20/10/2026
MPIASA 33 NOROAHANA TSY ARA-DRARINY
π’πππ ππππ πππππππππ ππππ πππ ππππ πππππ
π ππ π
ππππππππ'ππ ππππ
βͺοΈNisy ny fampahafantarana navoakan'ny APMF mitondra ny laharana 299 - APMF/DG/DRH/26, omaly 19 oktobra 2026, mitondra fanazavana momba ny satan'ireo mpiasa 33 noraisina tamin'ny taona 2024. Nolazain'io fampahafantarana io fa : "notapahana ny fifandraisana ara-piasana (lien contractuel) satria tsy nahafa-po (essai non concluant) rehefa tapitra ny fe-potoana fitsapa (pΓ©riode d'essai) an'ireo mpiasa 33 ireo" .
βΌοΈTsy mitombona velively ary tsy voaporofon'ny APMF tamin'io taratasy fampahafantarana mitondra ny laharana 299-APMF/DG/DRH/26, nataon'izy ireo io, ny antony tsy nandraisana ireo mpiasa miisa 33 noroahana tsy ara-drariny ireo. Tsy mahavaly izany ny hoe : ESSAI NON CONCLUANT. Amin'ny fomba fijery tsy miangatra dia : MITOMBONA VE IZANY, MPIASA 33 ISA SAMY TSY NAHAFA-PO AVOKOA NANDRITRY NY FE-POTOANA FITSAPA? TELO VOLANA NY FE-POTOANA FITSAPANA DIA SAMY TSY NISY NORAISINA IREO MPIASA IREO TAORIAN'IZAY. Tsy mitombona ny valin-tenin'ny mpitantana ny APMF momba ny filazana fa mpiasa tsy nahafa-po izay.
βΌοΈNY VOLANA MARSA 2025 DIA MBOLA NIASA AVOKOA IREO MPIASA 33 IREO. POROFON'IZANY NY "ORDRE DE MISSION" (O.R), TAMIN'NY 24 MARSA 2025, NOMENA AN-DRANDRIAMIHAJA ELWING BYHARD IM 00664 NIASA TANY MANANJARY NANDEHA NAMONJY FIVORIANA TATY AMIN'NY FOIBEN'NY APMF ANTANANARIVO. Isan'ireo mpiasa 33 noroahana tsy ara-drariny ity olona niasa tany Mananjary ity. RAHA 3 VOLANA IZANY NO FE-POTOANA FITSAPANA ARA-KASA, IREO OLONA IREO NY VOLANA NOVAMBRA SY DESAMBRA 2024 NO NORAISINA NIASA. NAHOANA NO MBOLA NIASA ARY NANDRAY KARAMA ARA-DALANA, NAHAZO O.R REHEFA MAMITA IRAKA IREO MPIASA IREO ATY AMIN'NY VOLANA MARSA 2024??? (Jereo ny sary extrait OR etsy ambany)
πIzao ny zava-nitranga : ny 18 febroary 2025 no nanao taratasy ny PCA-n'ny APMF, Dina Andriamaholy (ex Sgp PrΓ©sidence), tamin'izany fotoana izany nampihatona ny fifanarahana arak'asa ireo mpiasa 33 ireo. Tsy nampahafantarana ireto mpiasa ireto izany. Nohamafisin'ny Filankevi-pitantanan'ny APMF ny famsidence a arak'asa ireo mpiasa 33 ireo ny 21 Marsa 2025. Notanterahan'ny DRH mpisolo toerana ny fampiharana izany ary notapahany tanteraka izany fifanarahana arak'asa an'izy ireo izany ny 1 Avrily 2025. Ny 8 Avrily 2025 ireo mpiasa vao nomena taratasy milaza fa nofoanana ny fifanarahana arak'asa an'izy ireo, noho " Essai non concluant". "Tsy mitombona velively anefa izany", hoy ireto mpiasa ireto, satria " mitondra ny datin'ny 31 Janoary 2025 ilay taratasy momba izay " essai non concluant ".
βΆοΈNy taratasy nataon'i PCA, teo aloha, Dina Andriamaholy io dia tena fanamparam-pahefana tanteraka (abusif) noho ny fomba fijery tsy mitovy teo amin'ny mpitantana hafa tao amin'ny APMF tamin'izany fotoana izany.
π₯ Efa ireo voalaza etsy ambony ireo ny porofo rehetra, efa nisy koa ny didim-pitsarana navoakan'ny PAC momba ny fahafahana madiodio mikasika fiahiahiana kolikoly ka mandidy ny APMF hamerina ny mpiasa hiasa; namoaka taratasy manamafy ny hamerenana ireo mpiasa ireo hiasa ao amin'ny APMF ny Minisiteran'ny Asa, ny Fampanan'asa ary ny Asam-panjakana. NAHOANA NO TSY TANTERAHAN'NY TALE JENERALIN.NY APMF AMIN'IZAO FOTOANA IZAO NY FAMERENANA IREO MPIASA 33 IREO ??
π
ππ§ππ¦ππ«π’π‘ππ§π : jereo etsy ambany ny sary vitsivitsy isan'ny porofo