16/10/2025
🪶 Fantatrao ve hoe avy aiza ny hoe Ambohitsorohitra, izay ahitana ny Lapan'Ambohitsorohitra ao Antananarivo ?
Avy amin’ilay voronkely antsoina hoe “Sorohitra” izany. Raha adika ara-bakiteny, dia midika hoe “Am-bohitra misy sorohitra” ny hoe Ambohitsorohitra.
Io vorona io dia fantatra amin’ny anarana hafa koa hoe “Alouette Malagasy” na “Madagascar Lark”, ary ny anarany siantifika dia Eremopterix hova. Karazam-borona tsy hita afa-tsy eto Madagasikara izy io.
Hita manerana ny nosy izy, indrindra any amin’ny “savane” na lemaka ahitra, eny amin’ny lalana, ary indraindray aza ao an-tokontaninao ao. Mora hita izy rehefa lavitra, satria tiany ny mipetraka eny amin’ny bozaka na hazo kely, fa rehefa manakaiky kosa ianao, dia mandositra anaty bozaka haingana izy.
Ankoatra izany, ohabolana Malagasy maro no ahitantsika ny “Sorohitra”, toy ity manaraka ity ohatra : “Fody lahy ririnina ka mitovy volo amin’ny sorohitra”. Ny fody lahy manko miloko mena rehefa fotoanan’ny orana, fa miova toy ny an’ny sorohitra ny lokony rehefa ririnina, izay somary matroka. Sarinteny maneho ny fiovan’ny toetran’olona manoloana trangan-javatra iray izany.
Mampatsiahy antsika izao fa ny harena voajanahary eto Madagasikara dia tsy any anaty ala, faritra mando, na ranomasina ihany.
Ary ianao koa ve efa nahita sorohitra ?
Lahatsoratra sy sary : Domoina Rakotomalala