29/07/2026
29 Jolay 2026: nisokatra tamin'ny fomba ofisialy ny "FOIRE MEVA 2026", izay natao manoloagna ny Lapan'ny tanànan'ny Diégo-Suarez.
Nikarakara izany hetsika izany ny Antenimieran'ny Varotra sy ny Indostria (CCI) eto Diégo-Suarez niaraka tamin'ny Faritra Diana sy ny Commune Urbaine de Diégo-Suarez.
Nanatrika izany lanonana izany ny Minisitry ny Varotra sy ny Fanjifana, ny Filoha Lefitry ny Antenimieram-pirenena eto amin'ny Faritany Antsiranana, ny Filohan'ny CCI eto Diégo-Suarez, ny Solombavam-bahoaka ny distrikan'i Antsiranana I, ny lehiben'ny Faritra DIANA, ny Préfet-n'i Antsiranana ary lefitry ny ben'ny tanàna ny Commune Urbaine de Diégo-Suarez.
Tonga nanatrika izany ihany koa ireo talem-paritra sy filohan'ny CCI avy amin'ny faritra hafa sy ireo Nosy rahavavy. Misy delegasiona vahiny maro ihany koa tonga nanatrika, avy any amin'ny Nosy La Réunion sy Mayotte.
Natomboka tamin'ireo fifandimbiasana fandraisana fitenenana ary notohizana tamin'ny fitsidihana ireo trano heva.