DREDD SOFIA

DREDD SOFIA NATAO HIZARANA IREO TSARA HO FANTATRA MOMBA NY TONTOLO IAINANA SY HARENA VOAJANAHARY

πŸ‘«πŸ§ Fivoriana Voalohany niarahan'ny mpiasan'ny Dredd Sofia sy Atoa DREDD SOFIA Vaovao Taorian'ny Famindram-pahefana izay ...
26/05/2026

πŸ‘«πŸ§ Fivoriana Voalohany niarahan'ny mpiasan'ny Dredd Sofia sy Atoa DREDD SOFIA Vaovao Taorian'ny Famindram-pahefana izay natao ny 22 Mai 2026.

Notanterahina androany maraina 26 mai 2026 tato amin' ny Birao Fitaleavam-Paritry ny Tontolo Iaianana sy Fandrosoana Lovainjafy Sofia.

πŸ‘‰Nosoritany voalohany ny Fomba fiasan'ny tsirairay mba ahatratrarana ny tanjona ankaponen'ny Ministera.
πŸ‘‰ Fandaminana ny fiaraha- monina arak'asa amin' alalan'ny fifanajana ,fifampitokisana ary fanaovana tatitra ara- potoana amin'ny Lehibe izay naniraka.
πŸ‘‰ Noresahana tao ihany koa ireo asa maika sy asa miandry mialohan'ny tena fandaminana sy fandrindrana iarahana amin' ny sampandraharaha misy ato amin'ny Fitaleavam-Paritra : toy ny asa mahazatra iarahana amin' ireo mpiara-miombon'antoka.Anisan'izany ihany koa ny Atrik'asa iarahana amin' ny "Projet Arofano" mahakasika ny Validation Dina eto anivon'ny Faritra Sofia hatao ny 04 Jona 2026 ho avy izao.
πŸ‘‰ Narindra manokana ny fanomanana ny JME izay hatao any Marotandrano ny 05 Jona 2026 ho avy izao.
πŸ‘‰ Notsindriana mafy ihany koa ny fiaraha-miasa sy aro- fanina miaraka amin' ireo Mpiara-miombon'antoka amin' ny sehatra ny Tontolo Iaianana.

26/05/2026
🌱 Fankalazana ny Andro Iraisam-pirenena ho an'ny Karazan-java-manan'Aina.     🦨🌱🌊 Notanterahina teto Antsohihy renivohit...
26/05/2026

🌱 Fankalazana ny Andro Iraisam-pirenena ho an'ny Karazan-java-manan'Aina.

🦨🌱🌊 Notanterahina teto Antsohihy renivohitry Faritra Sofia ny zoma 22 Mai 2026 izany hetsika izany.

πŸ‘« Nanomboka tamin' ny diabe ho an'ny Karazan-java-manan'Aina izay niarahan'ny mpiasan'ny Fitaleavam-Paritry ny Tontolo Iaianana sy Fandrosoana Lovainjafy Sofia ,ireo mpianatry UniversitΓ© UITAM Antsohihy,ireo mpiara-miombon'antoka ary fikambanana Tia Tontolo iaianana.

πŸŽ€πŸ§‘β€πŸ’» Nisy ny adi-hevitra izay niompana tamin' ny Loha-hevitra ny "'JIB 2026'" hoe: Sahia mandray andraikitra ho an'ny tombontsoa Iombonana.
Ny Fitaleavam-Paritry ny Tontolo Iaianana sy Fandrosoana Lovainjafy Sofia dia manentana antsika rehetra mba samy hanaja sy hanatsara hatrany ireo Karazan-java-manan'Aina ireo.

23/05/2026
πŸ‘« Famindram- pahefana teo amin'i DREDD SOFIA vaovao sy nahavita 🀝 Tamim- pirahalahina  no nanatanterahana ny famindram-p...
22/05/2026

πŸ‘« Famindram- pahefana teo amin'i DREDD SOFIA vaovao sy nahavita

🀝 Tamim- pirahalahina no nanatanterahana ny famindram-pahefana an'i DREDD Sofia teo aloha Docteur MANANTSOA Clermond sy DREDD Sofia vaovao Andriamatoa RAVOHITRA Donatien.
βœ‹βœ‹ Nanambara ity farany fa vonona tanteraka hanome sy hitondra ary hizara izay traik'efa ananany ka mila ny Fiaraha- miasa amin'ny ekipa DREDD Sofia mba hahatratrarana ny tanjona ankaponen'ny Ministera ny amin' ny fiarovana, Fikajiana ary fampandrosoana ho Lovainjafy.

βœ‹βœ‹Nanamafy sy nampahatsiahy ihany koa ny Talem-paritra ny Tontolo Iaianana sy Fandrosoana Lovainjafy Sofia vaovao ho an'ireo mpiara-miombon'antoka mba hametrahana ny maha izy azy ny fanjakana ary apetraka eo amin' ny toerany.
πŸ‘‰ Ny lanonana dia notarihan'ny Prefen'Antsohihy RAVELOMAHAY Fitiavana.
πŸ‘‰ Nanatrika ny ekipa ny DREDD SOFIA.

🌱🌳 Fankalazana ny Andro Iraisam-pirenena ho an'ny Karazan-java-manan'Aina         🎀🎀 Ny Zoma 22 Mai 2026Ankalazaina eto ...
21/05/2026

🌱🌳 Fankalazana ny Andro Iraisam-pirenena ho an'ny Karazan-java-manan'Aina

🎀🎀 Ny Zoma 22 Mai 2026
Ankalazaina eto Antsohihy renivohitry Faritra Sofia izany ka hisy ny diabe ho an'ny Karazan-java-manan'Aina

🌱🌳Ndahy hifanome tanagna hikobaby ny hariagna voajanahary azo havaozina isika rehetra
21/05/2026

🌱🌳Ndahy hifanome tanagna hikobaby ny hariagna voajanahary azo havaozina isika rehetra

Ny Fitaleavam-Paritry ny Tontolo Iaianana sy ny Fandrosoana Lovainjafy Sofia dia Ravoravo miarahaba an'andriamatoa RAVOH...
20/05/2026

Ny Fitaleavam-Paritry ny Tontolo Iaianana sy ny Fandrosoana Lovainjafy Sofia dia Ravoravo miarahaba an'andriamatoa RAVOHITRA Donatien Talem-paritra ny Tontolo Iaianana sy Fandrosoana Lovainjafy Sofia vaovao ka mirary fahombiazana ho an'ny FIKOBABIANA NY TONTOLO IAINANA.
Mankasitraka an'ny Talem-paritra ny Tontolo Iaianana sy Fandrosoana Lovainjafy Sofia teo aloha.

Address

Antsohihy
407

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when DREDD SOFIA posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share