07/06/2026
TORITENY FANKALAZANA SAKRAMENTA MASINA
“I Jesoa Zanak'andriamanitra dia M**on'ny fiainana”
📖 Tenin’Andriamanitra :
🔹️Vakinteny I : Det. 8, 2-3. 14b-16.
🔹️Vakinteny II : 1 Kôr. 10, 16-17.
🔹️Vakinteny III : Jo. 6, 51-59.
✅ Ry kristianina havana, anio isika dia mankalaza ny fetin’ny Sakramenta Masina. Amin’ity fety ity ny Eglizy dia mankalaza ny harena (trésor) sarobidy navelan’i Jesoa ho antsika dia ny Vatana aman-dRàny (Eokaristia); ny m**o dia manambara ny Vatany, ny divay kosa dia ny Ràny. Izany no ambaran’i Jesoa amin’ny evanjely anio: "ny m**o izay homeko dia ny Nofoko..." I Jesoa raha milaza izany dia mampatsiahy antsika fa ny Eokaristia dia tsy resaka famantarana na fahatsiarovana fotsiny fa tena i Jesoa tokoa no ao amin’ny M**o sy ny Divay. Noho izany, izay mandray ny Eokaristia dia tsy "chips" no raisiny fa tena mandray an’i Jesoa ao aminy. Mazava ny nolazain’i Jesoa mikasika izany: "Izay mihinana ny Nofoko sy misotro ny Rako dia mitoetra ao anatiko ary Izaho ao anatiny". Raha lazaina amin’ny fomba tsotra izany rehetra izany dia: ny Eokaristia dia "Jesoa eo anivontsika" isan’andro isan’andro; ny Eokaristia dia "sakafom-panahy" manamasina sy mitahy fa indrindra mankahery antsika hijoro amin’ny toe-panahy maha kristianina isan’andro isan’andro.
✅Tadidio fa tahaka ny vatana mila sakafo mamelona azy, toy izany koa ny fanahy mila sakafo mamelona. Izany indrindra no tian’i Moizy lazaina amin’ny vak I anio raha nilaza ny Tenin’i Jesoa tamin’ny demony naka fanahy azy: "tsy ny m**o ihany no mahavelona fa ny teny rehetra mivoaka avy amin’ny vavan’Andriamanitra". Ny m**o tiana lazaina eto dia tsy vatan’i Jesoa na Eokaristia masina fa ny zavatra ara-materialy rehetra, dia ny vola aman-karena. Tsy ny fananana zavatra ara-materialy no hahazoana ny famonjena fa ny fitafiana ny toe-panahy mifanaraka amin’Andriamanitra. Mety ho manan-karembe ny olona iray kanefa mahantra na noana ara-panahy (olona lany henatra). Izany akory tsy midika fa ny mahantra ara-materialy rehetra dia voky ara-panahy, fa entina ilazana: matetika isika dia variana mitady ny vola aman-karena (izay tsy misy maha ratsy azy), fa kosa manadino mitady ny sakafo ara-panahy izay hahazoana fiainana mandrakizay. Ny fanontaniana mandeha amintsika tsirairay dia: mitovy amin’ny hafanam-ponao mitady ny vola aman-karena va ny hafanam-ponao mitady ny sakafom-panahy, dia ny Eokaristia masina? Raha ́lazaina amin’ny fomba hafa dia: mitovy amin’ny hafanam-ponao mitady vola va ny hafanam-ponao mba ho mpamindra fo tahaka an’i Jesoa sy ho masim-piainana tahaka Azy? I Moizy raha miteny hoe "tsy ny m**o ihany no mahavelona" dia miantso antsika hahay hankasitraka an’Andriamanitra tamin’ny fahasoavana rehetra nomeny antsika izy. Ny fankasitrahana Azy anefa dia tsy inona akory fa ny fitandremantsika ny Didiny, fa indrindra: "tsy hanana Andriamanitra hafa isika afa tsy Izy".
✅ Io antson’i Moizy "tsy hanana Andriamanitra hafa" amin’ny Vak I io no mbola hanentanan’i Md Paoly antsika amin’ny Vak II anio raha nilaza izy hoe: "ny m**o sy ny kalisim-pisaorana (divay) izay raisintsika, tsy firaisana amin’ny Tenan’i Kristy sy ny Ràny va?" Ny tian’i Md Paoly lazaina dia tsotra: isika izay mandray ny Eokaristia masina dia efa miombona na miray tanteraka amin’i Kristy ka aoka isika tsy hiombona na hiray amin’ny andriamani-kafa intsony, na koa tsy hanompo sampy intsony. Maro amintsika anefa dia mandray ny Eokaristia masina ny alahady fa manompo sampy kosa ny alatsinainy. Tsy toe-panahin’ny mpandray komonio izany hoy i Paoly. Eto am-pamaranana dia ity tenin’i Md Augustin ity no tiako hanentanana antsika amin’izao fankalazana ny fetin’ny sakramenta masina izao: "devenez ce que vous recevez..." raha adika tsotsotra dia: meteza ho tahaka ny fiainan’izay raisinao(Jesoa). Isika mandray ny Eokaristia dia aoka haka tahaka ny fiainan’i Jesoa raisintsika: mitia, mamela, manompo tahaka an’i Jesoa; fa indrindra manaiky hatambatrin’ny Vatan’i Kristy ho iray.
🙏Miarahaba manokana ireo zandry rehetra nandray batemy sy komonio voalohany anio. Mitondra am-bavaka ireo rehetra afaka mandray komonio mba hanao izany ampahamendrehana, mivavaka koa hoan’ireo izay tsy afaka mandray nohon’ny antony maro samihafa, mba hahita vahaolana hahafahana manatona latabatra masina.
Mirary fetin’ny Sakramenta Masina sambatra ho antsika rehetra !!!
Source: Père Razafy