01/10/2026
FANATSARANA NY FITANTANANA ENY IFOTONY
Mahazoarivo, 1 Oktobra 2026 —
Nihaona tamin’ny Praiminisitra sy ny Minisitry ny Atitany ireo Lehiben’ny Faritra 24 sy tompon’andraikitry ny Distrika, nandritra ny fihaonana tao Mahazoarivo.
Nifantoka tamin’ny fanatsarana ny fomba fiasa eny ifotony sy ny fampiharana ny PGE-R sy PMO ny dinika. Nampitain’ireo tompon’andraikitra ihany koa ny olana sy soso-kevitra eny anivon’ny Faritra sy Distrika, ho fanatsarana ny fitantanan-draharaham-panjakana. Tazana nandritran'izany ny lehiben'ny Fileovana Antsiranana Huberto Dellaris .