02/04/2026
FIARAHA-MIASA HO AN’NY ANKIZY: MANAMAFY NY ASA SOSIALY ETO BOENY NY UNICEF SY NY STD SOSIALY
Notanterahina ny Alarobia 01 Aprily tao amin’ny Baobab Tree ny fihaonana teo amin’ny delegasiona Unicef Madagascar sy ny Faritra ary ireo Fitaleavam-paritra mpiara-miombona antoka aminy eo amin’ny sehatry ny Sosialy, ny Ankizy sy ny Tanora, ny Fanabeazana, ny Rano ary ny Fahasalamana.
Nitarika izany Atoa Josias Koularambaye, Représentant Adjoint aux Opérations ao amin’ny Unicef.
Nisolo tena ny Faritra ny Lehiben’ny Sampandraharahan’ny Serasera, sady Point focal de la Plateforme SBC (Social and Behaviour Change) Boeny.
Nifantoka tamin’ny fanatsarana ny tolotra sosialy ety ifotony ny dinika, indrindra ho an’ny ankizy. Nohamafisina koa ny fiaraha-mientana amin’ny fiatrehana ny hamehana, ary ny fangaraharahana eo amin’ny fitantanana vola famatsiana avy amin’ny Unicef sy ny fangaraharahana eo amin’ny fampitambovao marina mikasika ny fanatanterahana ny asa sosialy aty ifotony tohanan’ny Unicef.
Hisokatra ny volana Jolay eto Mahajanga ny Birao maharitry ny Unicef, hanamafy ny fanohanany ny fiaraha-miombona antoka amin’ny asa sosialy ho an’ny ankizy.