05/08/2026
🧡✨ 20 ans de Cœur et Conscience : une histoire, un engagement, une nouvelle génération !
Ny 11 Jolay lasa teo, dia nanamarika dingana lehibe teo amin’ny tantarany ny Cœur et Conscience : 20 taona nanaovana asa, firaisankina ary fanohanana ireo ankizy sy fianakaviana eto Madagasikara. 🇲🇬
✨ Tao amin’ny Foibe ara-kolontsaina Banja no nanaovana ity fankalazana ity. Na dia natao tamin’ny endrika tsotra sy akaiky aza izany, dia fotoana feno fihetseham-po, fankasitrahana ary fifampizarana. Fotoana ihany koa nahafahana nijery ny lalana nodiavina nanomboka tamin’ny 2006, ary nankasitraka ireo olona rehetra izay mandray anjara isan’andro amin’ny fanatanterahana ny iraka sy ny vina napetraky ny Cœur et Conscience.
🎙️ Nandritra izany fotoana izany dia nisy fijoroana vavolombelona maro nizara ny tantaran’ity dia maha-olona ity. Anisan’izany ny Atoa Amédée, filoha mpanorina, izay nizara ny tantara sy ny vina nipoiran’ny fikambanana Cœur et Conscience.
🌱 Fa ny 20 taona niainana dia tsy fiafarana, fa dingana vaovao sy iraka vaovao ho an’ny Génération Cœur et Conscience (GCC).
Amin’ny alalan’ireo hetsika fampahafantarana, ireo asa atao miaraka amin’ny ankizy sy ny tanora, ny fampiroboroboana ireo soatoavina maha-olona maneran-tany, ary ny fandraisana andraikitra eo anivon’ny fiarahamonina, dia mitondra hery vaovao ny GCC : mamporisika ny tanora mba ho lasa mpandray andraikitra sy mpisehatra amin’ny fanovana.
🤝 Fanajana, fandeferana, fitoviana, fahitsiana, fandriampahalemana, fitiavana ary firaisankina no anisan’ireo soatoavina fototra entinay mandray anjara amin’ny fananganana fiarahamonina mahatsiaro tena, ara-drariny ary miray hina kokoa.
💬 « Tsara ny mitaky, fa mbola tsara lavitra noho izany ny manao zavatra mba hanovana ny toe-javatra. »
🧡 Mampahatsiahy antsika ireto 20 taona ireto fa ny fanovana lehibe dia manomboka amin’ireo olona misafidy ny handray andraikitra. Ary ankehitriny, vonona ny GCC hanohy ity tantara ity miaraka amin’ny taranaka vaovao misy tanora mavitrika sy manolo-tena.
🙏 Misaotra ireo olona rehetra izay, na akaiky na lavitra, dia anisan’ity dia mahafinaritra ity ary mandray anjara isan’andro amin’ny fananganana hoavy tsaratsara kokoa ho an’i Madagasikara.
Le 11 juillet dernier, Cœur et Conscience a célébré une étape importante de son histoire : 20 années d’actions, de solidarité et d’accompagnement auprès des enfants et des familles à Madagascar. 🇲🇬
🧡✨ 20 ans de Cœur et Conscience : une histoire, un engagement, une nouvelle génération !
✨ Organisée au Centre culturel du Banja, cette célébration, malgré son format plus intime, a été un moment rempli d’émotion, de reconnaissance et de partage. Elle nous a permis de revenir sur le chemin parcouru depuis 2006 et de rendre hommage à toutes celles et ceux qui contribuent chaque jour à faire vivre cette belle mission.
🎙️ À cette occasion, plusieurs témoignages ont permis de revenir sur cette aventure humaine, notamment celui de M. Amédée, président fondateur, qui a partagé l’histoire ainsi que la vision à l’origine de la création de Cœur et Conscience.
🌱 Mais 20 ans d’histoire, c’est aussi une nouvelle étape et de nouvelles missions pour Génération Cœur et Conscience (GCC).
À travers ses actions de sensibilisation, ses activités auprès des enfants et des jeunes, la promotion des valeurs humaines universelles et son engagement dans la communauté, GCC porte aujourd’hui une nouvelle dynamique : encourager les jeunes à devenir eux-mêmes des acteurs du changement.
🤝 Respect, tolérance, égalité, honnêteté, paix, amour et solidarité sont au cœur de notre engagement pour contribuer à une société plus consciente, plus juste et plus solidaire.
💬 « Réclamer, c’est bien. Agir, c’est encore mieux pour changer les choses. »
🧡 Ces 20 années nous rappellent qu’une grande transformation commence toujours par des personnes qui choisissent de s’engager. Et aujourd’hui, GCC est prête à poursuivre cette histoire avec une nouvelle génération de jeunes engagés.
🙏 Merci à toutes les personnes qui, de près ou de loin, font partie de cette belle aventure et contribuent à construire, jour après jour, un avenir meilleur pour Madagascar.