02/05/2025
Miarahaba antsika rehetra @ anaran'i Jesosy Kristy Tompo.
Ny fiadanam-po ve?
Tsy midika ho tsy gisian'ny olana akory io.
Fa ny olona manana an'i jesosy ka mitoky aminy dia mahatoky fa mandalo io, ary tsy maintsy hovahany.
Na koa mahay manaiky rehefa zavatra tsy azo ialana satria lalana itondran''Andriamanitra @ dingana hafa io.
Ny fiadanam-po izany dia fahaizana miatrika ny zavatra iainana na tsara io na ratsy, noho ny fanantenana ny tsara kokoa any @ fiainana manfrakizay.
Jaona 14/27
Raha araka ny hitantsika ao @ io toko sy andininy io dia tsy hoe ho foana ny zavatra hanjo ny Tompo satria nanome ny fiadanana izy, fa kosa nampiomana sy nampionona mialoha ireo mpianany izy @ zavatra tsy maintsy hitranga hahatonga azy ireo hahay hizaka izay ho avy.
Na nanome ny fiadanana ary ny Tompo dia nisedra ady sarotra foana ny mpianatra nisedra vono gadra, fanenjehana maro isan-karazany fa noho ny fananany fiadanana dia naharitra izy ireo, tsy nivily lalana fa nitana ilay fananantenana.
Ho an'Andriamanitra irery ny Voninahitra.