29/09/2025
📣Fanambarana ofisialy Coalition Namako Ny Tany DIANA.
Aminizao fotoan-tsarotra iainanny tanànantsika sy ny firenentsika izao noho ny krizy lalina vokatry ny fahatapahan-drano sy jiro maharitra, maneho firaisankina aminireo fikambanana rahavavy sy ireo tanora mitaky ampilamianan ny zo fototra izahay.
Ary miombo-kalahelo aminny fianakavianireo very havana ankaiky, fa indrindra ho anny fikambanana SAVA-U, mpikambana ato aminny coalition, izay very olona manga. Miondrika am-panajana izahay. Ho velona anatintsika ny fahatsiarovana tsara azy. Dia mirary fahasitranana haingana ho anireo naratra.
Eto koa maneho ny ny tsy fanekenay ny fandrobana sy ny fandravana fanananolona izay manimba ny vokatry ny asa sy ezaka ary fikirizana ataonny olom-pirenena mitovy aminay, ary tsy vahaolana aminny fijaliana iainantsika.
Miantso ny rehetra izahay mba haneho firaisankina ary mba handray andraikitra ny isan'ambaratongany : Raiamandreny ara-panjakana, ara-panahy, ara-dRazana sy sns, amin'ny famahana haigana ny olana mampikaikaika ny mponina eto an-toerana.
Antsiranana, 29 septambra 2025
Ny birao mpanatanteraka
Send a message to learn more