIATRA AMBONY!
Mirary fahombiazana sy fandresena!
Vitanao io! Hoento mody ny amboara!

Tahio ny antegna fa ny an'olo tsa omeny .
Tohanantsika i Finoana Anjarasoa 🙏
Hery lehibé ho azy ny fanohananao .🙏🤝

05/08/2026

👉 SORTIE DÉLÉGUÉ – POT D'ADIEU
ANDIANY VOALOHANY RANOMAFANA👈

fohy
√Tontosa soamantsara ny Sortie Délégué – Pot de Séparation Andiany Voalohany.
Fotoana iray nanamafy ny firaisankina sy ny fifankatiavana teo amin'ireo samy mpitarika , teo ihany koa ny fifanakalozana sy fifampizarana .
Mirary fahombiazana sy soa hatrany ho antsika rehetra🤝 .

√Mamerina ny fisaorana feno sy lalina an'Andriamatoa Talén'ISTE noho ny fanohanana sy ny fahatokisana nasehony tamin'ny fanatanterahana ity hetsika ity.

📸 Hoavy eo ihany ny sarin'ireo andiany faharoa .

🙏ISTE MIRAY • ISTE MITAMBATRA • ISTE MANDROSO🙏

👉SORTIE DÉLÉGUÉ ISTE & POT D'ADIEU .‎Andiany Voalohany – Ranomafana👈 #‎Miarahaba antsika rehetra.‎Tontosa soamantsara ny...
03/08/2026

👉SORTIE DÉLÉGUÉ ISTE & POT D'ADIEU .‎Andiany Voalohany – Ranomafana👈

#‎Miarahaba antsika rehetra.
‎Tontosa soamantsara ny "Sortie Délégué ISTE" sady "Pot de Séparation" andiany voalohany izay notanterahina taty Ranomafana.
√‎Sambany teo anivon'ny sekoly no nisy fanohanana ireo mpitarika mpianatra tamin'ny endrika toy izao.
‎Fisaorana mitafotafo no atolotra an'Andriamatoa Talén'ISTE Pr Andrianjafimanjato Daniel , noho ny:
-‎Fanomezana fiara maimaim-poana;
-‎Fanomezana ny carburant;
-‎Ary ny fanohanana ara-bola nahafahan'ireo délégué nifampizara hafaliana sy nanamafy ny firaisankina.
‎Nizotra tao anatin'ny hafaliana, fifanajana ary firaisankina tanteraka ny fivoahana famaranana ny fiarahana tamin'ity taom-pianarana ity .

‎"Isika no iray."
‎"Ny firaisankina no hery."
‎ISTE MIRAY • ISTE MITAMBATRA • ISIKA MANDROSO .
‎Mirary soa sahady hoan'ny andiany faharoa hiatrika ny fivoahana famaranana ny taom-pianarana rahampitso.🙏🙏

📚 CLUB DE LANGUE RUSSE 🇲🇬🇷🇺Miarahaba antsika rehetra!  ny efa fantatsika dia maro ireo fikambanana mijoro eo anivon'ny s...
02/08/2026

📚 CLUB DE LANGUE RUSSE 🇲🇬🇷🇺
Miarahaba antsika rehetra!
ny efa fantatsika dia maro ireo fikambanana mijoro eo anivon'ny sekoly.
√Anisan'izany ity fikambanana vaovao ity, izay nanomboka ny Sabotsy herin'ny omaly.
➡️ CLUB DE LANGUE RUSSE
Hoantsika mpianatra liana hianatra sy hahafantatra ny teny Rosiana dia aza misalasala miantso ity laharana ity :
📞 034 42 499 99
033 43 499 99
Tongava maro fa misokatra ho an'ny rehetra! 🇲🇬🇷🇺📖

Fihaonana tamin'Andriamatoa Minisitry ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiantsa anio 31 Juillet 2026 .Union d...
31/07/2026

Fihaonana tamin'Andriamatoa Minisitry ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiantsa anio 31 Juillet 2026 .
Union des Présidents Pédagogiques- Université de Fianarantsoa : UPPUF

Indro ary ny calendrier de Payement Bourse manaraka .
31/07/2026

Indro ary ny calendrier de Payement Bourse manaraka .

VOYAGE D'ÉTUDE ISTE 2026ANDRO FAHATELONy tapany maraina dia nitsidika ny CEFFEL (Centre d'Expérimentation et de Formatio...
29/07/2026

VOYAGE D'ÉTUDE ISTE 2026
ANDRO FAHATELO

Ny tapany maraina dia nitsidika ny CEFFEL (Centre d'Expérimentation et de Formation en Fruits et Légumes) ireo mpianatra taona voalohany ao amin'ny Mention Agronomie. Nandritra izany dia nahazo fahalalana sy traikefa mikasika ny famokarana sy ny teknika maoderina eo amin'ny sehatry ny voankazo sy legioma izy ireo.

Ny tapany hariva kosa dia nifamadika indray ireo vondrona roa ka nanohy ireo fitsidihana efa natomboka ny andro teo aloha, mba hahafahan'ny mpianatra rehetra misitraka sy mianatra amin'ireo toerana rehetra voalahatra ao anatin'ity voyage d'étude ity.

Mitohy hatrany ny fianarana eny an-kianja, manitatra fahalalana ary manamafy ny traikefa ho fanomanana ireo matihanina rahampitso.

Soa fanararaotra hoantsika rehetra, koa aza tara misoratra anarana indrindra isika ao amin'ny Énergie renouvelable
29/07/2026

Soa fanararaotra hoantsika rehetra, koa aza tara misoratra anarana indrindra isika ao amin'ny Énergie renouvelable

📢 APPEL À CANDIDATURE.

👉 École d'été PV FIANARA 2026 - En partenariat avec l'Université de Fianarantsoa, le Projet Tady, cet appel à candidatures s'adresse à tous les étudiants de l'Université de Fianarantsoa, ayant un niveau minimum L2 , domaine scientifique .
Période 17 août au 04 septembre 2026
📍 Vallée Mampivoatsa - Andrainjato
Lien d'inscription : https://forms.gle/A7zFiBGNVPRyenxS6

Centre d'Appui à l'Employablité des Etudiants - Université de Fianarantsoa

Address

Fianarantsoa
301

Telephone

+261345214053

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Association des Étudiants ISTE, Université de Fianarantsoa posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Organization

Send a message to Association des Étudiants ISTE, Université de Fianarantsoa:

Shortcuts

Share